Ny Andro Famelombelomana: Fanjakan'Andriamanitra izay ho avy

 SABATA MIALOHA NY FETIN’NY TABERNAKELY

 

 

ny ANDRO FAMELOMBELOMANA FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IZAY HO AVY

 

 

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Mika 4: 1-6

Jaona 2:1-11

Asa 3:1, 19-26

 


 

 

SABATA 18 SEPTAMBRA 2021

 

SABATA MIALOHA NY FETIN’NY TABERNAKELY

 

ny ANDRO FAMELOMBELOMANA FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IZAY HO AVY

TENIN’ANDRIAMANITRA

Mika4: 1-6

Jaona 2:1-11

Asa 3:1, 19-26

 

Asa. 3:19 : « Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, »

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Mika 4: 1-6

[Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy]

(Mik.4:1) « Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. » (Mik.4:2) « Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Mik.4:3) « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. » (Mik.4:4) « Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny. » (Mik.4:5) « Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria. » (Mik.4:6) « Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin'izay nampahoriko; »

Jaona2:1-12

[Ny nampodian’i Jesosy ny rano ho divay tao Kana, sy ny nakanesny tao Kapernaomy]

(Jao. 2:1) « Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. » (Jao. 2:7) « Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. » (Jao. 2:8) « Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. » (Jao. 2:9) « Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy » (Jao. 2:10) « ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo] » (Jao. 2:11) « Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. »(Jaona 2:12) « Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy. »

 

Asa 3:1, 19-26

[Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona]

Asa. 3:1 « Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. » … Ka nitory hoe : Asa. 3:19 « Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, » (Asa. 3:20) « ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, » (Asa. 3:21) « Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. » (Asa. 3:22) « Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo. » (Asa. 3:23) « Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona (Deo. 18. 15, 19). » (Asa. 3:24) « Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. » (Asa. 3:25) « Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany (Gen. 22. 18). » (Asa. 3:26) « Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony*, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [*Na: ny Zanany] »

 

TORITENY

  Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


ANDRO FAMELOMBELOMANA SY FAMPODIANA NY ZAVATRA REHETRA

 

FAMPIDIRANA

Ity toriteny nataon’i Petera taorian’ny nandraisany ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta ity dia mamintin ny baikon’Andriamanitra ho an’ny olombelona hoe « Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, » « ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy. »

Inona ny andro famelombelomana ary inona ny andro fampodiana ny zavatra rehetra?

Izay asehon’ny Fetin’ny Tabernakely an-tsary (Lev. 23:27, 34) no lazain’i Petera amin’ireo andro ireo, satria izany no maneho an-tsary ny fanjakan’i Jesosy Kristy amin’ny fiverenany (Apo 20:4).

Ny Andro Famelombelomana sy Fampodiana ny zavatra rehetra dia hiantomboka amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy, ilay aseho an-tsary amin’ny Fitsofana Trompetra, sy amin’ny fanagadrana an’i Satana mandritry ny arivo taona, izay aseho an-tsary amin’ny Andro Fanavotana, ary farany,ny fitsanganana faharoa, hampianarana ny olombelona rehetra izay tsy nahalala ny famojena talohan’ny fahafatesany.

Nyfiverenan’i Jesosy Kristy sy ny fanagadrana an’i Satana mandritry arivo taona no mandrafitra ny fototra izay hampiorenanana ny fampodiana ny famoronana nataon’Andriamanitra tany am-boalohany, izay misy fiadanana tonga lafatra sy firindran’ny zavatra rehetra. Koa « Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana] » (Oha. 13:17).

Koa ireto manaraka ireto no ohatra amin’ny famelombelomana  entin’ny fampodiana ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainan’ny olombelona:

Ø  Hanana fiainana be dia be ny olon-drehetra rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra

Ø  Hahita fiadanana be dia be izao tontolo izao

Ø  Homena fahasalamana sy hery be dia be nyolona

Ø  Hizarana fahalalana be dia be ny momba ny fahamarinan’Andriamanitrany olona

Ø  Homena fotoana be dia be sy andraikitra be dia be isika mpanjaka sy mpisorona

FANAZAVANA

Ø Ny iraka mahatoky dia famelombelomana

(Gal. 3:27) « Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. » (Gal. 3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (1 Pet. 2:9) « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; » (1 Pet. 2:21) « Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; » (Oha. 13:17) « Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana*.[Na: fanasitranana] »

ð  Mpandova ny Teny fikasana, dia ny fiainana mandrakizay sy ny  Fanjakan’Andriamanitra isika, ary hizara famelombelomana miaraka amin’i Jesosy Kristy raha mahatoky amin’ny fankatoavana ny Dinin’i Jehovah.

Ø Izay an’i Kristy dia mpandova ny fiainana mandrakizay sy ny Fanjakan’Andriamanitra

(Gal. 3:27) « Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. » (Gal. 3:28) « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal. 3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (1 Pet. 2:9) « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; » (1 Pet. 2:21b) « … Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; » (1 Pet.2:25) « Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo] » (Oha.13:17b) « … Ny iraka mahatoky dia famelombelomana*. [Na: fanasitranana] »

Ø Hanome fiainana be dia be ho an’ny olona

a)      Hoy Jesosy (Jao. 10 :10b) : « Izao avy mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany be dia be »

Ny fanarahantsika ny dian’i Jesosy Kristy dia hananantsika fiainana be dia be ankehitriny. Ary isika koa dia ho mpizara fiainana be dia be ho an’ny olona amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, satria ho iray tanteraka amin’Andriamanitra ny olona rehetra amin’izany fotoana izany. (Jao. 17:11) « Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. » (Jao. 17:21) « mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jao. 17:22) « Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: »

b)     Faminaniana (Amo. 9 :13-15)

(Amo. 9:13) « Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo. » (Amo. 9:14) « Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra. » (Amo. 9:15) « Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao. »

c)      Rano novoin’i Jesosy Kristy ho divay tao Kana (Jao. 2 :1, 7-11)

(Jao. 2:1) « Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy. » (Jao. 2:7) « Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. » (Jao. 2:8) « Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. » (Jao. 2:9) « Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy » (Jao. 2:10) « ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be* ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [*Gr.mamo] » (Jao. 2:11) « Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany. »

ð Toy izany no herin’ny asa izay hataon’i Jesosy mandritra ny fanjakana arivo taona, ary hataontsika miaraka aminy koa araka izay voasoratra ao amin’ny Isa 32 :2, manao hoe : « Ary hisy lehilahy* ho fierena amin'ny rivotra sy ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin'ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin'ny tany mahana. [Na: Ary samy] »

d)     Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahasoavan’Andriamanitra (Isa 55 :1-5)

(Isa.55:1) « [Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. » (Isa.55:2) « Nahoana ianareo no mandany* vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja] » (Isa.55:3) « Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida. » (Isa.55:4) « Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena. » (Isa.55:5) « Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao. »

 

Ø Hahita fiadanana be dia be izao tontolo izao

a)      Jehovah hiady sy hamonjy anareo, fa ianareo kosa hangina (Eks. 14 :13-14)

(Eks.14:13) « Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. » (Eks.14:14) « Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. »

ð  Matokia an’i Jehovah ary avelao Izy hanatanteraka ny teny fikasany aminao, fa fiadanana be dia be no homeny anao. Amena !

b)     Fepetra (Lev. 26 :2, 4-6)

(Lev.26:2) « Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah. » (Lev.26:4) « dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. » (Lev.26:5) « Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. » (Lev. 26:6) « Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. »

ð  Ny mampalahelo ankehitriny : Hatramin’izao dia tsy nohajain’ny Isiraelita sy ny Jentilisa izany tenin’i Jehovah izany satria tsy matoky Azy izy na tsy mahafantatra Azy sy ny lalàny sy ny didiny akory. Noho izany dia tsy misy fiadanana be dia be eto an-tany, tsy misy sakafo be dia be fa ny fahantrana sy tsy fisian-tsakafo no hitaamin’ny tany sy firenena maro.

c)      Hiakatra ao an-tendrombohitr’i Ziona ny Jentilisa hianatra ny tenin’Andriamanitra ary ny firenena tsy hiady sy hifandrafy intsony (Mik. :1-6)

(Mik.4:1) « [Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. » (Mik.4:2) « Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Mik.4:3) « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. » (Mik.4:4) « Fa samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny. » (Mik.4:5) « Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria. » (Mik.4:6) « Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no hanangonako ny mandringa sy hamoriako izay noroahina mbamin'izay nampahoriko; »

d)     Nampitsahatra ny tafio-drivotra sy ny alon-drano Jesosy Kristy (Mar 4 :37-40)

(Mar. 4:37) « Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. » (Mar. 4:38) « Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? » (Mar. 4:39) « Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. » (Mar. 4:40) « Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? »

Matahotra mafy ny amin’ny fiovan’ny toetr’andro isika ankehitriny. Betsaka ny loza sy ny fahapotehana noho ny rivo-doza sy ny tondra-drano. Fa rehefa tonga Kristy dia tsy hisy intsony izany loza izany fa izay nasehony tamin’ny niarahany tamin’ny mpianany no porofo amin’ny fiadanan’ny toetr’andro toy izany.

Ø Hisy fahasalamana sy hery be dia be

a)      Fahasitranana be dia be (Asa 3 :1, 4-6)

(Asa.3:1) « [Ny nahasitranan'i Petera ilay lehilahy nalemy tongotra, sy ny tori-teny nataony tamin'ny olona] Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana. » (Asa. 3:4) « Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay. » (Asa. 3:5) « Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy. » (Asa. 3:6) « Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna. » (Asa. 3:7) « Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny. » (Asa. 3:8) « Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. »

b)     Hery sy fahasitranana be dia be (Isa 35 :4-6)

(Isa. 35:4) « Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika] » (Isa. 35:5) « Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina. » (Isa. 35:6) « Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina. »

c)      Olona iray niantso mafy mba hisintonany ny mason’i olona sy Jesosy Kristy izay nandalo (Lio 18 :35-43)

(Lio. 18:35) « Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. » (Lio. 18:38) « Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. » (Lio. 18:40) « Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy » (Lio. 18:41) « ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko. » (Lio. 18:42) « Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao. » (Lio. 18:43) « Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra. »

ð  Nanantona an’i Jesosy ilay olona. Ho avy ny andro izay hananan’ny olona rehetra ny hery be dia be izay ilaina hanantonany an’i Jesosy Kristy.raha mino ianao dia efa nomeny anao ary ao anatinao izany hery izany ankehitriny.Amena ! Haleloia !

d)     Andriamanitra manana hery be dia be ary tsy mety reraka Izy, sady hanome izany hery izany ho an’ny olona rehetra izay reraka (Isa 40 :28-31)

(Isa.40:28) « Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany. » (Isa.40:29) « Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. » (Isa.40:30) « Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; » (Isa.40:31) « Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka. »

Ø Fahalalana sy fahazoana be dia be ny fahamarinan’i Jehovah

Amin’izao fotoana izao dia tsy ampy fahalalana an’i Jehovah ny olona, fa jamban’ny fahalalana voatolotry ny razana.

a)      Hofoanana ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay mandrakotra ny firenena (Isa 25 :7)

(Isa.25:7) « Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. »

b)     Tsy hiery intsony ny mpampianatra, fa hahita maso azy izay ampianarina (Isa 30 :20b-21)

(Isa.30:20b-21) « Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; » « Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. »

ð  Andraikitsika ny hampianatra ireo olona rehetra ireo. Vonon ve ianao ?

c)      Hataon’i Jehovah ao an-tsain’ny olona ny lalàny ; hosoratany ao am-pony (Heb 8 :10-12)

(Heb. 8:10) « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Heb. 8:11) « Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb. 8:12) « Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). »

Ø Fotoana sy andraikitra be dia be ho antsika fanjakam-pisorona

a)      Hampianatra ny olona isika (1 Pet 2 :9)

(1 Pet. 2:9) « Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; » (Dan. 12:3) « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria. » (Mpi T. 11:1) « Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela. » (Mpi T. 11:2) « Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo aty ambonin'ny tany. »

b)     Tsara raha tsy nahalala ny lalàn’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy (2 Pet 2 :20-21)

(2 Pet. 2:20) « Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. » (2 Pet. 2:21) « Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. »

ð  Raha ory sy misedra olana ianao ankehitriny, dia aza kivy fa toetran’Andriamanitra ny mamindra fo ka henoy izao :

c)      Toetran’Andriamanitra ny mamindra fo (Isa 54 :7-8)

(Isa.54:7) « Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao. » (Isa.54:8) « Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao. »

ð  Omen’Andriamanitra famindram-po be dia be ka manana andraikitra be dia be hizara famindram-po be dia be ho an’ny olon-drehetra.

d)     Famindram-pon’Andriamanitra : Hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra sy ny Jentilisa rehetra (Rom 11 :26, 30-31)

(Rom. 11:26) « ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; » (Rom. 11:30) « Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, » (Rom. 11:31) « dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. »

Ø Fehiny

Santarinao dieny izao izay voalaza hataonao miaraka amin’I Jesosy amin’ny andro famelombelomana raha mino sy mankatò ny Didy ianao ary mikatsaka ny Fanjakn’andriamanitra mialoha ny zava-drehetra. Fa amin’ny fiverenan’I Kristy kosa ianao dia isan’ny mpizara izany fiadanana be dia be ho an’ny olon-drehetra izany. Amena! Haleloia!

(Apo. 5:13) « … Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. »