Voatendry Ho Manjaka Sy Mpisorona!

 FETIN’NY TABERNAKELY

ANDRO FAHAROA SY MANARAKA

VOATENDRY HO MPANJAKA SY MPISORONA!

TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 44:23-31

Matio 25:14 -28

Apokalypsy 2:26-29

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

 

Ezekiela 44:23-31

[Lalana ny amin’ny mpanjaka sy ny mpisorona]

(Ezekiela 44:23) « Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio. »(Ezekiela 44:24) « Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendrikoary ny Sabatako dia hohamasininy. »(Ezekiela 44:25) « Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy irenykanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy. »(Ezekiela 44:26) « Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha. »(Ezekiela 44:27) « Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatinyhanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masinadia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo. »(Ezekiela 44:28) « Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany. »(Ezekiela 44:29) « Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana* eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb. herema] »(Ezekiela 44:30) « Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao. »(Ezekiela 44:31) « Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona. »

Matio 25:14 -28

[Fanoharana ny amin’ny talenta]

(Matio 25:14) « Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: »(Matio 25:15) « koa ny anankiray nomeny talenta dimyny anankiray roaary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. »(Matio 25:16) « Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. »(Matio 25:17) « Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. »(Matio 25:18) « Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. »(Matio 25:19) « Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. »(Matio 25:20) « Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoeTompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. »(Matio 25:21) « Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc] »(Matio 25:22) « Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. »(Matio 25:23) « Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc] »(Matio 25:24) « Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; »(Matio 25:25) « dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. »(Matio 25:26) « Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; »(Matio 25:27) « koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. »(Matio 25:28) « Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. »

Apokalypsy 2:26-29

(Apokalypsy 2:26) « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; »(Apokalypsy 2:27) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. »(Apokalypsy 2:28) « Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. »(Apokalypsy 2:29) « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »


Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ny ankamaroan'ny Kristiana dia tsy mahatsapa izay ambaran'ny Baiboly momba ny hoaviny mahatalanjona. Izy ireonohajambinin'ny hevi-diso manao hoe: “hanao vakansa arivo taona any an-danitra",ka tsy mahatakatra fa ny fitsapana isan'andro amin'ny fiainana Kristiana dia manomana azy ho amin’ny mandrakizay. Nefa ny pejy rehetra ao amin'ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa ny tena mpanara-dia an'i Jesosy Kristy dia miofana - amin'ny lesona ianarany sy amin'ny toetra itomboany mandritry ny androm-piainany - hanjaka eto an-tany,ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitraamin'ny maha mpanjaka sy mpisorona azy ireo!

Hoy Jesosy: (Apokalypsy 2:26-27) « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. »

Araka ny Planiny, Andriamanitra manomana ny mpanompony mahatoky mba hanaiky andraikitra ao amin'ny fitondrany, eo ambany fahefan'i Jesosy Kristy. Mampanantena koa Andriamanitra fa ny olony dia hitana andraikitra amin'ny fisoronanaRehefa miverina i Kristy dia hatsangany amin’ny maty ny mpiananyho "mpanjaka sy mpisorona",hanampy Azy hitantana ny fanjakany eto an-tany(Apokalypsy 5: 9-10). Amin'ny famaritana ny teny, ny mpisorona no tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ny làlan'Andriamanitramanazava tsara ny lalan'ny famonjena,mba ho azon'ny tsirairay mora foana.

(Apokalypsy 5:9) « Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kasenyFa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; »(Apokalypsy 5:10) « Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. »

Manantitrantitra ny Ezekiela 44:23 fa ny mpisorona dia tokony hampianatra ny vahoakan'Andriamanitrahahaymanavaka izay masina amin’ny tsy masina - sy izay madio amin'ny maloto – satria andraikitr'izy ireo ny fanabeazana ny zanak'olombelona amin'ny foto-kevitra masina eo anatrehan’ Andriamanitra.

(Ezekiela 44:23) « Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio. »

Ny ankabeazan’ny olan'ny zanak'olombelona dia teraka avy amin’nytsy fahaizany manavaka izay marina amin'ny tsy marinaLafin-javatra telonohanova an'izao tontolo izao, mba hahatonga ny Fanjakan'Andriamanitra hitoetra tsaraHesorina i Satana sy ny heriny, arak'izay hitantsika teo aloha; Ny fampianarana tsaranohametraka ny soatoavina tena izy; ny governemanta marinadiahampanoa ny lalàn'Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao Andriamanitra manomana olona izay manaiky Azy ary resy lahatra fa marina ny lalan'Andriamanitra. Amin'ny fiverenan'i Kristy, ireo olona ireo dia hovana ho fanahy, mahery, ho zanak'Andriamanitra teraka indray, - mahay mitondra amin’ny maha mpanjaka sy mpisorona, mpampiatra, mpitarika ary mpitantana eo ambanin’i Kristy.

Mariho ity fanambarana nataon’i Kristy tamin’ny Apostoly ity: (Matio 19:28) « Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana*, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.[*Gr.fiteraham-baovao] »

Izany dia mampiseho fa hisy asam-pitantanam-panjakana ara-bakiteny hatao. Eo ambanin'ny Apostoly roambinifolo, maro hafa no handray anjara lehibe ao anatin'ity firafitry ny governemanta ity. Miharihary fa Andriamanitra dia namolavola drafitra mahafinaritra ho an'ny olony! Ao amin'ny fanoharana momba ny talenta, nasehon'i Jesosy fa ireo izay nahatoky sy namokatra voa tsara ara-panahy dia homena "andraikitra maro" (Matio 25: 14-28).

Matio 25: 14-28

[Fanoharana ny amin’ny talenta]

(Matio 25:14) « Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany: »(Matio 25:15) « koa ny anankiray nomeny talenta dimyny anankiray roaary ny anankiray iray,- samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy. »(Matio 25:16) « Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy. »(Matio 25:17) « Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony. »(Matio 25:18) « Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony. »(Matio 25:19) « Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany. »(Matio 25:20) « Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoeTompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. »(Matio 25:21) « Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc] »(Matio 25:22) « Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. »(Matio 25:23) « Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.[*Na: Ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tsara, etc] »(Matio 25:24) « Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; »(Matio 25:25) « dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. »(Matio 25:26) « Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; »(Matio 25:27) « koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. »(Matio 25:28) « Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. »

Ny fitantarana nataon'i Lioka manambara fa ny sasany handray fanapahana tanàna maromaro (Lio. 19: 12-19).

Lio. 19: 12-19

(Lioka 19:12) « Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. »(Lioka 19:13) « Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa* folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko. [*Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15] »(Lioka 19:14) « Fa ny vahoakany* nankahala azy, dia nampitondra reny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan'iny lehilahy iny izahay.[*Na: vahoaka namany] »(Lioka 19:15) « Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin'ny fandrantoana. »(Lioka 19:16) « Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo. »(Lioka 19:17) « Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin'ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo. »(Lioka 19:18) « Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy. »(Lioka 19:19) « Ary hoy koa izy tamin'io: Manapaha tanàna dimy koa ianao. »

Tonga hanambara fahamarinana mahatalanjona i Jesosy Kristy ,dia Vaovao mahafaly momba ny fahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra maneran-tany (Marka 1: 14-15).

(Marka 1:14) « Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra »(Marka 1:15) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. »

Io fahamarinana io dia tsy misy ifandraisany amin'ireo hevi-diso sy fampianarana malaza ankehitriny!

Aiza, araka ny Soratra Masina, no hanjakan'ny olo-marina? Mamerimberina imbetsaka ny Baiboly fa haorina eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra! Hoy i Jesosy: (Matio 5:5) « Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11) », fa tsy ny lanitra. Taorian'ny fiakarany ho any amin'ny Ray, dia hoy ireo anjely tamin'ny mpianatra: (Asan'ny Apostoly 1:11) «… Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. »

Rehefa maneno ny trompetra farany, dia hidina Jesosy. Mandritra izany fotoana izany, izay rehetra maty ao amin'i Kristy dia hitsangana, ary hiakatra hitsena Azy eny amin'ny habakabaka raha miverina ho any Jerosalema Izy (1 Tesaloniana 4: 13-17, 1 Korintiana 15: 51-54).

1 Tesaloniana 4: 13-17

[Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry]

(1 Tesaloniana 4:13) « Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. »(1 Tesaloniana 4:14) « Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] »(1 Tesaloniana 4:15) « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. »(1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; »(1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. »

1 Korintiana 15: 51-54

(1 Korintiana 15:51) « Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, »(1 Korintiana 15:52) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. »(1 Korintiana 15:53) « Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. »(1 Korintiana 15:54) « Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] »

Ny Soratra Masina, mifandraika amin'ny fiverenan'i Kristy eto an-tany dia feno ny antsipiriany; Zakaria mpaminany aza dia nanambara fa hitsangana indray eo an-tendrombohitra Oliva ny tongony (Zakaria 14: 4).

(Zakaria 14:4) « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. »

Ny fara-tampon'ny fiverenany dia hanamarika ny fahataperan'ny fanjakan'ny olombelona; Ho tanteraka izany, alohan'ny hifandringanan’ny zanak'olombelona amin'ny ady lehibe hanapotikaizao tontolo izao (Matio 24:22)!

(Matio 24:22) « Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. »

Ity hetsika mahafinaritra ity dia arahan'ny horohoron-tany mahatsiravina, izay hizara ny Tendrombohitra Oliva ho faritra roa nosarahin'ny lohasaha malalaka. Hisy rano velona hikoriana avy any Jerosalema ho tandindon'ny “ranon'aina”,na ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay natao ho an'ny firenena rehetra (Zakaria 14: 4, 8-9; Jaona 7: 37-38). "Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah" (Mika 4: 1-2).

Zakaria 14: 4, 8-9

(Zakaria 14:4) « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. »(Zakaria 14:8) « Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany. »(Zakaria 14:9) « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. » (Jereo koa Jod 14b): « … "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina »

Jaona 7: 37-39

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »(Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. »(Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

Mika 4: 1-2

[Ny hampodian'i Jehovah ny voninahitr'i Ziona, rehefa avy nampahorina izy]

(Mika 4:1) « Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. »(Mika 4:2) « Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. »

Ny firenena dia voatery hanova ny fitaovam-piadiana ho fitaovam-pambolena milamina. "Ary tsy hianatra ady intsony isika" (Mika 4 : 3).

(Mika 4:3) « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony. »

Jesosy Kristy, sy ny mpanjaka sy ny mpisorona izay hanompo Azy, dia tsy hiandraikitra ny fitantanana ihany, fa ny fampianarana ny zanak'olombelona koa. Ny Lalàn’Andriamanitra dia sady hampianarina noho hajaina.

Jesosy Kristy, amin'ny maha Mpanjakan'ny Mpanjaka, sy Lehiben’ny mpanapaka amin’ny tany Azy, dia handrindra manerana an'izao tontolo izao ny hetsika sivily, sy ny fampianarana, ary ny fivavahana. Ireo zanak’Andriamanitra, nateraka indray, dia hanampy an’i Jesosy, (Daniela 7: 18, 27).

(Daniela 7:18) « Ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. »(Daniela 7:27) « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. »

Ny Marina dia izao:1 Korintiana 2: 9-10:

(1 Korintiana 2:9) « Araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), »(1 Korintiana 2:10) « dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. »