Sabata mialoha ny Andro Lehibe Farany

 SABATA MILOHA

 

NY ANDRO LEHIBE FARANY

  

TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 37:1-14

Matio 11:20-30

2 Petera 3:1-13


 

"NY ANDRO LEHIBE FARANY"

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 37:1-14

[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida]

(Ezekiela 37:1) « Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. » (Ezekiela 37:2) « Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. » (Ezekiela 37:3) « Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. » (Ezekiela 37:4) « Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! » (Ezekiela 37:5) « Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6) « ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:7) « Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. » (Ezekiela 37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. » (Ezekiela 37:9) « Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. » (Ezekiela 37:10) « Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. » (Ezekiela 37:11) « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. » (Ezekiela 37:12) « Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; » (Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. » (Ezekiela 37:14) « Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. »

Matio 11:20-30

[Ny namalian’i Jesosy ny fanontanian’ny mpanan-karena anakiray sy ny resaka nataony tamin’ny mpianany, rehefa lasa ralehilahy.]

(Matio 11:20) « Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: » (Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:23) « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:24) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. » (Matio 11:25) « Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe:Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:26) « Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. » (Matio 11:27) « Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. » (Matio 11:28) « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11:29) « Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:30) « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. »

2 Petera 3:1-13

[Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany]

(2 Petera 3:1) « Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, » (2 Petera 3:2) « mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho aty aminareo; » (2 Petera 3:3) « efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Petera 3:4) « ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany?Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. » (2 Petera 3:5) « Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, » (2 Petera 3:6) « ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; » (2 Petera 3:7) « fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. » (2 Petera 3:8) « Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. » (2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, » (2 Petera 3:10) « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:11) « Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Petera 3:12) « sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] » (2 Petera 3:13) « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. »


TORITENY SY FAMPIANARANA

 Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

Inona no hitranga amin'ny olona an-tapitrisany maty izay tsy mahalala an'Andriamanitra marina - ireo izay mbola tsy mahalala an'i Jesosy Kristy sy ny Filazantsara izay nambarany? Moa ve izy ireo meloka hodorana amin'ny afobe, na dia tsy nahazo fotoana kely indrindra aza mba hahalalany ny dingana izay mitondra mankany amin'ny famonjena? Ny andro Masina Farany amin'ny Planin’Andriamanitra mahatalanjonano miresaka momba ny hiafaran'ireo rehetra tsy mbola nahalala na tsy nahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra. Ity Andro Masina faranyfeno mistery ity dia manambara ny iray amin'ireo fahamarinana mahavariana indrindra!

 

1.      Taorian'ny andro fito Firavoravoana Fitoerana amin'ny Trano Rantsankazo, nanendry andro irayFivoriana Masina Faranyve Andriamanitra?Levitikosy 23:36; Nomery 29:12, 35.

(Levitikosy 23:36) « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalodia hisyfivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. »

(Nomery 29:12) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah. »

(Nomery 29:35) « Ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. »

2.      Inona no famaritana nataon'ny Apostoly Jaona tamin'ny nanoratany an'io andro fahavalo firavoravoana io? Jaona 7:37.

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »

Nanararaotra an’io andro io ve Jesosy mba hampianatra zavatra momba ny Fanahy Masina? Jaona 7: 37-39.

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »(Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. »(Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

Fanamarihana: Ho hitantsika fa ny Andro Lehibe Farany dia tandindon’ny fotoana iray hahazoan’izay rehetra mangetaheta ara-panahy hisotro,hialan’izany hetaheta izany.

3.      Ireo izay maty ao amin'i Kristy dia hatsangana amin'ny fiverenan'i Kristy, ary hiara-manjaka aminy arivo taona, araka ny nianarantsika taloha. Hatsangana amin'ny maty ve ny olon-drehetra hafa (fitsanganana faharoa) aorian'ny Milenioma na Fanjakana Arivo Taona?Apokalypsy 20: 5.

(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. »

4.      Moa ve ny Fitsanganana Faharoadia fotoana fitsarana? Apokalypsy 20: 11-12.

(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »

5.      Inona no tian'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra? 2 Petera 3: 9.

(2 Petera 3:9) « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, »

Mizaha tavan’olona ve Andriamanitra,sa tiany hanana anjara hovonjena ny tsirairay? Asan’ny Apostoly 10: 34-35.

(Asan'ny Apostoly 10:34) « Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; » (Asan'ny Apostoly 10:35) « fa amin'ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. »

6.      Mbola hosokafana ve ny "Bokin’ny fiainana" amin'izany vanim-potoana izany? Apokalypsy 20:12.

(Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »

Fanamarihana: Ireo "boky" hosokafana, izay hitsarana ireoolona atsanganana amin'ny maty,dia ireo boky mandrafitra ny Baiboly. Ny Baiboly - ilay fenitra itsarana ny rehetra - diaho fantatry ny ankabeazan’nyolombelona amin'izay fotoana izay.

7.      Firy taona no haharetan’ity fotoam-pitsarana ity ?Isa 65:20.

(Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] »

8.      Amin'ny faran'ity fotoam-pitsarana ity, inona no hitranga amin'ireo izay tsy voasoratana ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarany?Apokalypsy 20: 14-15.

(Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] »(Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

9.      Nanoratra ve ny Apostoly Paoly fa maro ny Isiraelita tamin'ny androny no jamba ara-panahy tamin’ny fahamarinana? Romana 11: 7-8, 25.

(Romana 11:7) « Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa; » (Romana 11:8) « araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3) »

(Romana 11:25) « Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa; »

10.    Moa ve ny Apostoly Paoly niresaka andro iray amin'ny ho avy izay hahavoavonjy ny Isiraely rehetra? Romana 11:26.

(Romana 11:26) « ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy; »

11.    Moa ve Ezekiela nomena fahitana momba ny vahoaka marobe, nitsangana tamin'ny maty ho nofo aman-dra? Ezekiela 37: 3-10.

(Ezekiela 37:3) « Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. » (Ezekiela 37:4) « Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! » (Ezekiela 37:5) « Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6) « ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:7) « Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho, dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. » (Ezekiela 37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. » (Ezekiela 37:9) « Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. » (Ezekiela 37:10) « Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. »

12.    Moa ve ny fahitan'i Ezekiela milaza ny fitsanganan'ny taranak’Isiraely amin'ny ho avy? Ezekiela 37: 11-12.

(Ezekiela 37:11) « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. » (Ezekiela 37:12) « Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; »

13.    Amin'izany fotoana izany, hahalala ny tena Andriamanitra ve ny Isiraely, ary hanadio ny tenany amin'ny fahotany? Ezekiela 37: 13-14, 23.

(Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. » (Ezekiela 37:14) « Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. » (Ezekiela 37:23) « Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. »

14.    Moa ve Jesosy Kristy Niresaka fotoana iray ho avy, izay hitsanganan'ny Jentilisa tamin'ny taranaka taloha miaraka amin'ny Jiosy niara-niainataminy? Matio 12: 41-42.

(Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa,indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa,indro, misy lehibe noho Solomona eto. »

15.    Nanamafy ve Jesosy fa maro ny mpanompo sampy taloha no ho efa nibebaka raha toa afaka nahita ny asa izay nataony? Matio 11: 20-24.

(Matio 11:20) « Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: » (Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona nonatao ny asa lehibe izay natao teo aminareo,dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:23) « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:24) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodomaamin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. »

FEHINY

(Matio 11:25) « Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe:Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:26) « Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. » (Matio 11:27) « Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. » (Matio 11:28) « Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11:29) « Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. » (Matio 11:30) « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. »