Fiomanana amin'ny Fety Amin'ny Volana Fahafito: Homem-boninahitra ny Vahoakan'Andriamanitra

  FIOMANANA AMIN’NY FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO

FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO : OMEM-BONINAHITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

 

Andriamanitra mampahafantatra ny Planin’ny Famonjena amin’ny alalan’ny hevi-panahiny ambaran’ireo Andro Firavoravoana isan-taona.

Ao anatin’ity Fandalinana Sortra Masina ity no hianaranao fa ny Planin’Andriamanitra dia manambara fotoana iray izay hahatongavan’ny olon-drehetra amin’ny fahafantarana ny Fahamarinana, sy hahafahany mandova ny voninahitr’Andriamanitra. Ny Fety amin’ny volana fahafito dia tena fotoam-panantenana sy voninahitra tokoa.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:23-32

Jaona 7:37-43

1 Korintiana 15:50-58


 

FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO : OMEM-BONINAHITRA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

 

Andriamanitra mampahafantatra ny Planin’ny Famonjena amin’ny alalan’ny hevi-panahiny ambaran’ireo Andro Firavoravoana isan-taona.

Ao anatin’ity Fandalinana Soratra Masina ity no hianaranao fa ny Planin’Andriamanitra dia manambara fotoana iray izay hahatongavan’ny olon-drehetra amin’ny fahafantarana ny Fahamarinana, sy hahafahany mandova ny voninahitr’Andriamanitra. Ny Fety amin’ny volana fahafito dia tena fotoam-panantenana sy voninahitra tokoa.

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23: 23-32

[Lalàna ny amin’ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah]

(Levitikosy 23:23) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy 23:24) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. » (Levitikosy 23:25) « Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:26) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy 23:27) « Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:28) « Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo. »(Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:30) « Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:31) « Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo. »(Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »

Jaona 7:37-43

[Ny niakaran’I Jesosy tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana Tabernakely, sy ny nampianarany teo an-kianjan’ny tempoly, ary ny nitadiavan’ny lehibe hisambotra Azy]

(Jaona 7:1) « Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. »(Jaona 7:2) « Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, »

(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »(Jaona 7:38) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »(Jaona 7:40) « Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. »(Jaona 7:41) « Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? »(Jaona 7:42) « Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)? »(Jaona 7:43) « Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka. »

1 Korintiana 15:50-58

[Ny amin’ny fitsanganan’ny maty]

(15:50) « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (15:51) « Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (15:52) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (15:53) « Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (15:54) « Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lò ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (15:55) « Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). » (15:56) « Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. » (15:57) « Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (15:58) « Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. »

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


Fety amin'ny Volana Fahafito : Homem-Boninahitra Ny Vahoakan'Andriamanitra!

Ny tontolo izay iainantsika dia feno alahelo sy fijaliana. Na fijalian’olona iray no miseho, na krizy miantraika manontolo amin'ny firenena maro, dia satria feno olana ny tontolontsika. Ao amin'ny Romana 8:18-25, ny Apôstôly Paoly dia mampitaha izao tontolo izao sy ny alahelony amin'ny vehivavy iray mihetsi-jaza. Nilaza izy fa ny zavaboary manontolo dia "misento sy mijaly amin'ny fanaintainan'ny fahaterahana", miandry ny fanehoana ny zanak'Andriamanitra.

(Romana 8:18) « Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. »(Romana 8:19) « Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; » (Romana 8:20) « fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, » (Romana 8:21) « sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvanaho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] »(Romana 8:22) « Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; »(Romana 8:23) « ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. »(Romana 8:24) « Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? »(Romana 8:25) « Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana. »

Ny Fetin'ny Volana fahafito amin'ny kalandrie masin'Andriamanitra, dia tandindon'ny teny fikasana nampanantenain'Andriamanitra ny zanak'olombelona. Ireo fety ireo dia maneho mialoha ny fotoana hananan'ny vahoakan'Andriamanitra tsi-fahafatesanasy voninahitra mandrakizay. Ny ankamaroan'ny Kristiana dia tsy mahatakatra ny tanjona lehibe ataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Mihevitra izy ireo fa ankehitriny ihany no andro famonjena; vokatr'izany dia nanapaka izy ireo fa ny ankamaroan'ny olombelona dia very mandrakizay. Saingy, raha mandinika ny drafitr'Andriamanitra isika, araka ny ampahafantarina antsika amin'ny fetin’nyVolana fahafito, dia hitantsika fa Andriamanitra tsy manandrana fanamby amin'ny devoly, hiezaka hamonjy an'izao tontolo izao, izay ho very raha tsy manao izany Izy! Mifanohitra amin'izany kosa, Andriamanitra dia mifehy tanteraka ny raharaha; hatrany am-piandohana Izy noefa nanambara ny farany, sy ny fomba hanatanterahany ny drafitra lehibe.

Ilay Mpamorona antsika dia nampiasa ny fotoam-pijinjana tany amin’ny Isiraely fahiny, mba hanehoana ny fotoam-pijinjana ara-panahy lehibe amin’ny olombelona. Nanomboka tamin'ny Volana voalohany ny taom-pijinjana, izany hoe ny volana Abiba, izay midika hoe "salohim-bary maitso", mampahatsiahy ny loko maintso malefaka izay nitombo tamin'ny Volana voalohany. Ny Paska sy ny fankalazana ny Mofo Tsy Misy Lalivayno atao amin'io volana io, izay mampahatsiahy ny filàntsika fanombohana vaovao na fanavaozana!

Fito herinandro aty aoriana - aorian'ny faran'ny Volana voalohany, - tonga ny Fetin'ny Pentekosta izay mankalaza ny fijinjana voamadinika voalohany. Ao amin'ny Testamenta Taloha dia nantsoina koa hoe Fetin’ny Voaloham-bokatra izy io. Ny Pentekosta dia mampatsiahy antsika fa io vanim-potoanan'ny Fiangonana ankehitriny io dia voaloham-bokatra ara-panahy ihany - fa tsy ny fijinjam-panahin’Andriamanitra manontolo.

Ny Fetin'ny Volana fahafito dia ahitana ny fetin'ny Trompetra, ny Andro Fanavotana, ny Fetin’ny Tabernakely ary ny Andro Lehibe Farany. Ireo fety ireo, izay manomboka amin'ny andro voalohan'ny volana fahafito "sokafana amin'ny feon'ny trompetra", dia manoro ny filaharan'ny zava-misy farany,rehefa hiditra amin'ny raharahan'izao tontolo izao Andriamanitra, amin’ny fahataperan’izao vanimpotoana ankehitrinyizao. Ny bokin'ny Apokalipsy dia mampiseho fa trompetra fito mahagaga no haneno manambara ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Ny trompetra fahafito sady farany no famantarana ny fitsanganan'ny olo-marina, izay homena tsi-fahafatesana mba hanapaka sy hiara-manjaka amin'i Kristy.

Ny Fety Lehibe amin'ny Volana Fahafito - ny Firavoravoana Fitoerana Amin'ny Trano Rantsankazo - dia fantatra koa hoe "Fetin’ny Vokatra"tao amin'ny Testamenta Taloha. Tonga amin'ny fotoana iray lehibe amin'ny taom-pambolena izany, rehefa tafangona ao anaty sompitra sy trano fitehirizana ny vokatrarehetra tamin’ny volana maro, alohan'ny faran'ny Volana fahafito. Eto no famaranana ny fanangonana izay nanomboka tamin'ny Volana voalohany. Ny fijinjan-panahy lehibe - izay fotoana hiarahan’ny ankamaroan'ny olombelona ao anatin'ny fianakavian’Andriamanitra - dia hitranga amin'ny ho avy, araka ny fampirantian’ny Fetin’nyVolana fahafito.

Ny Apokalypsy 20 dia mamaritra ny "sombin-tantara" izay nasehon'ny Fetin'ny Volana fahafito. Asehon'io toko io fa i Satana dia hatsipy any amin'ny "lavaka mangitsokitsoka" alohan'ny hanombohan'ny hanjakan'i Kristy sy ireo olo-masina tafatsangana, mandritry ny arivo taona. Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana vetivety i Satana, avy eo dia hesorina tsy hampidi-doza intsony. Azontsika vakiana fa aorian'izay dia haverina amin'ny fiainana ny ambiny tamin’ny olona maty rehetra, ary hovelarina ny bokin'ny fiainana. Midika izay fa hanomboka mahazo voalohany ny bokin'ny Baiboly izy ireo. Aorian'izay, ny zanak'olombelona dia hotsaraina arakarak’izay nampiasany ny fahalalana voarainy. Ny tsirairay tokoa, dia hanana fahafahana mianatra ny fombam-piainan’Andriamanitra, sy ny fomba hahatongavana mpikambana ao amin’ny Fianakavian'Andriamanitra. Ny Apokalypsy 21 sy 22 dia manasongadina ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hitoeran'ny Ray sy i Kristy miaina mandrakizay eo anivon'ny Fianakaviany.

Mahatalanjona ny Planin'Andriamanitra; mikasika ny olombelona tsirairay izany. Ny ankamaroan'ny Kristiana dia mihevitra fa ny Planin’Andriamanitra ho amin’nyFamonjena dia tsy natao afa-tsy ho an’ireo izay nitsikian’ny vintana, ka sendra teo amin’ny fotoana sy toerana tokony handrenesana ny Filazantsara. Hianaranao amin’ity lesona ity fa tsy izany akory no marina. Ny Planin’Andriamanitra dia manome fotoana hahalalan'ny rehetra ny Fahamarinana, sy hananany fahafahana mandova ny voninahitr'Andriamanitra. Ny fotoan’ny Fetin’ny Volana fahafito dia fotoanan'ny fanantenana sy voninahitra tokoa.