Famintinana ny Andro Masina sy ny Fetin'Andriamanitra

 

FAMINTINANA NY ANDRO MASINA SY NY FETIN’ANDRIAMANITRA


 TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:1-8, 37

Marka 7:1-9

Galatiana 3:19-29

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:1-8, 37

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]

(Levitikosy 23:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy 23:2) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Levitikosy 23:3) « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. »(Levitikosy 23:4) « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovahdia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Levitikosy 23:5) « Ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan'i Jehovah. » (Levitikosy 23:6) « Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. » (Levitikosy 23:7) « Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo; » (Levitikosy 23:8) « fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo. »

(Levitikosy 23:37) « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra. »

ð Nohamafisin’i Jehovah in-telo ny fandidiana hiantsoana fivoriana masina amin’ny fotoany avy, ho an’ireo andro firavoravoana voatendriny.

Marka 7:1-9

[Toriteny nataon’i Jeosy ny amin’ny fanaon-drazana]

(Marka 7:1) « Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema » (Marka 7:2) « ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. » (Marka 7:3) « (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny totohondry] ». (Marka 7:4) « Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara] » (Marka 7:5) « Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy? » (Marka 7:6) « Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy. » (Marka 7:7) « Koafoana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Marka 7:8) « Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona. » (Marka 7:9) « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? ».


TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

è Hentitra ny famaizan’i Jesosy ireo izay tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra fa mitana ny fanaon’ny olona!

Galatiana 3:19-29

[Ny famonjena sy ny fahafahan'ny mino an'i Kristy ampitahaina amin'ny fahamelohana sy ny fahandevozan'izay miankina amin'ny lalàna]

(Galatiana 3:19) « Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany. » (Galatiana 3:20) « Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany. » (Galatiana 3:21) « Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana »(Galatiana 3:22) « Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy. » (Galatiana 3:23) « Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. » (Galatiana 3:24) « Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. » (Galatiana 3:25) « Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika. » (Galatiana 3:26) « Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:27) « Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. » (Galatiana 3:28) « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Galatiana 3:29) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. »

ð ð Izay mino sy mitandrina ary mankatò izay nandidian’i Jesosy Kristy dia tsy andevon’ny ota fa mibebaka, ary tsy miandry ny lalàna vao hanitsy ny diany. Jesosy Kristy nanome ohatra amin’ny toe-panahy sy fomba fiaina araka an’Andriamanitra, hankatoavana sy hitandremana ny didy sy lalàna ary fitsipik’Andriamanitra. Nohamafisiny ny fitandremana ny hevi-panahin’ireo didy sy lalàna ary fitsipika ireo. Koa raha mino sy mankatò izay nandidiany isika dia tsy mila hahitsy amin’ny lalàna intsony, satria ho tanteraka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ireto ny ohatra sasany izay nolazain’i Jesosy:

(Matio 5:21) « Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:22) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] »

(Matio 5:27) « Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:28) « Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. »

(Matio 5:33) « Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12). » (Matio 5:34) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; » (Matio 5:35) « na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany. » (Matio 5:36) « Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. » (Matio 5:37) « Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy] »

(Matio 5:38) « Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24). » (Matio 5:39) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. »

(Matio 5:43) « Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. »  (Matio 5:44) « Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Matio 5:45) « mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. »

(Matio 5:48) « Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. »

Ny Kristiana vita batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy (Asa 2:38), ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina (Matio 28:19), ary notorontoronin’ny Fanahy (Asa 19:6), dia nanomboka fomba fiainana vaovao sy manaitra. Nefa toa an'i Abrahama, sy Isaka, sy Jakoba, sy Davida ary i Paoly, dia fantatr'Andriamanitra fa ny Kristiana dia mbola afaka manota ihany indraindray (1 Jaona 1: 8-9). Koa Andriamanitra be famindram-po dia mampanantena famelankeloka raha mibebaka isika; hampahery antsika Izy, hahafahana manohy mandresy sy hahazo fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakany be voninahitra.

(1 Jaona 1:8) « Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » (1 Jaona 1:9) « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. »

Saingy ahoana marina no ahafahana manohy mandresy, manohy mankany amin'ny tanjona mandrakizay, miezaka mampivelatra amin’ny fiainantsika ny toetran'i Jesosy Kristy lavorary sy masina ary marina, hahateraka antsika ao amin’ny Fianakavian'Andriamanitra? Amin'ny alàlan'ny FINOAN'NY KRISTY no hahatanteraka an’izany - "Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra" (Kol. 1:27).

(Kolosiana 1:27) « izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; »

Hoy i Paoly: "MAHAY manao ny zavatra rehetra aho - handresy izay fitsapana, na fisedrana, na olana, na ota, amin'ny alàlan'i KRISTY izay manome hery ahy!" (Fil. 4: 13.)

Ary toy izany koa isika!

Eny, amin'ny alalàn'i Kristy no ahafahantsika mampifaly an'Andriamanitra, manatanteraka ny lalàny ary MANDRESY! Andao hofantarina.

 

NY ANDRO MASINA SY NY FETIN’ANDRIAMANITRA

Natao ho an’iza ary ny Fotoa-pivavahana notendren’i Jehovah? Ho an’Isiraely ara-nofo ihany va, izay nasainy nitandrina azy mandrakizay? Sa natao ho antsika Isiraely ara-panahy indrindra (taranak’i Abrahama koa, Gal 3:27-29, jereo esty aloha; Rom 4:16)?

(Romana 4:16) « Koa finoana no andovanamba ho araka ny fahasoavanahahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihanyfa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra - »

Inona avy tamin’ny Zanak’Isiraely ara-nofo no lovaintsika Isiraely ara-panahy? Inona no ataon’i Jehovah izay manatrika ireo Fotoam-pivavahana notendreny? Mbola manankery ve ankehitriny ny fitandremana azy ireo amin’ny fotoany avy? Sa tsy ilaina satria “aloka fa tsy tena izy”? Mirakitra inona moa izy ireo? Raha Jesosy Mpamonjy no manatanteraka izay raketiny, moa tsy misy andraikitra takiana amin’ny olona izay hovonjena ve? Tsy hampianatra azy ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana arivo taona? (Zak 14: 16-19, jereo etsy aoriana).

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8)

Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidiany ho mandrakizay?

Hoy Jesosy, nanome tsiny ny mpitondra fiangonana tamin’ny androny: « Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Mariho tsara io tsikera nataon’i Jesosy io ! Mihatra indrindra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah ho masina io. Izany tokoa, satria tsy misy olona mahay manompo tompo roa, afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin’ny lovantsofinano hanao izany koa amin’ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, izay notandreman’i Jeososy sy ny fiangonana apostolika.

Tsy maintsy MISAFIDY isika! Diniho tsara ny lanjan’ny fandidiana in-3 hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo apostoly voalohanyamin’ny fitandremana ireo dingam-pamonjena ireo, na “hanamasina” fotoana hafa araka izay heverintsika!

Ny Andro Masina sy ny Fetin’Andriamanitra dia tsy misy ifandraisany amin'ny fetin'ny zanak'olombelona. Ny Andro Masin’Andriamanitra dia nambara tamin'ny fanahin'olombelona (1 Korintiana 2: 9-10).

(1 Korintiana 2:9) « Fa araka ny voasoratra hoeIzay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isa. 64. 3), » (1 Korintiana 2:10) « dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza. »

Ireo dia Andro masina isan-taona izay nodidian'ny Raintsika hivavahana Aminy. Tian'Andriamanitra ny hivavahantsika aminy mandritry ny androny, fa tsy hanaraka ny andro fankalazan’ny mpanompo sampy (Deoteronomia 12: 29-32).

(Deotoronomia 12:29) « Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny, » (Deotoronomia 12:30) « dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. » (Deotoronomia 12:31) « Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny. » (Deotoronomia 13:1) « Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao. »

Rehefa miverina eto an-tany i Jesosy Kristy ho Mpanjakan'ny Mpanjaka sy Tompon'ny tompo, ny olombelona dia hianatra mitandrina ireo Fetin’Andriamaitra tena lehibe ireo (Zakaria 14: 16-19). Ho faizin’Andriamanitra mafy ireo firenena izay tsy mitandrina ny fety sy andro masina voatendriny.

 

(Zakaria 14:16) « Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:17) « Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy. » (Zakaria 14:18) « Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminysady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zakaria 14:19) « Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana] »

Ho jerentsika izao ny lisitr’ireo Fetin’Andriamanitra amin’ny volana fahafito, sy ny fehezanteny fohy manazava azy, izay mampiseho ny fifandraisany amin'ny olombelona.

 

NY ANDRO MASIN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY VOLANA FAHAFITO

Vakina tsirairay ny tenin’Andrimanitra voalahatra, afa-tsy ireo lavabe izay fintinina.

Fetin’ny Trompetra

Levitikosy 23:23-25; Matio 24:30-31; 1 Tesaloiniana 4:16-17; Apokalypsy 11:15. Ny Ray handefa an’i Jesosy Kristy mpandresy ety an-tany, ho Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, mba hamonjy ny zanak’olombelona amin’ny fahafonganana tanteraka. Rehefa tsofina ny Trompetra farany, dia hiverina Jesosy Krsity, ary hatsangana amin’ny maty ireo olo-masina mba hiara-manorina Aminy ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Fetin’ny Andro Fanavotana

Levitikosy 23:26-32; 16:7-31; Apokalypsy 20:1-3. Satana devoly, ny mpamitaka lehibe ho an’ny firenena rehetra sy ny vahoaka, ilay mpamorona sy mpitarika ny fisarahana dia hesorina. Hampihavanina amin’Andriamanitra ny olona.

Fetin’ny Tabernakely

Levitikosy 23:34-35, 39-42; Isaia 2:1-4; 11:1-16; Apokalypsy 20:4, 6. Jesosy Kristy sy ny olo-masina hanapaka ny tany mandritry ny arivo taona. (Isaia 2:3) « … Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Isaia 11:9) « … Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » Ny firenena rehetra sy ny olona rehetra hantsoina ho amin’ny fibebahana sy ny famonjena.

Ny andro Lehibe Farany

Levitikosy 23:36; Ezekiela 37:1-14; Matio 12:41-42; Apokalypsy 20:5, 11-12. Mandritry ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe, olombelona an-davitrisany maro, izay tsy nahafantatra mihitsy ny fahamarinana, no hatsangana amin’ny maty ho amin’ny nofo aman-drà, mba hanana anjara amin’ny fanomezana famonjena.

(Joda 25) « Ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. »

 

================oOOOo================