Fetin'ny Tabernakely: Andro voalohany

 ANDRO VOALOHANY: 15 eTANIMA

FETIN’NY TABERNAKELY

TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:33-44

Jaona 7:1-14

Apokalypsy20:1-6

 

TENIN’ANDRIAMANITRA SY TORITENY

Levitikosy 23:33-44

[Lalàna ny amin’ny fanamasinana fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah]

(Levitikosy 23:33) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana fahafito izany no hiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an'i Jehovah. » (Levitikosy 23:35) « Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina: aza manao tao-zavatra akory. »(Levitikosy 23:36) « Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; ary amin'ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masina ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory. »(Levitikosy 23:37) « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina, hanaterana fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, »(Levitikosy 23:38) « afa-tsy izay fanao amin'ny Sabatan'i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »(Levitikosy 23:40) « Ary amin'ny andro voalohany dia makà voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. »(Levitikosy 23:41) « Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy. »(Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, »(Levitikosy 23:43) « mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. »(Levitikosy 23:44) « Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah. »

 

Jaona 7:1-14

[Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana Tabernakely, sy ny nampianarany tao an-kianjan’ny tempoly, ry ny nitadiavan’ny lehibe hisambotra Azy.

(Jaona 7:1) « Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. » (Jaona 7:2) « Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, »(Jaona 7:3) « ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; »(Jaona 7:4) « fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na: mitady ho hita fa matoky] »(Jaona 7:5) « Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. »(Jaona 7:6) « Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. »(Jaona 7:7) « Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. »(Jaona 7:8) « Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. »(Jaona 7:9) « Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. »(Jaona 7:10) « Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. »(Jaona 7:11) « Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy? »(Jaona 7:12) « Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy. »(Jaona 7:13) « Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy. »(Jaona 7:14) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. »

 

Apokalypsy 20:1-6

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona]

(Apokalypsy 20:1) « Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; »(Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, »(Apokalypsy 20:3) « dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »(Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. »(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »


Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


Ny fetin'ny Tabernakely, izay maharitra fito andro, dia iray amin'ireo fotoan-dehibe amin'ny taona, andrasan’ny vahoakan’Andriamanitra amim-pahamaizana, sady manomana ny tenany mialoha. Ity fety amin'ny Volana fahafitoity dia maneho ny fotoana hahafantaran'ny firenena rehetra an'Andriamanitra sy ny lalany. Betsaka ny faminaniana ao amin'ny Baiboly no mampiseho an'io fotoana mahafinaritra io. Ao amin'ity fizarana ity dia ho hitantsika izay ambaran'ny Baiboly momba ny fetin'ny Tabernakely.

1.      Inona avy ireo torolalana omen’Andriamanitra momba ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito? Levitikosy 23:34. Hafiriana no hankalazana an'izany fety izany?

(Levitikosy 23:34) « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny foloamin'izany volana fahafitoizanynohiantombohan'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo hafitoanaho an'i Jehovah. »

2.      Tokony hankalazaina amin'ny faran'ny fotoam-pijinjana ve ity andro firavoravoana ity? Levitikosy 23:39.

(Levitikosy 23:39) « Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. »

3.      Ahoana no tokony hipetrahan'ny Isiraely (Fiangonana)mandritra ity andro firavoravoana ity? Levitikosy 23:42.

(Levitikosy 23:42) « Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa. »

Fanamarihana: Ny "lay" dia nadika avy amin'ny teny hebreosukka, izay matetika nolazaina hoe "tranolay" na "tabernakely", izay mampiseho fa fonenana tsy maharitra izany.Lasy koa no ilazana azy.

4.      Tao amin'ny fety faharoa amin'ny volana fahafito dia hitantsika ny fifandraisan'ny Andro Fanavotana sy ny fanagadrana an'i Satana. Rehefa esorina i Satana, inona no dingana manaraka amin'ny fizotry ny Planin’Andriamanitra lehibe? Apokalypsy 20: 4.

(Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. »

Fanamarihana: Io filazana ny fotoana itondran'i Kristy sy ny olo-masina mandritry ny arivo taona io no niandohan'ny teny hoe "millennium", “milenioma”, izay teny latina midikahoe arivo.

5.        Rehefa miverina i Kristy mba hamarana ny fikomian’ireo firenena, hitoetra eo amin'ny Tendrombohitra Oliva ivelan'i Jerosalema ve Izy? Zakaria 14: 4.

(Zakaria 14:4) « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo. »

Inona no ho andraikitr’iKristy eto an-tany rehefa miverina? Zakaria 14: 9; Joda 14.

(Zakaria 14:9) « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »

(Joda 14) « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina ».

6.        Hankalaza ny fetin'ny Tabernakely ve ny firenena rehetra, anisan'izany ireo tsy Israelita, mandritry ny fotoana hanjakan'i Kristy? Zakaria 14: 16.

(Zakaria 14:16) « Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. »

Moa ve hosazian'Andriamanitra ireo firenena izay tsy hankalaza ity fety ity? Zakaria 14: 17-19.

(Zakaria 14:17) « Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy. »(Zakaria 14:18) « Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. »(Zakaria 14:19) « Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana] »

7.        Moa ve Jesosy Kristy manokana nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsankazo, ary nampianatria ny hafa hanao toy izany koa? Jaona 7: 2-10, 14.

(Jaona 7:2) « Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, »(Jaona 7:3) « ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao; »(Jaona 7:4) « fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary*; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. [*Na: mitady ho hita fa matoky] »(Jaona 7:5) « Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy. »(Jaona 7:6) « Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. »(Jaona 7:7) « Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. »(Jaona 7:8) « Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako. »(Jaona 7:9) « Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany. »(Jaona 7:10) « Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. »

(Jaona 7:14) « Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. »

Fanamarihana. Ankoatry ny fitandreman’i Kristy manokana ny andro firavoravoana Tabernakely sy fampianarany ny hafa hanao toy izany koa, dia misy zava-miafina hafa nosokafany amin’ny sain’ny mpino momba ny tenany manokana eto. Tsy nety niara-niakatra tamin’ny rahalahiny ho any Jerosalema Izy, satria hoy Izy “tsy mbola tongany fotoako”. Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.  Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.

Nandritra ity Fety ity, ny hafatr'i Jesosy manokana ve dia momba ny fitsarana araka ny fahamarinana? Jaona 7:24.

(Jaona 7:24) « Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina. »

8.        Inona ilay fotoanyambaran’ny androfisasahan’ny firavoravoana Tabernakelynisehoan’i Jesosy nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly? Fotoana fitsingerenan’ny andro nahaterahany io, ka tiany ho amin’izany no isehoany vahoaka.Ireto teny faminaniana momba ny Fetin’ny Tabernakelyireto no manamarina izany, amin’ny maha Mesia, Zanak’Andriamanitra tonga niara-nonina tamintsika Azy:

Hevitra ara-paminaniana voalohany: tandindon’ny fonenan’Andriamanitra teo amin’ny olona tany anefitra (Eks 25: 8, 22): “Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy Aho”. Mihaona mifanatrika amin’i Mosesy tao amin’ny tabernakely Jehovah; Monina = mitoetra an-day; fioerana masina = tabernakely.

Hevitra ara-paminaniana faharoa: faminaniana ny amin’ny hahaterahan’ny Mesia Mpamonjy (Jesosy Kristy) ara-nofo (Isaia 7:14). « Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela** [**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] ». Jereo koa Jaona 1: 1, 2, 14; Mika 5: 1-3. Andriamanitra monina amintsika no anarana nomanina ho an’ny Zanak’Andriamanitra raha teraka.

Hevitra ara-paminaniana fahetelo: fahaterahan’ny Jesosy Kristy tao am-pihinanam-bilona. Tanteraka ny fitoerany an-day na an-trano rantsan-kazo satria raha teraka Izy dia tsy tao an-trano fonenan’olona(Lioka 2: 7, 12, 16).

Hevitra ara-paminaniana fahefatra: Ny fotoana nahaterahan’i Jesosy Kristy dia tena tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Tabernakely na fitoerana an-trano rantsan-kazo tokoa, 15-21 Tishri na 20-26 Septambra. Nanao fisoronana tamin’ny fotoanan’ny antokon’i Abia (Volana fahefatra na Jona) i Zakaria rain’i Jaona Mpanao-batisa (Lioka 1: 1-5). Antoko faha 8 izany amin’ny fifandimbiasana nalahatr’i Davida mpanjaka (1 Tant 24: 10). Ny Fanombohan’ny fisoronana dia Nissan na Marsa, voaloham-bolana amin’ny taona (Eks 12: 1-2); Nitoe-jaza an’i Jaona Elizabeta rehefa nody tany an-tranony Zakaria (Volana AV na Jolay, Lioka 1: 36). Nitoe-jaza an’i Jesosy i Maria 6 volana taorian’ny nampitoe-jaza an’i Elizabeta (Lioka 1:31-33; volana Janvier). Raha sivy volana ny vehivavy no mitondra vohoka dia volana Nissan na Marsa amin’ny taona manaraka Jaona Mpanao-batisa no teraka, ary enina volana aorian’izay Jesosy no teraka,izany hoe volana Etanimana Septembra, volana fahafito. Misy andro firavoravoana efatra amin’ny volana fahafito: Fitsofana trompetra amin’ny voalohan’ny volana, Fanavotana amin’ny fahafolo, Fitoerana amin’ny Trano Rantsan-kazo naTabernakely amin’ny 15-21, ary Fara-Fivoriana amin’ny faha roambiroapolo. Koa satria “Andriamanitra mitoetra an-day” (Imanoela) no anaram-paminaniana nomanina ho an’i Jesosy rehefa teraka, dia mazava ho azy fa mandritry ny Firavoravoana Tabernakely no nahaterahany. Miantomboka amin’ny antsasaky ny volana io firavoravoana io, dia ny 15 Tishri (na 20 Septambra), izay mety ho andro nahaterahany.  Ny Jaona 7: 10, 14 kosa anefa manamarina ny fahaterahany tamin’ny antsasaky ny herinandro firavoravoana (18 Etanimana 23 Septambra).

Hoy Jesosy: « … tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. » (Lioka 24:44). Izany rehetra izany dia mampibaribary ny firindran’ny soratra rehetra ao anaty Baiboly: Tabernakely = fitoeran’Andriamanitra an-day miaraka amin’ny olona; marina hatrany am-boalohany ka ho mandrakizay izany (Matio 1:23; Jaona 1:1-2, 14; 7: 10).

Inona no nataon’i Jesosy Kristy fony nitoetra an-day niaraka tamin’ny olona Izy?

Nampianatra sy nitori-teny Izy, nampahalala an’Andriamanitra Ray sy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.Izany ihany koa no nataony tamin’ny andro firavoravoana fitoerana an-trano Rantsan-kazo na fetin’ny tabernakely natrehiny farany tao Jerosalema (Jaona 7:2-10, 14, 24).

9.        Inona no hampiavaka ny governemanta mandritry ny fanjakana arivo taona, rehefa i Kristy no hitondra ny tany manontolo? Isaia 32: 1.

(Isaia 32:1) « Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny. »

10.      Araka ny voalazan'ny Jaona toko faha-7 ao amin'ny Filazantsara, dia namelabelatra io lohahevitra io ihany i Kristy rehefa niteny tamin'ny fetin'ny TabernakelyIzy. Inona avy ireo vokatry ny governemanta toy izany? Isaia 32: 17-18.

(Isaia 32:17) « Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; » (Isaia 32:18) « Ary ny oloko hitoetra ao amin'ny fonenana mandry fahizay sy ao amin'ny fitoerana mahatoky ary ao amin'ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po. »

11.      Mandritra ny arivo taona hanjakan'i Kristy, izay tandindon'ny Fety amin'ny Tabernakely, dia hosoloina zavatra hafa tanteraka ve ny toe-tsaina fifaninanana sy herisetra? Hiova koa ve ny toetran'ny biby? Isaia 11: 4-8.

(Isaia 11:4) « Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. » (Isaia 11:5) « Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony » (Isaia 11:6) « Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] » (Isaia 11:7) « Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; » (Isaia 11:8) « Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] »

12.      Nahoana no hitranga izany? Isaia 11: 9.

(Isaia 11:9) « Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. »

13.      Ho toy ny “andro fanasana amin’ny sakafo tsara sy voadio” ho an'izao tontolo izao ve ny fitantanan'ny Fanjakana arivo taona? Isaia 25: 6.

(Isaia 25:6) « Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. »

14.      Ao amin'ny Milenioma, hesorina mandrakizay ho an'ny rehetraveny rakotra manarona ny fahatakarana ny Planin’Andriamanitra sy ny tanjony? Isaia 25: 7.

(Isaia 25:7) « Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. »

15.      Hofoanana amin'ny fandresena ve ny fahafatesana, ary hekenaho Mpamonjy eran’izao tontolo izao ve JehovahTompo? Isaia 25: 8-9.

(Isaia 25:8) « Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny. » (Isaia 25:9) « Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika. »

Fanamarihana: Mandritry ny Fanjakana arivo taona, izay nahatapitra ny androny dia tsy mandalo fahafatesana toy izay misy amin’izao fotoana izao iainantsika izao, fa ovana ho fanahy avy hatrany, dia miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary manjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy, amin’ny mahafanjakam-pisorona.Tsy miandry fitsanganana amin’ny maty izy ireo, rehefa mahatapitra ny fiofanany; tsytoa antsika taty alohany;na miandry fitsanganana faharoa, aorian’ny fanjakana arivo taona,toa an’ireo tsy voafidy ho voaloham-bokatra,izaytsy nandalo ny fitsanganana voalohany.

Tsy mandalo fahafatesana tambin’ny ota izy ireo, satria Satana mpampanao fahotana tsy eo fa migadra mandritry ny arivo taona ny amin’ny lavaka tsy hita noanoa.

Izany sata manokana izany dia asongadin’ny tenin’i Jesosy mamintina ny fanoharana nataony momba ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, voatantara ao amin’ny Matio 20:1-10.Matio 20:16:« Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany. »