Fetin'ny Andro Fanavotana

  FETIN’NY

ANDRO FANAVOTANA


TENIN’ANDRIAMANITRA

 Levitikosy 23:27-32

 Jaona 14:1-7

Hebreo 10:1-10


TENIN’ANDRIAMANITRA

Levitikosy 23:27-32

[Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah]

(Levitikosy 23:27) « Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotanahisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:28) « Ary aza manao raharaha akory amin'izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo. »(Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:30) « Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:31) « Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizayamin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo. »(Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »

Jaona 14:1-7

[Ny nampiononan’i Jesosy ny fon’ny mpianany, sy ny nilazany ny amin’ny Fanahy Masina]

(Jaona 14:1) « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] »(Jaona 14:2) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. »(Jaona 14:3) « Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. »(Jaona 14:4) « Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)] »(Jaona 14:5) « Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? »(Jaona 14:6) « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »(Jaona 14:7) « Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy. »


 TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


èèè Mila mifantoka amin’ny tanjon’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny olombelona raha hanazava ireo tenin’i Jesosy ireo, toy izao manaraka izao.

Handeha Hamboatra Fitoerana Ho anareo Aho

Jesosy Kristy nilaza hoe : (Jao 14:1) « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] » (Jao 14:2)« Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. »

Jesosy Kristy milaza ny fomba hiarovana ny fontsika tsy halahelo. Tsy milaza izany hoe tsy hanana eritreritra mandà sy mampamoy fo isika – tsy maintsy miady isika amin’izay fotoana izay. Nefa ireo andininy ireo manome antsika ny fomba entitra hampitony, dia ny fametrahana ny tanjontsika amin’ny tranon’i Jehovah.

Aiza Ny Tranon’ny Ray?

Teo Amin’ny Zanak’Isiraely

Jesosy niteny foana hoe: ny Tranon’ny Ray dia ny Tempoly ao Jerosalema. Ohatra: Isa 56:7; Lio 2:49; Mar 11:17; Jao 2:16.

« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isa 56:7)

(Lio 2:49) « Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan'] »

(Mar 11:17) « Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoeTsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11). »

(Jao 2:16) « dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. »

Mandritry Ny Milenioma

Mandritra ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), ny Tranon’ny Ray dia ho ny tempoly ao JerosalemaNefa raha niteny i Kristy hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, dia nilaza momba ny fotoana aorian’ny Mileniomasatria ny asa hataontsika mandritry ny Milenioma dia haharitra mandrakizay! Ny Apo 3:12 milaza fa « tsy hiala amin’io tempoly io intsony isika ». Hiasa mandrakizay avy eo amin’ny tranon’ny Ray isika!

(Apokalypsy 3:12) « Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitroary tsy hiala eo intsony izyary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro,dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitroary ilay anarako vaovao. »

Ny tempoly izay narafitry ny olon’Andriamanitra dia nalaina ohatra avy amin’ny tempoly any an-danitra. Ny Ezra 8:29 miteny momba ny efitrano na birao ao anatin’ny tranon’iJehovah. Ny Jer 36:10 miteny momba ny efi-tranon’i Geramia izay mampiseho fa nanana fiandrianana izy, sy efi-trano na birao mifanandrify amin’io fiandrianany io ao amin’ny tranon’i Jehovah.

(Ezra 8:29) « Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah. »

(Jeremia 36:10) « Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasydia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah. »

 

Ny Jer 35:2 miteny momba ireo efi-trano, na birao ao anatin’io Tranon’i Jehovah io. Ny 1 Mpanj 6:5 koa mampahatsiaro an’ireo efi-trano ao amin’ny tempoly nataon’i Solomona - dia birao manodidina ny tempoly.

(Jeremia 35:2) « Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny. »

(1 Mpanjaka 6:5) « Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidinana amin'ny ati-trano lehibena amin'ny efitra atinysady nasiany efi-trano manodidina; »

Hebreo 10: 1-10

[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra]

(Hebreo 10:1) « Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. » (Hebreo 10:2) « Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireosatria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy? » (Hebreo 10:3) « Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. »(Hebreo 10:4) « Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. »(Hebreo 10:5) « Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainaoFa tena no namboarinao ho Ahy; »(Hebreo 10:6) « Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; »(Hebreo 10:7) « Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8). »(Hebreo 10:8) « Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", »(Hebreo 10:9) « dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. »(Hebreo 10:10) « Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. »


Toriteny

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


FANAZAVANA NY HEBREO 10:1-10

Ny ambaran’ny teny alokaeo amin’ny andininy 1 dia izao:

Aloka = tandindona. Ny tandindona dia avy amin’ny zavatra tena izy iray tarafin’ny hazavana. Tsy ahitana ny antsipirian’ny tena izy ny aloka, fa anjaran’izay mijery no mandinika ny tena izy nanome ny aloka mba hahafantarany ny andinindininy rehetra.

Zavatra ho avy = dingana manaraka amin’ny Planin’ny Famonjena.

Ny tenan’ny aloka dia an’i Kristy (Jereo Kolosiana 2:16-17) = ny dingana tsirairay amin’io Planina io dia izay ataon’i Kristy amin’ny fanatanterahany azy, hanovana ny olombelona hanana ny fombam-panahy rehetra ilainy’ny zanak’Andriamanitra, rehefa mpikambana ao amin’ny Fianakaviany, mandova ny Fanjakany mandrakizay.

Mariho tsara fa fanatitra alatsa-dra sy fanatitra dorana no resahin’i Paoly eto amin’ity Hebreo 10:1-10 ity, ary Kristy no tena fanatitra mahafaka antsika amin’ny ota!

Ny famonjena ataon’i Kristy dia tanterakanefa misy andraikitra takiana amin’ny olombelona mba hahavoavonjy azy: tsy maintsy manaja sy mankatò ny fepetra ilaina amin’ny dingam-pamonjena rehetra izy. Hoy Jesosy: « Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. » (Jao 13:15).

NY ANDRO FANAVOTANA

Aorian'ny fetin'ny trompetraizay tonga amin'ny andro voalohany amin'ny volana fahafitony Andro Fanavotana dia ankalazaina amin'ny andro fahafolo amin'izany volana izany. Izy io dia maneho ny iray amin'ireo fisehoan-javatra manan-danja indrindra amin'ny Planin'Andriamanitra - tranga izay tsy takatry ny ankamaroan'ny KristianaRaha raisina hoandro firavoravoana ny andro masina rehetraity andro manokana ity kosa dia fotoana fifadian-kanina. Nahoana? Ao amin'ity fizarana ity isika dia tsy handinika fotsiny ny fomba tsy maintsy hitandreman'ny vahoakan'Andriamanitra ny Andro Fanavotana amin'izao androntsika izao, fa ny dikan'io koa amin'ny Planin'Andriamanitra.

 

1.        Andro manokana inona no tokony hotandremana amin'ny andro fahafolo amin'nyvolana fahafito amin'ny kalandrien'Andriamanitra? Levitikosy 23:27.

(Levitikosy 23:27) « Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »

2.        Andro iray izay tokony hanetretsika ny fanahintsikave ary tsy hanaovantsika asa? Levitikosy 23:27, 29-31.

(Levitikosy 23:27) « Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:30) « Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy 23:31) « Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny amin'izay rehetra honenanareo. »

3.        Heverin'Andriamanitra ho zava-dehibe tokoa ve ny fanajana ny toromarika momba azy io? Levitikosy 23:29.

(Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »

4.        Ahoana no nataon'i Davida mba hampietry ny fanahinySalamo 35:13.

(Salamo 35:13) « Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin'ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako. »

5.        Inona no tsy maintsy atao amin'ny fifadian-kanina? Moa ve ny mifady hanina midika hoe tsy misakafo sy tsy misotro rano mandritry ny fotoana iray? Estera 4: 16

(Estera 4:16) « Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. »

6.        Tany amin'ny Isiraely taloha, ny mpisoronabe dia tokony hanao fanavotana ho an'ny firenena indray mandeha isan-taona? Oviana ilay izy? Levitikosy 16: 29-30, 34.

(Levitikosy 16:29) « Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo. »(Levitikosy 16:30) « Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo »(Levitikosy 16:34) « Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. »

7.        Tamin'io andro io, nentina tany amin'ny fidirana amin'ny tranolay ve ny osilahy roa (taty aoriana, teo am-baravaran'ny tempoly)? Levitikosy 16: 5, 7.

(Levitikosy 16:5) « Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roahatao fanatitra noho ny otasy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana. »(Levitikosy 16:7) « Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. »

8.        Nanaovana filokana ve no fomba namaritana ny anjara andraikitry ny osy tsirairayLevitikosy 16: 8.

(Levitikosy 16:8) « Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela. »

9.        Inona no natao tamin’ny osy voafidy ho an'i JehovahLevitikosy 16: 9, 15.

(Levitikosy 16:9) « Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota. »

(Levitikosy 16:15) « Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany. »

Fanamarihana: Ny osy voafidy ho an'i Jehovah dia "tandindona" - maneho - an'i Jesosy Kristy, izay nanolotra ny tenany hamonjy noho ny fahotan'izao tontolo izao. Ny mpisoronabe izay nitondra ny ra teo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, dia "tandindon’"i Kristy tafatsangana tamin'ny maty, Nankatòvin'Andriamanitra izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, vakio ny Hebreo 9: 24-26.

(Hebreo 9:24) « Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika; »(Hebreo 9:25) « ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; »(Hebreo 9:26) « fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. »

10.      Inona no natao tamin’ilay osy faharoa, voafidy ho an’i AzazelaLevitikosy 16:10, 20-22.

(Levitikosy 16:10) « Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela. »(Levitikosy 16:20) « Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona. »(Levitikosy 16:21) « Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra. »(Levitikosy 16:22) « Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy. »

FanamarihanaAzazela dia anarana manondro an'i Satana izany.Ny osilahy faharoa izay nametrahan’ny mpisorona ny fahotan’ny olona teo amin’ny lohany ary nampandroahiny ho any an-efitra ho an’i Azazela dia manambara ara-panoharana nyfamerenana any amin’i Satana ny andraikiny tamin’ny fahotana’ny olona. Ary dia avotana amin’izany koa amin’ny fahotana izay nataony tamin’ny tsy fahalalana ny olona.

Koa satria Satana no namitaka ny olona hanota, dia averina any aminy ny andraikitra amin’ny ota. Roahina izy hanalavitra ny fitoerana masin’Andriamanitra sy ny olona mba tsy ho afaka mamitaka azy intsonyTapahina araka izany ny fifandraisany amin’ny olona.

Andraikitry nympisorona sy ny mpiara-miasa aminymiaraka amin’i Kristy ny mandroaka ny devoly sySatana, izany hoe manapaka ny fifandraisany amin’ny olona: “délivrance” sy “fandravana ny sampy”. Tompon’andraikitra daholo ny mpino rehetra.

Satana sy ny ota no esorina sy ampanalavirina, fa ny olona sy ny fitoerana masin’Andriamanitra mijanona eo amin’izay misy azy.

11.      Satana, ilay mpamorona ny ota ve amin’ny farany, dia ho samborin’ny anjely mahery aryhatoka-monina any amin'ny toerana iray izay tsy hahafahany mamitaka ny olombelonaintsonyApokalypsy 20: 2-3.

(Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, »(Apokalypsy 20:3) « dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »

Ny teny manodidina ny Apokalypsy 20 ve milaza fa hitranga tsy ho ela aorian'ny fiverenan'i Kristy izany, araka ny ampahany iray hitantsika ao amin'ny fizarana voalohany amin'ity lesona ity, dia ny fankalazana ny Fetin'ny Trompetra?

Fanamarihana: Mandritry ny fankalazana isan-taona ny Andro Fanavotana, ny osilahy voafidy ho an'iJehovah dia natolotra ho fanatitra noho ny ota; ny zanak'osy voafidy ho an'i Azazelakosa dia hitondra ny fahotan'ny firenen'Israely amin’ny tenany;avy eo dia noroahina ho any an-tany lavitra tsy nisy fonenan'olombelona izy.

12.      Moa ve ny avonavona no fahotana voalohany nahatonga an'i Losifera ho lasa SatanaIsaia 14: 12-14; Ezekiela 28:17.

(Isaia 14:12) « Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena. »(Isaia 14:13) « Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; »(Isaia 14:14) « Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; »

(Ezekiela 28:17) « Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka, »

Rehefa manetry ny fanahintsika isika, amin'ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotanamampiseho ny fandavantsika an'izay antsoina hoe "mpanjakan'ny bibi-dia rehetra" ve isika (Joba 41:25.)

(Joba 41:25) « Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra. »

Fanamarihana: Rehefa mampitaha ny Isaia 27: 1 sy ny Apokalypsy 12: 9 dia mora ny mahita fa ny leviatana dia fanoharana ilazana an'i Satana devoly.

(Isaia 27:1) « Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina. »

(Apokalypsy 12:9) « Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »