Ny Fetin'ny Tabernakely:
Mankalaza
tontolo tsara kokoa
Mankalaza
ny Fetin'ny Tabernakely amin'izao andro izao!
Ity fetin'ny Baiboly fito andro ity dia mampahafanatra
anao mialoha ny fotoana mahafinaritra izay ho avy
Toriteny:
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Efa nandre momba ny Fetin'ny Tabernakely ve ianao? Fantatrao ve fa tamin'ny taonjato voalohany dia nankalaza izany i Jesosy Kristy ary na ankehitriny aza dia Kristiana an'arivony maro no manaraka ny ohatra nomeny tamin'ny fanarahana azy isan-taona?
Ankehitriny, ny Fetin'ny Tabernakely dia misy dikany lehibe ho an'ny Kristiana. Hodinihintsika ny maha-zava-dehibe an'io fety io sy ny antony maha-zava-dehibe amin'Andriamanitra ny fitandreman'ny olony izany.
Hodinihintsika ny antony anafahan'ny Kristiana an'arivony eran'izao tontolo izao ny tenany amin'ny asany na ny fianarany, mba hivory hanompo an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ary mijanona ao amin'ny fonenana tsy maharitra. Ho hitantsika eo hoe maninona ity fialan-tsasatra ara-Baiboly ity no misy dikany lehibe ho an'ny olombelona rehetra!
Fahitana ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra
Telo tamin'ny mpianatr'i Jesosy no nanatri-maso fisehoana nanova ny fiainany, izay voatahiry ao amin'ny Filazantsara. Mety hainao tsara ny zava-nitranga tamin'ity seho ity, saingy tsy azon'ny ankamaroan'ny olona fa raha ny marina dia misy fifandraisana mivantana amin'ny Fetin'ny Tabernakely izany.
Andeha hojerentsika ny antsipirian'ny fisehoan-javatra antsoina hoe
Fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra. Indray andro Jesosy dia niteny tamin'ny
mpianany ary nilaza zavatra tsy mampino: "Ary hoy indray Izy taminy: Lazaiko aminareo
marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana
mandram-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin’ny hery. » (Marka 9: 1)
Mazava ho azy fa tsy fantatr'izy ireo ny fotoana hahatanterahan'ny
tenin'i Jesosy! (Marka 9:2) « Ary
nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka
nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia
niova tarehy teo anatrehany Izy, » (Marka 9:3) « ary ny fitafiany
niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba
ambonin'ny tany mahafotsy toy izany. » (Marka 9:4) « Ary Elia sy
Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy. » (Marka 9:5) « Ary
niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto
isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho
an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia. » (Marka 9: 1-5)
Sehon-javatra tsy mampino! Tamin'ny fahitana, ireto mpianatra ireto dia
nafindra tampoka tany amin'ny ho avy mba hahita an'i Jesosy Kristy amin'ny voninahiny
sy amin'ny fanjakany! Jereo ny fihetsik'i Petera.
Inona no fifandraisana nataon'i Petera tamin'io fahitana io? Nanolo-kevitra ny hanao lay izy. "Inona no fifandraisana?” Mety hanontany ianao? I Petera dia nanao fifandraisana mazava sy mivantana teo amin'ny Fetin'ny Tabernakely sy ny hevitra momba ny tranolay, izany hoe fonenana vetivety toy ny lay. Inona no vokatr'izany eo amin'ny Kristiana ankehitriny? Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia andao hiverina any amin'ny sahan-kevitra fototra.
Fankalazana iray voatendry
Ary rehefa nanome ny lalàny an'i Mosesy Andriamanitra, dia hoy Izy: Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: « Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ity volana fahafito ity dia andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo ho an'i Jehovah hafitoana. Amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina… » (Levitikosy 23: 34-35).
Mety hieritreritra ianao fa ho an'ny Testamenta Taloha ihany io ary natao ho an'ny Jiosy ihany. Tsy izany. Momba ny Kristiana izany! Fantatrao ve fa ny Mpamonjy antsika, Jesosy Kristy, dia namela ohatra ho antsika amin'ny fitandremana ity fety ity?
Ny bokin'i Jaona dia miresaka ny amin'ny nandehanan'i
Jesosy sy ireo rahalahiny nankany Jerosalema hanao ny andro firavoravoana
fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo:(Jaona 7:10) « Fa
rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra
koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina. » (Jaona 7:11)
« Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe:
Aiza Izy? » … (Jaona 7:14) « Ary rehefa nisasaka ny andro
firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka
nampianatra. »(Jaona 7: 10-11,14)
Voamarikao ve fa nanantena ny rehetra fa hanatrika ny Fetin'ny Tabernakely i Jesosy? Fa maninona? Satria nandritra ny androm-piainany dia nankalaza ny fetin'Andriamanitra araka ny notakin'ireo lalàn'Andriamanitra Izy. Na dia tandindomin-doza aza ny ainy, dia nandeha nankalaza ny Fetin'ny Tabernakely Izy!
Hitantsika ary fa fantatr'i Kristy fa fankalazana isan-taona voatendry io, ary tsy natao ho an'ny Jiosy irery izany. Ny Levitikosy 23 dia mitanisa ireo andro ireo, ary miantso azy ireo hoe "fetin'i Jehovah" (andininy 2). Tsy fetibe ho an'ny Isiraely fotsiny, na fankalazana ho an'ny Jiosy irery izy ireo.
Jesosy dia nanome ohatra tamin'ny nanehoany fa natao ho an'ny rehetra izy ireo, ary mbola fetin’Andriamanitra izy ireo ankehitriny.
Ny Fiangonana voalohany dia nanaraka ny ohatr'i Jesosy tamin'ny fankalazana ireo fety ireo. Nankalaza ny Fetin'ny Tabernakely isan-taona Izy, ary nampianatra ny dikany lehibe.
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa, amin'ny maha-mpanara-dia, dia tsy maintsy mandeha tahaka ny nandehanany isika, mba hiaina tahaka ny niainany (1 Jaona 2: 6).
(1 Jaona 2:6) « Izay*
milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany
koa. [* Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc] »
Rehefa miteny Andriamanitra fa tokony hankalaza ny fety isika, dia mampiasa teny hebreo midika hoe "fotoana voatondro". Fantatrao ve fa nomen'Andriamanitra " fotoana voatondro " maromaro ianao hotandremanao? Ireo dia antsoina koa hoe "fivoriana masina" na "fivoriambe masina".
Fantatr'i Jesosy fa handray lesona sarobidy isika rehefa mifanerasera sy mitandrina ny andro firavoravoana miaraka.
Andriamanitra dia milaza fa manana fotoana manokana miaraka Aminy isika amin'ny Fetin'ny Tabernakely. Saintsaino izany! Andriamanitra dia nanome antsika tsirairay avy, mandritra ity fety ity, fanasana tsy manam-paharoa hahafantatra Azy amin'ny fomba manokana!
Fa maninona no fankalazana anaty tranolay na trano tsy maharitra?
Mba hankalazana ny Fetin'ny Tabernakely, Andriamanitra dia nilaza tamin'ny Isiraelita hanao zavatra mety ho hitantsika hoe hafahafa. Tokony hitandrina ny andro firavoravoana amin'ny "trano rantsan-kazo" izy ireo.
Inona no dikan'izany ?
Fankalazana ny Fiahian'Andriamanitra Antsika
Ny lesona iray hafa avy amin'ny Fety dia: « mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. » (Levitikosy 23:43)
Izany dia mitondra antsika hiverina amin’Isiraely izay nirenireny tao an-tany hay tany an'efitra - nivoaka tamin'izao tontolo izao hivahiny miaraka amin'Andriamanitra, eo ambany fiarovany. Tao anatin'ireny toe-javatra sarotra ireny dia voatery niankina tamin'Andriamanitra tanteraka ny Isiraely. Ka inona no nataon'Andriamanitra?
Tsy nivadika Izy tamin'ny famaliana ny filan'izy ireo rehetra. Nofoanany tamin'ny rano madio ny hetahetany, nomeny mana nilatsaka avy tany an-danitra izy, ary nomeny papelika hohaniny aza. Naneho ny fitiavany sy ny fiahiany ny olony Izy rehefa tena nila azy fatratra izy ireo.
Ity fitiavan'Andriamanitra lehibe ho an'ny Isiraely ity dia tokony hampahatsiahy antsika ny fiahiany antsika. Manana ny Mpamorona sy Mpitantana an'izao rehetra izao izay manome izay ilaintsika isan'andro isika. Izy dia liana manokana amin'ny fiainantsika. Ankoatra izay, manome izay ilaintsika indrindra Izy: Mpamonjy afaka manome antsika fiainana mandrakizay. Noho izany ny Kristiana dia tokony hankalaza sy hanome voninahitra an'Andriamanitsika tsy mahafoy, manome izay ilaintsika rehetra.
Ny Fety, amin'ny tenany ihany, dia fitahiana fanampiny, anomezan'Andriamanitra izay ilaintsika ara-panahy. Nilaza ny hiarahantsika mivavaka Amin’Andriamanitra, ary izay rehetra andidiany antsika dia ho tombontsoa manokana. Manome toky antsika Izy fa ny fety rehetra izay natsangany dia manan-danja Aminy. Mampahatsiahy indray izy hoe: (Levitikosy 23:2-4) « Ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia hantsoinareo ho fivoriana masina amin’ny fotoany avy. »
Ny fetin'i Jehovah dia ampahany amin'ny fiahian'Andriamanitra antsika, satria manome antsika fotoana tsy manam-paharoa bebe kokoa holaniana miaraka Aminy. Tsy hevitra mahafinaritra na safidy tsara fotsiny ity. Mandidy antsika tokoa Andriamanitra hitandrina ny fetiny mba hahasoa antsika manokana!
Ny hoe Andriamanitra manome antsika fankalazana ara-panahy mahafinaritra, izay ankasitrahany sady manome voninahitra Azy, dia fitahiana tokoa, sa tsy izany?
Mankalaza Tontolo
Ho Avy Tsara Kokoa
Nandinika ny sasany amin'ireo foto-kevitra ara-batana sy ara-panahy isika, izay ampianarin’ny fitandremana ny Fetin'ny Tabernakely, toy ny fomba fanaovana laharam-pahamehana ny tena trano fonenantsika ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fiahian'Andriamanitra antsika amin'ity fiainana ity. Saingy misy lesona iray hafa koa azontsika ianarana amin'ity fety ity - ary izany no manan-danja indrindra amin’ny rehetra.
Ho an'ny Isiraelita, ny Fetin'ny Tabernakely dia fankalazana ny fijinjana lehibe tamin’ny fahavaratra sy fararano teo amin'ny tanin'ny Isiraely. Andriamanitra dia nitahy azy ireo tamin'ny fijinjana be dia be. Ao ambadiky ny fankalazana ny fijinjana dia misy lesona ara-panahy tsy mampino, izay tandindon'ny fijinjana ara-panahy lehibe. Andriamanitra dia nanome lesona ara-batana hampianarana antsika fahamarinana ara-panahy.
Raha hitandrina ny fito andro amin'ny andro firavoravoana ary koa ny andro fahavalo manaraka azy avy hatrany, dia mivory amin'ny toerana voafaritra mandritra ny andro firavoravoana manontolo ny fianakaviana. Ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray, ny mpikambana sy ny fianakavian'izy ireo dia mandeha any amin'ny toerana isan-karazany eran'izao tontolo izao, mandray anjara amin'ity fankalazana ity. Hotely sy ivontoerana fihaonana lehibe no mandray azy ireo hahafahany manao fivoriam-pivavahana isan'andro.
Ny Fetin'ny Tabernakely dia manasongadina io fotoana fanavaozana ara-panahy sy fifaliana lehibe ho an'ny rehetra io, ka ny fivoriam-pivavahana isan'andro dia mifantoka amin'ny fampianarana ny Tenin'Andriamanitra. Ny hafatra dia mijery manokana ny fanantenantsika ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho avy, sy ny anjara asan'ny Kristiana ankehitriny amin'ny fanompoana ny Mpanjakany.
Satria tsy mahazatra ny tsy maha-eo amin'ny asa sy ny sekoly amin'ny datin'ny fetin'ny Tabernakely, dia mampandre mialoha ny mpampiasa sy ny mpampianatra momba ny fikasany ny mpikambana.
Antenaina fa ny ankamaroan'ny mpampianatra sy ny mpampiasa dia hiara-miasa sy handray andraikitra amin'ny fanekena ny fitandremana ny fetin’ny Baiboly.
Amin'ny tranga tsy fahita firy isian’ny olana eo amin'ny famelana ny asa na ny sekoly, na any amin'ny firenena izay tsy ahazoana antoka ny fahalalahana ara-pinoana, dia mety mila mijoro amin'ny finoanao ianao. Ny fitokisana an'Andriamanitra sy ny fametrahana ny fisedrana eo am-pelatanany ihany no ahafahantsika miaina ireo fitahiana tsara indrindra omeny.
Ny Fetin'ny Tabernakely dia fotoana manokana ankalazaina amin'ny fifaliana lehibe. Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra dia izao no takiana: (Levitikosy 23:40b) « … mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. » Ny fety dia ampahany mahafinaritra sy mahaliana amin'ny fiainan'ny Kristiana. Izao ny adiresin'ny tranonkala ahitanao ny lahatsoratra isan-karazany avoakanay: https://www.fiamiray.blogspot.com sy https://www.revuebn.org
Ahoana no fomba ankalazan'ny Kristiana ny
Fetin'ny Tabernakely ankehitriny?
Ity lesona ity dia manasongadina ny antony mahatonga ny fetin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra, fa tsy ny Jiosy ihany. Ny Fetin'ny Tabernakely dia fotoana tena mahafaly izay maneho mialoha ny fotoana fifaliana lehibe aorian'ny fiverenan'i Jesosy Kristy. Moa ve ianao tsy miandrandra ny ho faly rehefa soloina amin’ny fanjakan'Andriamanitra nambara mialoha ity tontolo ankehitriny ity, miaraka amin'ireo olana sy zava-tsarotra atrehiny?
Imbetsaka i Jesosy no nampianatra momba ny fanjakany nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Ny fiverenany koa dia ho fotoam-pijinjana ara-panahy lehibe amin'ny sehatra manerantany, satria hitondra ny fanjakan'Andriamanitra amin'ireo firenena sy olona ambonin'ny tany Izy, hiaina eo ambanin'ny fanapahany marina. Ny Fetin'ny Tabernakely dia maneho ny fotoana hiverenan'i Jesosy hitondra an'izao tontolo izao mandritry ny 1000 taona. Ho fotoana fandriam-pahalemana sy firindrana tsy manam-paharoa izany. Tena mahafinaritra tokoa ny fankalazana azy!
Ny faminaniana ao amin'ny Baiboly dia milaza hoe : (Zakaria 14:16) « Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. ». Eritrereto izany! Lazain'Andriamanitra fa ho avy ny fotoana hankalazan'izao tontolo izao ny fety!
Amin'ny fiverenan'i Kristy, dia hapetraka ny fototra amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny zava-drehetra ho amin'ny fihavanana sy ny firindrana amin'Andriamanitra. Ny Fetin'ny Tabernakely dia tandindon'ny tontolo miova izay hitenenan'olona hoe: "Andao isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho ao an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny lalany sy handehanantsika amin'ny atorony. Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy, ka hampiaiky firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2: 3-4)
Amin'izay fotoana izay dia handray anjara amin'ity fivoriana fanao isan-taona ity ny firenena rehetra. Izao tontolo izao dia hianatra ny fitiavan'Andriamanitra. Noho ny Fanahy Masin'Andriamanitra ao amin'izy ireo dia afaka miditra sy miaina mifanaraka amin'ny fomban'Andriamanitra izy ireo. Ny olombelona tafaray amin'Andriamanitra dia hanana fifandraisana tsara amin'ny Mpamorona azy amin’izay.
Ankalazao
ary ny Fetin'Andriamanitra!
Ny Fetin’ny Tabernakely dia fanambarana mialoha fotoana tsy manam-paharoa. Mahavariana ny sary asehon’ity fety Kristiana ity, ary ny lesona azo tsoahana avy aminy dia hanova ny fomba fieritreretana ny Planin’Andriamanitra momba ny fiainanao.
Ny fankalazana ny Fety dia ahazoantsika an-tsaina ny tontolo ho avy : fahitana tontolo ho avy tsy manam-paharoa. Manokana fotoana bebe kokoa hianaranao momba izany. Aza avela ho very fotsiny io fotoana tsara sy mahafinaritra ara-panahy io. Mino aho fa ho toy ny fanamabaram-pinoana matanjaka ho anao ny fankalazanao ny Fetin’ny Tabernakely.
Aza hamaivanina ny dikan’io fety io amin’ny fiainanao. Azonao atao, dieny izao, ny manomboka miaina izay nomanin’Andriamanitra ho anao. Hararaoty io fotoanan’ny Fetin’ny Tabernakely io hampitomboana ny aim-panahinao amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Dingana lehibe hampirindrana ny fiainanao amin’ny an’Andriamanitra izany, sy hiomananao ho amin’ny fiainana mandrakizay.