Fitsofana Trompetra Mbola Ho Avy

FETY SY ANDRO MASINA FITSOFANA TROMPETRA

 

 

 

Fitsofana Trompetra Mbola Ho Avy

 

 

 

 

 

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Nomery 10:1-10

Matio 24:19-31

Apokalypsy 11:15-19

 

 


 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Nomery 10:1-10

[Ny trompetra volafotsy]tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely

(Nomery 10:1) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Nomery 10:2) « Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonanasy ho fampiainganao ny toby ireo. »(Nomery 10:3) « Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra. »(Nomery 10:4) « Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao. »(Nomery 10:5) « Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana. »(Nomery 10:6) « Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany. »(Nomery 10:7) « Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana. »(Nomery 10:8) « Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany. »(Nomery 10:9) « Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo. »(Nomery 10:10) « Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo. »

Matio 24:19-31

[Ny nanambaran’i Jesosy ny handravanaan’i Jerosalema sy ny hihaviany indray]

(Matio 24:19) « Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro iro! »(Matio 24:20) « Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. »(Matio 24:21) « Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. »(Matio 24:22) « Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. »(Matio 24:23) « Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, at Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo. »(Matio 24:24) « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. »(Matio 24:25) « Indro, voalazako aminareo rahateo izany. »(Matio 24:26) « Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. »(Matio 24:27) « Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. »(Matio 24:28) « Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery. »(Matio 24:29) « Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. »(Matio 24:30) « Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. »(Matio 24:31) « Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany* efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra] »

 

Apokalypsy 11:15-19

[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan’ny loza fahatelo]

(Apokalypsy 11:15) « Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. »(Apokalypsy 11:16) « Ary ny loholona* fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* presbytera] »(Apokalypsy 11:17) « nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. »(Apokalypsy 11:18) « Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty*, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany. »[*Na ny firenena]. (Apokalypsy 11:19) « Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy. »

 

TORITENY

Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray


Fitsofana Trompetra Mbola Ho Avy

Ny andian-java-miseho mahaliana indrindra amin'ny tantaram-piainan'ny olombelona dia hiantomboka amin’ny feon'ny trompetra. Ity tranga mampientam-po ity dia hiseho mandritry ny fiainan'ny maro amin'ireo mandalina ity lesona ity. Inona no asehon'ireo feona trompetra ireo? Rahoviana izy ireo no hitranga ary inona no ambarany ho an’ny tena Kristianina?

Ny Apokalypsy 8 sy 9 dia ahitana ny ankamaroan'ny fampahalalana mifandray amin'nytrompetra enina voalohany. Ny toko 10 sy 11 dia manome fampahalalana fanampiny momba ny trompetra fahafito. Misy toko sy andininy avy ao amin'ny Soratra Masina mitantara ity vanim-potoana ity ihany koa, indrindra fa ny trompetra fahafito sady farany. Ilaina ny hamaritana ny dikan'ireo trompetra ireo sy ny hahafantarana ny toerany ao anatin'ny lamin'asa ara-paminaniana amin'ny fotoana farany, mba hahitana ny filaharan'ny fisian'ireo tranga voalaza ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy.

Ny Apokalypsy 4 dia mamaritra ny Apositoly Jaona nentin’ny fahitana ho any an-danitra, izay itoeran'Andriamanitra; tao izy dia afaka nibanjina an’Andriamanitra Ray teo amin'ny seza fiandrianany, voahodidin'ny mpitsara miaraka aminy any an-danitra.

Ny Apokalypsy 5 dia mirakitra fa nahita ny horonam-boky notazonin’Andriamanitra teo an-tanany i Jaona, ary voasoratra « tao anatiny sy teo ivelany», misy tombo-kase fito. Rehefa afaka kelikely, dia nolazaina tamin’ny Apositoly Jaona fa ny Zanakondrin’Andriamanitra - Jesosy Kristy - dia izy irery, tany an-danitra sy teto an-tany,no afaka nanokatra ireo tombo-kase ireo.

Ny Apokalypsy 6 dia mitantara ny fanokafana ny tombo-kase enina voalohany.

Taorian'ny fanokafana ny tombo-kase tsirairay dia hitan'i Jaona tamin'ny fahitana ilay sary an'ohatra momba ireo fisehoan-javatra ara-paminaniana mifandraika amin'izany.

Ho an'ny tombo-kase efatra voalohany, dia hitan'i Jaona, fa misy soavaly hafa sy izay mpitaingina azy isaky ny tombo-kase. Tahaka ny efa nianarantsikatamin’ny lesona faha-3 amin'ity fianarana ity,ny soavaly fotsy dia mampiseho ilay mpaminany sandoka, ny soavaly mena no manambara ny ady, ny mainty maneho ny mosary, ary ny soavaly maitso miaraka amin’ny mpitaingina azy dia tandindona vanim-potoana iray ianjadian’ny aretina sy ny fahafatesana.

Rehefa nosokafana ilay tombo-kase fahadimy dia hitan'i Jaona fa hisy koa ny fotoana izay hamonoana ireo olo-masina. Ny andininy hafa dia milaza an'ity fotoana ity ho "andro mahory".

Ny fanokafana ny tombo-kase fahenina dia mitondra ny fahitana ireo famantarana eny amin’ny lanitra, izay manomana ny sehatra hiavian'ny Andron'ny Tompo (Apokalypsy 6: 12-17, Matio 24:29).

(Apokalypsy 6:12) « Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. »(Apokalypsy 6:13) « Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy. »(Apokalypsy 6:14) « Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany. »(Apokalypsy 6:15) « Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra; »(Apokalypsy 6:16) « ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry; »(Apokalypsy 6:17) « fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany] »

 

(Matio 24:29) « Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. »

Ny Apokalypsy faha-7 dia mamaritra ny fisehoan-javatra iray izay hitranga aorian'ny famantarana eny amin’ny lanitra ambaran'ny tombo-kase fahenina, ary alohan'ny fisokafan'ny tombo-kase fahafito ao amin'ny Apokalypsy 8: 1. Ity hetsika ity dia manamarika ny fametahana tombo-kase amin’ny olona 144000, avy amin'ny foko Isiraely, izay harovana amin'ny atambo, sy ny loza amin'ny Andron'ny Tompo. Rehefa avy nohazavaina tamin'i Jaona fa ireto voaloham-bokatra 144000 ireto dia hatokana mba hiarovan'Andriamanitra azy, dia nomena fahitana indray izy,mampahafantatraireo izay navotana sy mitsangana eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, amin'ny fiafaran'ny Planina lehiben’Andriamanitra.

Ny Apokalypsy 8: 1-2 dia mampiseho fa ny fitambaran’ireo trompetra fito ireo no mamorona ny tombo-kase fahafito, fotoana antsoina hoe Andron'ny Tompo na fotoan’ny fahatezeran'Andriamanitra. Izy ireo no maneho ny sazy amin’ny andro farany, ampiharina amin'ny firenena mpikomy, izay manohy tsy miraharaha ireo fampitandremana nambaran'ny tena mpanompon'Andriamanitra.

[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] (Apokalypsy 8:1) « Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. »(Apokalypsy 8:2) « Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. »

360j = 24h

Firy andro ny antsasaky ny ora ?

(360/24)*0,5 = 7,5 jours

Ny Apokalypsy 8 dia mamaritra, amin'ny heviny ara-panoharana, ireo zava-mitranga vokatry ny fitsofana ny trompetra efatra voalohany. Ny ankamaroan'ireo zavamaniry, anisan'izany ny ampahatelon'ny hazo, dia ho levona aorian'ny trompetra voalohany. Ny trompetra faharoa dia hahatonga ny fahapotehana faobe any amin'ny ranomasina. Ho tafiditra amin'izany ny fahafatesan'ny ampahatelon'ny fiainana an-dranomasina,ary hisy fanelingelanana ny fifamoivoizana an-dranomasina. Ny trompetra fahatelo dia manambara ny fahasimban’ny ampahatelon'ny rano mamy, ary ny trompetra fahefatra dia manamarika ny fikorontanana amin'ny faharetan'ny andro sy ny alina.

Ny Apokalypsy 9 dia miresaka ny trompetra fahadimy sy fahenina. Ireo trompetra roa ireo dia manambara ny fihetsehan'ny asan'ny demonia, izay notazonina mandra-pahatongan'izany, ka nahatongafandringanana be dia be tamin'ny ampahany lehibe amin'ny zanak'olombelona. Aorian'ny fitsofana ny trompetra fahadimy dia hampandeha fanafihana faobe ny herin'ilay bibi-dia, natao hanakenda ny Atsinanana, mba hifehezana tanteraka an'izao tontolo izao. Ny trompetra fahenina dia mifanandrify amin'ny fanafihan'ny firenena tatsinanana (valifaty), angamba amin'ny alàlan'ny fitaovam-piadiana niokleary izay hitarika ny ampahatelon'ny olombelona ho faty.

Ny fanenoan’ny trompetra fahafito, voalaza ao amin'ny Apokalypsy 11:15, dia hitondra ny firotsahan'Andriamanitra an-tehatra farany.

[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny loza fahatelo] (Apokalypsy 11:15) « Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. »

Ity trompetra ity dia hanambara ny fiverenan'i Jesosy Kristy, ny fanamelohana farany ataon'Andriamanitra, ny fandreseny ireo firenena, ary ny fitsanganan'ny olona masina ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ho famantarana ihany koa ny fadrotsahana ny lovia izay misy ny loza fito farany amin'ny olombelona mpikomy (Apokalypsy 16). Ireo loza fito farany ireo dia ho avy aorian'ny fampanenoana ny trompetra farany, ary alohan'ny famatorana sy fanagadrana an'i Satana (voalaza ao amin'ny Apokalypsy 20: 1-3).

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] (Apokalypsy 20:1) « Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; »(Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, »(Apokalypsy 20:3) « dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »

Ny fitsofan’ny anjely ny trompetra fitoavy any an-danitra dia mampiseho tsikelikely ny fanambarana ireo fisehoan-javatra izay hitranga mandritry ny vanim-potoan’nyfahatezeran'Andriamanitra, ny Andron'ny Tompo - taona farany amin'ny fitondram-panjakana ratsy ataon'ny olombelonatarihin’i Satana. Ity vanim-potoana fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ity, izay mifarana amin'ny fiverenan'i Kristy,ambaran’ny fitsofana ny trompetra farany (1 Korintiana 15:45-53, 1 Tesaloniana 4:13-18).

[Ny amin'ny fitsanganan'ny maty](1 Korintiana 15:45) « Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona. »(1 Korintiana 15:46) « Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy. »(1 Korintiana 15:47) « Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra. »(1 Korintiana 15:48) « Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra. »(1 Korintiana 15:49) « Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa. »(1 Korintiana 15:50) « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. »(1 Korintiana 15:51) « Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, »(1 Korintiana 15:52) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. »(1 Korintiana 15:53) « Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. »

[Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] (1 Tesaloniana 4:13) « Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. »(1 Tesaloniana 4:14) « Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] » (1 Tesaloniana 4:15) « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. »(1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; »(1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. »(1 Tesaloniana 4:18) « Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany. »

Ireo no asehon'ny fankalazana isan-taona ny fetin'ny trompetra. Ity andian’ny hetsika amin'ny fotoana farany ity, dia mety hanomboka sy hifarana amin'ny Fetin’ny Trompetra, tahaka izay niseho tany am-boalohany, satria ny Andro Masina tany am-piandohana dia nianjera tamin'ny fotoan'ireo hetsika nifandray taminy. Na hoana na ahoana anefa,ny Fetin'ny Trompetra, dia fampahatsiarovana isan-taona ny hidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny raharahan'izao tontolo izao, ary koa ny fotoana handovan'ny olo-masina ny fiainana mandrakizay amin’ny voninahitra!