Andro Lehibe Farany: Fitsaran'ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe

 ANDRO LEHIBE FARANY

 

Fitsaran’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isa 65: 17-25

Matio 12:38-45

Apok 20: 7-15

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isa. 65: 17-25

[Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka]

(Isaia 65:1) « Notadiavin'zay tsy naniry Aho, sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho! » (Isaia 65:17) « Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. » (Isaia 65:18) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. » (Isaia 65:19) « Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. » (Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] » (Isaia 65:21) « Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. » (Isaia 65:22) « Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. » (Isaia 65:23) « Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa] » (Isaia 65:24) « Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. » (Isaia 65:25) « Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa] »

Matio 12:38-45

[Ny nitadiavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo famantarana, sy ny navalin’i Jesosy azy]

(Matio 12:38) « Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. » (Matio 12:39) « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana;nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; » (Matio 12:40) « fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. » (Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azyfa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. » (Matio 12:43) « Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. » (Matio 12:44) « Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. » (Matio 12:45) « Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity. »

Apok. 20: 7-15

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona]

(Apokalypsy 20:7) « Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apokalypsy 20:8) « ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. » (Apokalypsy 20:9) « Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo avy amin'Andriamanitra)] » (Apokalypsy 20:10) « Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »

(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. » (Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

 

TORITENY SY FAMPIANARANA

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

Inona no hitranga amin'ny olona an-tapitrisany maty izay tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Voaheloka ho amin’ny famaizana mandrakizay ve izy ireo, na dia tsy nahazo anjara famonjena aza? Ny valin'io andin-tsainamahazatra sy manahirana ankehitriny io dia aharihary ao amin'ny dikan'ilay Andro Lehibe Farany amin'ilay Planin’Andriamanitra.

Aorian’ny fanjakan'i Kristy arivo taona eto an-tanyny "sisa amin’ny maty" –dia ny olona izay niaina sy maty nandritra ny enina arivo taona tamin’ny tantaran'ny olombelona - dia hatsangana. Ny bokin'ny Baiboly –izany hoe ny fepetra hitsarana ny olombelona tsirairay - no hosokafana amin'ny fahalalan’ny rehetra, ary hosokafana indray ny Bokin'ny fiainana, mba hampidirana ny anarany. Rehefa nanana fahafahana hanaiky na handà ny famonjena ny olombelona rehetra vao ho tonga ny fitsarana farany ataon’Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny fandringanana ny ratsy fanahy tsy nibebaka. Aorian'ity didim-pitsarana ity dia ho avy ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay ho fiafaran'ny fiandohan'ny tantara, ary fidirana amin'ny mandrakizay!

 

FITSARAN’ILAY ZEZA FIANDRIANANA FOTSY LEHIBE

1. Inona no hitranga aorian'ny fikomiana farany ataon'i Satana sy fanasasaziana azy? Apok. 20: 11-12. (Fikomian’i Satana farany: Fitarihany ny olombelona manao ny ady lehbe faha-3; Fanasaziana azy: Migadra any amin’ny lavaka tsy hita noanoa: Apo 20:1-3).

(Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »

Iza ireo olona mitsangana eo anoloan'ity SezaFiandrianana Fotsy Lehibe ity? Andininy 12. Jereo koa ny Daniela 7: 9-10.

(Daniela 7:9) « Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. » (Daniela 7:10) « Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. »

FanamarihanaNy maty izay mijoro eo anatrehan'Andriamanitraireto dia tsy ho ireo tena Kristiana ankehitriny, satria izy ireny dia hiseho eo anolohan'i Kristy, ary handray ny valisoany amin'ny fitsanganana voalohany, rehefa hiverina i Kristy. Tsy ireo olona niova fo nandritra ny Fanjakana Arivo Taona koa ireo voalaza ao amin'ireo andininy etsy ambony ireo, satria izy ireny dia efa nandova ny Fanjakan'Andriamanitra nandritra ny 1000 taona, taorian'ny androm-piainany ara-dalana.

 

Ny Apokalypsy 20: 11-12 dia miresaka momba ny fitsanganana faharoa - fitsanganana amin'ny fiainana mety maty, ho an'ireo rehetra maty tao anatin’ny tsy fahalalana ara-panahy, tamin'ny fotoana talohaAmin’izao kosa dia tonga ny fotoam-pamonjena azy ireo!

2. Iza no hatsangana amin’ity Fitsarana Lehibe Farany ity? Mat. 11: 21-24. 

(Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. » (Matio 11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. » (Matio 11:23) « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:24) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. »

Moa ve ireo rehetra ireo hitsangana amin'ny fotoam-pitsarana? Mat. 12: 41-42.

(Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. »

Fanamarihana: Niresaka momba ny fotoam-pitsarana i Jesosy ka homena fotoana hahafantarana ireo zavatra notoriny tamin'ny mponin'i Korazina, Betsaida ary Kapernaomy ireo olona tranainy ireo. Izy ireo koa dia handre ny Filazantsara!
Kristy dia nanonona ny mponina tao Tyro sy SidonaSodoma, sy Ninive tamin'ny andron'i Jona, ary ny Mpanjakavavy avy any Atsimo (Etiopia). Ireo ohatra rehetra momba ny olona izay niaina tamin'ny taranaka samy hafa ireo, dia ampitahain’i Jesosy amin'ireo izay niaina tao amin'ireo tanàna sy tanàn-dehibe tamin'ny androny, izay tsy nahazo, na tsy nino ny hafatra nentiny ny ankamaroany. Nilaza i Jesosy fa hatsangana amin'ny maty miaraka amin’ireo taranaka niara-belona taminy ireo rehetra ireo!
ð Mila vakina indray ny tantaran’i Jona 1 sy 2 ary hazavaina tsara izay niseho tamin’i Jona mpaminany, satria nomen’i Jesosy ho famantarana momba ny Mesia marina izy!
Nanome ohatra betsaka momba ny olona niaina tamin'ny fotoana samy hafa i Jesosy, mba hanaporofoana fa hatsangana amin'ny maty miaraka eto an-tany ny ankamaroan'ny olombelona. Hisy lehilahy sy vehivavy talohan'ny Safo-drano, sy ireo foko 12 an'ny Isiraely, ireo izay niaina tamin'ny Moyen Âge,ary ny ankamaroan’izay miaina amin'izao fotoana izao.
Na ny zazakely, na ny ankizy izay maty mialohan’ny fotoana, dia hitsangana amin'ny maty avokoaSamy hitsangana, amin'ny maty amin’ny fitsanganana faharoa izy ireo, satria tsy nantsoin Andriamanitra nandritry ny androm-piainany voalohany. Ity vondrona ity dia ahitana ny olona tamin'ny fotoana rehetra, afa-tsy ireo izay efa naterak'Andriamanitra, sy ireo olona vitsy izay efa nanana fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay, saingy nandà izany tamim-pahavitrihana sy nanota an-tsitrapo. Ireo vitsy ireo dia hitsangana amin'ny fitsanganana fahatelo sady farany, ary ho ringana ao amin'ny farihy afo (Apok. 20: 13-15).

(Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

3. Moa ve i Ezekiela mpaminany nitantara fitsanganan'ny taranak’Isiraely efa maty ho amin'ny fiainana nofo aman-dra? Ezek. 37: 11-13.

(Ezekiela 37:11) « Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. » (Ezekiela 37:12) « Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; » (Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. »

Tena fitsanganana amin'ny fiainana ara-batana ve izany: manana nofo, hoditra sy taolana ny vatana, ary mila rivotra? Ezekiela 37:5-9.

(Ezekiela 37:5) « Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6) « ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela 37:7) « Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. » (Ezekiela 37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. » (Ezekiela 37:9) « Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. »

4. Hanome ny Fanahiny ho an'ireto olona an-tapitrisany ireto ve Andriamanitra? Ezekiela 37: 14.

(Ezekiela 37:14) « Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. »

Hatsangana amin'ny maty koa ve ny Jentilisa ary hiverina amin'ny “taniny taloha”? Ezek. 16:55.

(Ezekiela 16:55) « Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa. »

Fanamarihana: Isiraely dia ohatra amin’ny firenena rehetra. Ny faminanian'i Ezekiela dia mamaritra fotoana, izay hanomezana anjara famonjena,ho an’ny Isiraely sy ny hafa firenena izay maty tamin’ny tsy fahalalana ara-panahy.
5. Moa ve ny Apostoly Paoly manazava amin'ny Jentilisa fa mandra-pahatonga azy ireo ho voavonjy amin'ny alàlan'i Kristy, dia tsy manana fanantenana hiaina mandrakizay izy ireo? Efes. 2: 11-12.

[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana]

(Efesiana 2:11) « Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - » (Efesiana 2:12) « eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; »

Moa ve Andriamanitra minia tsy mijery ny otan’ny olona tamin’ny andron’ny tsy fahalalany? Asan’ny Apostoly 17:30.

(Asan'ny Apostoly 17:30) « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka. »

Fa raha vao notorina ho takatra ara-panahy kosa ny Planin’Andriamanitra amin’ny Famonjena, sy ny Fanjakan’Andriamanitra, dia inona no didy ho an’ny olona rehetra? Io andianiny io ihany: « fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka. »

Ny ankamaroan'ny zanak'olombelona dia hatsangana miaraka amin'ny fotoana iray, eto amin'ity tany ity. . . . Samy hitsangana amin'ny maty amin’ny fitsanganana faharoa izy rehetra.