Fitsanganana Fahatelo sy Fahafatesana Faharoa

 

FITSANGANANA FAHATELO SY FAHAFATESANA FAHAROA

 

Tenin’Andriamanitra

Ezekiela 18:29-32

Matio 25:24-30

Apokalypsy 20:13-15

 

Tenin’Andriamanitra

Ezekiela 18:29-32

[Ny famalian’Andriamanitra ny olona arakany asany avy]

Ezekiela 18:29 Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb. lalana] 30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah TompoMitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.

Matio 25:24-30: Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hœ: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao; (Matio 25:24) dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. (Matio 25:25) Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hœ: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; (Matio 25:26) koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. (Matio 25:27) Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. (Matio 25:28) Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. (Matio 25:29) Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. (Matio 25:30)

 Apokalypsy 20:13-15: Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] (Apokalypsy 20:13) Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] (Apokalypsy 20:14) Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. (Apokalypsy 20:15)

 

 TORITENY

Dr.Daniel Rakotondravony, Fiangonan’Andriamanitra Miray

Ny tanjon’Andriamanitra tamin’ny namoronany ny olombelona dia ny hahatonga azy ireo ho zanany, handova ny fanjakany sy hiara-mitantana aminy ny zavatra rehetra noforoniny (Gen 1:26-28).

(Genesisy 1:26) « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (27) « Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. » (28) « Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany. »

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia miteraka amin’ny alalan’ny olombelona Andriamanitra, ary fikasany ny hiarahan’izy ireo mitantana aminy ny zavaboary noforoniny. (Salamo 82:1-6; Romana 8:17-19)

(Salamo 82:1-9) « [Ny fitsaran'Andriamanitra ny mpitsara ety an-tany] Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny Fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany. » (2) « Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? » (3) « Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; » (4) « Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy. » (5) « Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra. » (6) « Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra; » (7) « Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe. » (8) « Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra. »

(Romana 8:17-19) « Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (18) « Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. » (19) « Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; »

Tsy sitrak’i Jehovah ny hahavery mandrakizay ny mpanota; koa dia miantso azy ireo hibebaka Izy, mba tsy ho tratry ny fahafatesana faharoa (Ezekiela 18:30-32).

30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah TompoMitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.

Tsy maintsy ateraka indray anefa izy vao ho tanteraka izany. (Jao 3:3-8)

(Jaona 3:3) « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (4) « Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (5) « Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (6) « Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. » (7) « aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] » (8) « Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. »

 

Matio 25:24-30

[Ny fanoharana ny amin’ny talenta]

Matio 25:24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay nanahafanao; 25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. 26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako; 27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. 28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. 29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. 30 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

 

 

Tahaka ilay mpanompo tsy nanao na inona na inona tamin'ny talentany (Mat. 25: 24-30), ny olona sasany dia tsy hahomby amin'ny fikasan'Andriamanitra ho azy ireo. Koa hanjary voahazona izy ireo noho ny tsy firaharahany sy ny fahotany, ary na inona na inona azon'Andriamanitra atao mba hanandrana manitsy azy ireo, dia tsy te hibebaka mihitsy izy!

Andriamanitra manome ho an’ny tsirairay ny fanampiana rehetra, ny fampaherezana, ary ny fomba hampahomby azy, izay ilainy handovana ny fiainana mandrakizay. Tsy hitsahatra manampy olona mihitsy Andriamanitra! Ireo olona ireo kosa anefa dia miala amin'Andriamanitra! Angamba noho ny fangidiana, na ny fandavana hamela ny heloky ny hafa, na ny tsy firaharahana ny vavaka sy ny fianarana Baiboly, dia natsahatr’izy ireo ny famelana an'Andriamanitra hamorona toetra-panahy tsara ao anatiny! Asehon'izy ireo amin'ny ataony ary fa tsy tena maniry ny hanana fiainana mandrakizay ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra izy ireo.

è Ary noho izany, amin'ny fitiavana, dia tsy homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay izy!

 

Apokalypsy 20:13-15

[Ny fitsanganana amin’ny maty fahatelo sy ny fahafatesana faharoa]

(Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

 

 

Inona no fahotana tsy ahazoana famelan-keloka? Ny olona minia manota rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy mahazo famelan-keloka (Hebreo 10:26). Nahazo fahalalana ara-panahy ny làlan'Andriamanitra sy nahazo ny fitahian'izany fomba izany, nefa manapa-kevitra fa tsy mila izany intsony izy, manova ny toe-tsainy, minia misafidy fiainana hikomy, manao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, dia tsy hahazo famelan-keloka, satria tsy hibebaka amin'izany izy! Andriamanitra tsy hanome fiainana mandrakizay ho an'izay miziriziry amin’ny fomba fiainan'i Satana. Atsangana amin’ny maty izy, saingy dorana avy hatrany ao amin’ny farihy afo. Izany no fitsanganana fahatelo sy fahafatesana faharoa, izay hitranga aorian'ny famonjena izay rehetra azo vonjena.

(Hebreo 10:26) « Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. »

 

SEKOLY SABATA

Andriamanitra Mahery Indrindra, amin'ny fahendreny, dia nandahatra ny fomba tsara indrindra ho an'ny olombelona, amin'ny fotoana rehetra sy ny firenena, mba hahazoana famonjena sy handova ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fianakaviany.

Ny Planin’Andriamanitra dia tsotra sy mahomby; ary amin’ny dingana roa farany amin’io Planina io, ny ankamaroan'ny olombelona rehetra dia hibebaka amin'ny ota, ary hitodika amin'Andriamanitra, ary hanaiky ny fitarihany sy ny fitondrany.

Saingy na izany aza, tsy azo antoka ho an’ny rehetra ny famonjena. Amin'ny olona rehetra eto an-tany, dia vitsy ny olona tsy hahomby amin'ny Planin'Andriamanitra. Tsy hahomby izy ireo satria mihirimbelona amin’ny làlany, izany hoe ny làlan'ny fahafatesana (Ohab. 14:12). Izy ireo dia maharitra amin'ny fiainana feno fikomiana sy mpanota, mahatonga ny tenany sy ireo manodidina azy ho fadiranovana.

(Ohabolana 14:12) « Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany. »

1. Ireo olona nantsoin'Andriamanitra handray ny fahalalana momba ny famonjena ka manota an-tsitrapo dia tsy homena fotoana faharoa famelan-keloka. Heb 10: 26-29; 6: 4-6.

(Hebreo 10:26) « Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Hebreo 10:27) « fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. » (Hebreo 10:28) « Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; » (Hebreo 10:29) « manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? »

(Hebreo 6:4) « Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina » (Hebreo 6:5) « ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, » (Hebreo 6:6) « nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. »

Mihatra izany famaizana izany, rahanahafantatra mialoha ny fahamarinan'Andriamanitra izy ireo. Heb 10:26.

(Hebreo 10:26) « Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. »

Fanamarihana: Havelan’Andriamanitra ny fahotana rehetra izay nibebahana - na dia niverimberina ny fahotana noho ny fahalemena, na ny fakampanahy, na ny fahazarana. Raha toa ny faniriana sy ny eritreritra ary ny toetry ny olona iray dia ny hankatò an'Andriamanitra, ka mibebaka izy, dia hamela ny helony Andriamanitra (I Jaona 1: 9).

(1 Jaona 1:9) « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. »

Nilaza i Jesosy fa tokony hamela ny heloky ny rahalahintsikahatramin’ny impito amby fito-polo isika (Mat. 18: 21-22).

(Matio 18:21) « Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? »(Matio 18:22) « Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito] »

Mbola mamela heloka bebe kokoa noho izany Andriamanitra!

Ka inona ilay fahotana tsy ahazoana famelan-keloka? Raha nahazo fahalalana ara-panahy ny làlan'Andriamanitra ny olona iray, ka nahazo ny fitahian'izany fomba izany, nefa manapa-kevitra fa tsy mila izany intsony izy, manova ny toe-tsainy, minia misafidy fiainana hikomy, manao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra, dia tsy azo avela ny fahotany, satria tsy hibebaka amin'izany izy! Andriamanitra tsy hanome fiainana mandrakizay ho an'izay miziriziry amin’ny fomba fiainan'i Satana.

Ny olona toy izany dia nantsoin'Andriamanitra manokana sy nomena ny Fanahiny, saingy tamin'ny fotoana manaraka dia ninia nanota, ary ninia nandà izany Fanahin’Andriamanitra izany! Angamba noho ny fangidiana, na ny fandavana hamela ny heloky ny hafa, na ny tsy firaharahana ny vavaka sy ny fianarana Baiboly, dia natsahatr’izy ireo ny famelana an'Andriamanitra hamorona ny toetrany ao anatiny.

Tahaka ilay mpanompo tsy nanao na inona na inona tamin'ny talentany (Mat. 25: 24-30), ny sasany dia tsy nahomby tamin'ny fikasan'Andriamanitra ho azy ireo. Izy ireo dia nanjary voahazona tamin'ny tsy firaharahany sy ny fahotany, ary na inona na inona azon'Andriamanitra atao mba hanandrana manitsy azy ireo, dia tsy te hibebaka mihitsy izy ireo.

Omen’Andriamanitra ho an’ny tsirairay ny fanampiana rehetra, ny fampaherezana, ary ny fahafahana mahomby, izay ilainy handovana ny fiainana mandrakizay. Tsy hitsahatra manampy olona mihitsy Andriamanitra! Ireo olona ireo kosa anefa dia miala amin'Andriamanitra! Asehon'izy ireo amin'ny ataony fa tsy tena maniry ny hanana fiainana mandrakizay ao amin'ny Fianakavian'Andriamanitra izy ireo; ary noho izany, amin'ny fitiavana, dia tsy hanome azy ireo fiainana mandrakizay Andriamanitra.

Mba hiantohana ny fandriampahalemana, ny fanambinana, ny fahasambarana ary ny fahombiazana mandritry ny mandrakizay, dia tsy avelan'Andriamanitra ireto olona tia tena ireto hanao fiainana ratsy ho an'ny hafa manodidina azy. Na dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra tokoa ny fahafatesan'ny ratsy fanahy (Ezek 18: 31-32), ireo olona mpanota ireo dia tokony hesorina. Tsy tokony havela hanimba ny fahasambarany sy an’ny olon-kafa intsony izy ireo. Aoka ho azontsika ny zavatra hitranga amin'izy ireo aorian'ny Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

2. Aorian'ny fizahan-toetra 100 taona, moa ve ireo vitsy izay miziriziry ho maditra dia ho voaozona? Isa. 65:20.

(Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] »

Inona no hitan'ny Apostoly Jaona niseho avy hatrany rehefa vita ny fotoam-pitsapana farany? Apok. 20: 13-15.

(Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. »

 

 

 

 

 

Fanamarihana: Izany no fitsanganana fahatelo. Hitranga izany aorian'ny famonjena izay rehetra azo vonjena. Ireo ratsy fanahy rehetra izay nandika an-tsitrapo ny lalan'Andriamanitra ary maty tamin'ny fahotany dia hatsangana amin'ny fiainana ara-batana. Hita miharihary ny toe-tsain'izy ireo. Tsy hisy hitaky mihitsy ireo olona ireo hoe voaheloka tsy ara-drariny. Tsy hisy hibebaka na iray amin'izy ireo. Hiseho eo anoloan'ny toeram-pitsaran'i Kristy izy ireo mba hahazoany ny sazin’ny fahafatesana ao amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesany faharoa. Tsy hitsangana amin'ny maty intsony izy ireo.

3. Moa ve ireo rehetra izay mandà tsy hibebaka, ary ireo izay miziriziry amin'ny fandikana ny didin'Andriamanitra hahita ny tenany ao anaty farihy "afo sy solifara"? Apok. 21: 8; Dan. 12: 2; Mal. 4: 1-3.

(Apokalypsy 21:8) « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. »

(Daniela 12:2) « Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin'ny henatra sy ny latsa mandrakizay. »

(Malakia 3:19) « Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. »(Malakia 3:20) « Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany] »(Malakia 3:21) « ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izy amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. »

Fanamarihana: Nilaza i Jesosy fa ny hiafaran'ireo ratsy fanahy dia ho any amin’ny afon’i gehena (Marka 9: 43-48).

(Marka 9:43) « Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena] » (Marka 9:44) « * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] » (Marka 9:45) « Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo. » (Marka 9:46) « * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] » (Marka 9:47) « Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; » (Marka 9:48) « any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. »

Ny afon’i Gehena sy ny farihy afo dia mitovy. Mety hanana endrika farihy mirehitra afo io afo io. Maty indray mandeha ny olona iray dia izay, satria rehefa avy eo izy, na velona mandrakizay, na maty mandrakizay (Heb. 9:27).

(Hebreo 9:27) « Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana. » è Atsangana amin’ny maty ilay olona vao afaka ho tsaraina, fa tsy misy fitsarana azo atao amin’ny faty!

Fa raha misy maty amin’ny fahafatesana faharoa aorian'ny vanim-potoana 100 taona, dia hotsarain'Andriamanitra sy Kristy izy ka meloka noho ny tsy fankatoavana maharitra, sy ny fikomiana tsy azo ahitsy. Ny fahafatesana faharoa dia ho mandrakizay!

Aorian'ny vanim-potoana Fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe, ny olona rehetra dia efa nanana fotoana feno nanaporofoana ny tenany. Ny maro an'isa dia efa nanolo-tena ho an'Andriamanitra, ary handray ny fanomezana fiainana mandrakizay. Talohan’ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, dia an-jatony tapitrisa ireo izay mendrika hanana andraikitra amin'ny fanjakan'Andriamanitra; olona an-tapitrisany maro kosa ireo izay hanana andraikitra mitovy amin'izany mandritry ny fitondran’i Kristy arivo taona eto an-tany; ary an'arivony tapitrisa ireo izay mahafeno fepetra mandritry ny fe-potoana 100 taona fitsarana farany. Ireo rehetra ireo dia ho mpikambana ao amin’ny Fianakavian'Andriamanitra ara-panahy.

Ny vitsy an'isa mpikomy tsy nibebaka dia hihaona amin'ny Mpitsara azy amin'ny fitsanganana fahatelo. Ho faranana ny fiainan'izy ireo tsy maharitra. Ny farihy afo dia handany azy “vatana sy fanahy”, miaraka amin’ny asa ratsin'izy ireo, sy ny tarehin’ny tany manontolo.

Ireo izay nahazo fiainana ara-panahy ihany no ho afaka mandositra ity fandringanana eran-tany ity, izay handevona ny rehetra mety simba ara-batana. Izay rehetra sisa amin'ireo ratsy fanahy sy ny tontolony dia ho lavenona eo ambany tongotr'ireo zanak'Andriamanitra nateraky ny Fanahy.

4. Inona no zava-nitranga ara-tantara nampitahain’ny Apostoly Petera amin’ity farihy afo mandevona izao tontolo izao ity? II Pet. 3: 5-7, 10-12

(2 Petera 3:5) « Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, » (2 Petera 3:6) « ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; » (2 Petera 3:7) « fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. »

(2 Petera 3:10) « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Petera 3:11) « Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Petera 3:12) « sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] »

Andriamanitra ve no nandringana ny olona tsy nankasitraka azy tamin'ny fiarahamonina tamin'ny andron'i Noa? Gen. 6: 12-13.

(Genesisy 6:12) « dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin'ny tany. » (Genesisy 6:13) « Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. »

Nefa ve Andriamanitra namonjy an'i Noa marina sy ny fianakaviany? Genesisy 6:9, 18,22; Gen. 7: 1

(Genesisy 6:9) « Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. »

(Genesisy 6:18) « Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. »

(Genesisy 6:22) « Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony. »

(Genesisy 7:1) « Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao. »

5. Moa ve i Jaona Mpanao Batisa nanambara mialoha ny fanaovana batisa anaty afo? Mat. 3:11

(Matio 3:11) « Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy

Fanamarihana: Ny batisa dia midika fandrobohana, ary ny batisa amin'ny afo dia ho fandrobohana anaty afo. Tahaka an’izao tontolo izao talohan'i Noa natao "batisa" nalentika tao anaty rano, dia toy izany koa, izao tontolo izao "hatao batisa amin'ny afo" rehefa feno ny Planin’Andriamanitra. Hodiovina amin'ny fahalotoan’ny ota ny tany rehetra, amin’ny alalan’ny batisan'ny afo.