Fitsaran'Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe: Ny ankamaroan'ny olona dia ho voavonjy

 FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO

 

 FITSARAN’ILAY SEZA FIANDRIANANA FOTSY LEHIBE

NY ANKAMAROAN’NY OLONA DIA HO VOAVONJY

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Isa 65: 17-25

Lioka 10:1-9

Apok 21: 1-8


Tenin'Andriamanitra: 

Isa. 65: 17-25

[Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka]

(Isaia 65:1) « Notadiavin'izay tsy naniry Aho, sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho! »

(Isaia 65:17) « Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. » (Isaia 65:18) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. » (Isaia 65:19) « Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. » (Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*. [Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] » (Isaia 65:21) « Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. » (Isaia 65:22) « Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. » (Isaia 65:23) « Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy*. [Na: Mbamin'ny terany koa] » (Isaia 65:24) « Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. » (Isaia 65:25) « Ny amboadia* sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa] »

Lioka 10:1-9

[Ny nanirahan’i Jesosy ny fitopolahy hialoha Azy]

(Lioka 10:1) « Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Lioka 10:2) « Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. » (Lioka 10:3) « Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia*.[* lopa] »(Lioka 10:4) « Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. » (Lioka 10:5) « Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin'ity trano ity. » (Lioka 10:6) « Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany. »(Lioka 10:7) « Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano. » (Lioka 10:8) « Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. » (Lioka 10:9) « Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. »

Apokalypsy 21:1-8

[Ny amin'i Jerosalema vaovao]

(21:1) «  Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (21:2) « Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (21:3) « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (21:4) « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (21:5) « Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. » (21:6) « Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. » (21:7) « Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. » (21:8) « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. »

 

TORITENY SY FAMPIANARANA

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


1. Nanombantombana ny andro farany amin'ny fotoam-pitsarana ny mpaminany Isaia, rehefa nandre ny antso handraisana amin'ny Planin'Andriamanitra ireo olona marobe hatsangana amin’ny maty. Ahoana ny fomba namaritany izany? Isa. 65: 1.

(Isaia 65:1) « Notadiavin'izay tsy naniry Aho, sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho! »

(Isaia 2:2) « Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:3) « Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. »

(Isaia 11:10) « Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra. »

(Isaia 55:5) « Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra hianao. »

(Salamo 22:27) « Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa. » (Salamo 22:28) « Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy. »

Ampiaharin’Andriamanitra amin’izoa andro farany izao izany faminaniana rehetra izany, satria ny Fanjakan’Andrimanitra notorin’i Jesosy Kristy dia famonjena ho an’ny firenena rehetra fa tsy ho an’ny taranak’i Abrahama ara-nofo ihany.

Ireto ohatra vitsy avy amin’ny Tetamenta Vaovao:Romana 9:24-26; 30;

(Romana 9:24) « dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, »(Romana 9:25) « araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); »

(Romana 9:26) « Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1). »

(Romana 9:30) « Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana? »

Fanampin’ireo ny Efesiana 2:12-13, mano hoe:

(Efesiana 2:12) « eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; » (Efesiana 2:13) « fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. »

2. Toy ny faminaniana rehetra momba ny Planin’ny Famonjena, dia misy fampiharana in-droa fara-fahakeliny ny teny voalazao ao amin’ny Isaia 65:1-25. Koa ireo olona marobe voalaza ao, izay nantsoin’Andriamanitra avy tamin’ny firenen-tsamy hafa, dia manambara:

a) antsika Kristiana marina ankehitriny, izay mino sy mankatò ary mitandrina ny teniny,

b) ny betsaka indrindra dia avy amin’ireo hatsangana amin’ny fitsanganana faharoa ka mino sy mankatò ary mitandrina ny tenin’ireo mpanjaka sy mpisorona tarihan’i Jesosy Kristy. Izy ireo dia anisan'izay fidin'Andriamanitra ho amin'ny Planiny Lehibe, ary omena anjara hiditra ao amin'ny fianakavian'Andriamanitra. Noho izany, omena fifandraisana akaiky amin'Andriamanitra Ray izy ireo. Isaia 65:22-24.

(Isaia 65:21) « Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. » (Isaia 65:22) « Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. » (Isaia 65:23) « Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany koa] » (Isaia 65:24) « Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. »

Fanamarihana: Alao an-tsaina hoe, raha azonao atao, ny fitalanjonan’ireo olona nitsangana tamin'ny fiandohan'ny vanim-potoana fitsarana farany. Ny olona tsirairay dia ho ao anatin'ny fotoam-pahatsiarovan-tsainy voalohany taorian'ny nahafatesany. Amin'ny voalohany izy ireo mety hieritreritra hoe any an-danitra, any amin’ny afobe, na any amin’ny afo fandiovana. Ny ankamaroany dia ho sahiran-tsaina. Tsy misy marina ny zava-drehetra nampianarina azy ireo momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Manoloana ny porofo tsy azo lavina fa diso izay nianarany taloha, sy ny lalam-piainany, dia vonona izy ireo hanomboka vaovao, sy hampianarina ny fahamarinana. Olona an-tapitrisany, tsy mbola nanana fampianarana ara-pivavahana na inona na inona, no hanomboka hianatra hatrany am-boalohany.

Iza no hampianatra an'ireo olona an'arivony tapitrisa ireo? Mpampianatra an-tapitrisany izay ho teraka tao amin'ny fianakavian'Andriamanitra tamin'ny fitsanganana voalohany sy nandritry ny Fanjakana Arivotaona! Ireo olona natsangana amin'ny fiainana an-tany ireo dia hanaraka ny fizotry ny fiovam-po, mitovy amin'ny an'ny Kristiana notorontoronina amin'ny andro ankehitriny. Hampianarina ny lalàn'Andriamanitra izy ireo, ary hianatra fa meloka izy noho ny ota, sy mendrika ny fanamelohana ho faty.

Hianatra ny famindram-pon'Andriamanitra izy ireo, ary i Kristy no efa nandoa ny sazy tokony ho azy, raha eken’izy ireo izany fisoloana nataony izany. Ny maro an'isa dia hibebaka. Rehefa mibebaka sy mino an'i Kristy ho Mpamonjy azy manokana, dia ho voavela heloka ary homena azy ireo ny Fanahin'Andriamanitra. Avy eo izy ireo, amin'ny maha zanaka notorontoronin'Andriamanitra azy, dia afaka manomboka mitombo ara-panahy amin’izay toetra masina sy marina ary lavorary ao anatin'izy ireo. Mandany fotoana ny fanesorana ny lainga rehetra nianarana tamin'ny fiainany voalohany, ary mila fotoana maharitra ny fianarana ny tena lalan'Andriamanitra. Amin'ny alàlan'ny fotoana sy ny traikefa irery koa no ampivoarana ny toetra.

3. Haharitra hafiriana io fotoam-pitsarana io? Isa. 65:20.

(Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] »

Fanamarihana: Ity andininy ity dia manondro fa ireo olona hatsangana amin'ny maty dia hiaina mandritra ny 100 taona, na firy taona izy ireo na firy tamin’ny nahafatesany. Ankoatr'izay, voalaza koa fa ny zanak'Andriamanitra, amin'ny fiafaran'ity vanim-potoana ity, dia hovana - ny sela ara-nofo amin'ny vatana dia ho faty, satria hitafy tsi-fahafatesana ilay olonaIo fahafatesan'ny sela ara-batana amin'ny nofo io koa dia mihatra amin'ny Kristiana izay velona amin'ny Fiavian'i Kristy FanindroanyIzy ireo koa dia maty - nefa tsy matory amin’ny torimason'ny fahafatesanaao anatin’ny " indraimpimaso" izy dia miova ho amin'ny tsi-fahafatesana. Ny mpanota ratsy, amin'ny fiafaran'ny 100 taona, dia ho voaozona - ho faty ao amin'ny farihy afo.

Mandritra io fotoana io dia hanapaka i Kristy sy ireo olo-masina tafatsangana. Hilamina sy hamokatra toy izay nisy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona ny tany. Ireo zaza izay maty tamin'ny 6000 taona voalohany dia hiaina indray mandritra ny 100 taona, hitombo amin’ny toetra tarihin’ny herin'ny Fanahy Masina. Ny olona taloha izay maty nefa tsy nahafantatra ny Planin'Andriamanitra dia hatsangana mba hiaina mandritra ny 100 taona fanampiny.

Ao koa ireo vahoaka taloha izay nolazain'i Jesosy ao amin'ny Matio 11 sy 12 hoe mety ho nibebaka raha tonga nandritry ny andron’izy ireo Jesosy (Mat. 11:21). Ary ho nibebaka izy ireo ka nomena ny Fanahin'Andriamanitra raha natsangana tamin'ny tontolo iray izay notarihan'i Jesosy Kristy nandritra ny 1000 taona!

Lioka 10:1-9

[Ny nanirahan’i Jesosy ny fitopolahy hialoha Azy]

Lioka 10:2 “Be Ny Vokatra, Fa Ny Mpiasa No Vitsy”Rehefa nitory ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra Jesosy ka naniraka ny mpianany hanao izany amin’ny firenen-tsamy hafa, dia fantany fa betsaka ny jentilisa no hino, ka mila mpampianatra mahay sy mahatoky hamahana azy ireo amin’ny tenin’Andriamanitra, mba hitomboany amin’ny fanahy sy fahamarinana. Izany indrindra no lazainy eto, ary iantsoany antsika hanampy amin’ny fanohizana ny asa, araka izay lazain’i Paoly koa ao amin’ny 1 Korintiana 3:6-11.

(1 Korintiana 3:6) « Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. »(3:7) « Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. » (3:8) « Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. » (3:9) « Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo. » (3:10) « Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. » (3:11) « Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. »

Apokalypsy 21:1-8

[Ny amin'i Jerosalema vaovao]

Dingana farany amin’ny Planin’ny famonjena ny olombelona no tantaraina eto.

Apokalypsy 21:1

Rehefa voadio tamin’ny loto sy ny ratsy rehetra vokatry ota ny tany,ary nohavaozina ny tarehiny, dia lanitra vaovao sy tany vaovao no handraisana ny zanak’Andriamanitra nateraka indray ho fanahy.

Apokalypsy 21:2-4

Jerosalema vaovao midina avy any an-danitra, dia ny tabernakelin’Andriamanitra, hipetraka eo amin’ny olona eto an-tany, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny;

è Izany hoe eto an-tany ny mariazin’ny Zanak’ondry no hatao.

Apokalypsy 21:5

Kristy manavao ny zavatra rehetra. Izy no alfa sy omega, ny voalohany sy ny farany.

Apokalypsy 21:6-8

Kristy hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny fiainana mandrakizay ho an'izay mangetaheta. Koa izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamanintsika Izy, ary isika ho zanany.

FEHINY

Ny Baiboly dia mampiseho fa ny ankabeazan'ny olona izay niaina dia hateraka ao amin’ny fianakavian'Andriamanitra amin'ny fiafaran'ny fitsarana azy ireo. Ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra dia tsy maintsy ho tanteraka. Avy eo, ny Fianakavian’Andriamanitra lehibeizay fanahy, dia afaka manantena lanitra vaovao sy tany vaovao-ary fotoana vaovao sy mahafinaritra amin'ny fitondrana an'izao rehetra izao eo ambany fitarihan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy rahalahintsika!

Ny ankamaroan'ireo niaina hatrizay dia hateraka ao amin’ny Fianakavian'Andriamanitra amin'ny fiafaran'ny fitsarana azy ireo.

Tena mahafinaritra sy manome toky ny fahamarinan'Ilay Andriamanitra Mpamorona izay hendry sy be fitiavana ary be famindram-po!