ANDRO LEHIBE FARANY
Fitsaran’ilay seza fiandrianana fotsy lehibe
TENIN’ANDRIAMANITRA
Isa 65: 17-25
Matio 12:38-45
Apok 20: 7-15
TENIN’ANDRIAMANITRA
Isa. 65: 17-25
[Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny
fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka]
(Isaia 65:1) « Notadiavin'zay tsy naniry Aho, sy hitan'izay tsy nitady;
hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty
Aho! » (Isaia 65:17) « Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka
dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. »
(Isaia 65:18) « Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary
izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho
firavoravoana. » (Isaia 65:19) « Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy
ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo
mitaraina. » (Isaia 65:20) « Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro,
ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany
izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato
taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona
ihany dia hatao ho voaozona] » (Isaia 65:21) « Hanao
trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana
ny vokatra aminy. » (Isaia 65:22) « Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa
izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko,
ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny
asan'ny tanany. » (Isaia 65:23) « Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho
tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay
notahin'i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy*.[Na: Mbamin'ny terany
koa] » (Isaia 65:24) « Raha tsy mbola
miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. »
(Isaia 65:25) « Ny amboadia* sy ny
zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny
menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny
tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa] »
Matio 12:38-45
[Ny
nitadiavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo famantarana, sy ny navalin’i Jesosy
azy]
(Matio 12:38) « Ary tamin'izany ny sasany
tamin'ny mpanora-dalàna
sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy
aminao izahay. » (Matio 12:39) « Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia
fatra-pitady famantarana;nefa tsy hisy
famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; »
(Matio 12:40) « fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy
hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny
Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany. »
(Matio 12:41) « Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka
ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe
noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany atsimo
hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka
azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona;
nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. » (Matio 12:43)
« Raha mivoaka amin'ny olona ny
fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady
fitsaharana, fa tsy mahita. » (Matio 12:44) « Dia hoy izy:
Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa
foana ny trano sady voafafa no voavoatra. »
(Matio 12:45) « Ary dia mandeha
izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia
miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy
noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy
fanahy ity. »
Apok. 20: 7-15
[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana
voalohany, ary ny arivo taona]
(Apokalypsy
20:7) « Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia
hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany » (Apokalypsy
20:8) « ka hivoaka hamitaka ny firenena eny
amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny
ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. » (Apokalypsy 20:9)
« Ary niakatra namaky ny tany izy, dia
nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina
avy tany an-danitra ka nandany azy. [* Na: (afo avy
amin'Andriamanitra)] » (Apokalypsy 20:10) « Ary
ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara,
izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro
amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »
(Apokalypsy
20:11) « Ary
hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo
amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany
intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny
kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary
nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia
notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny
asany. » (Apokalypsy 20:13) « Ary ny ranomasina dia namoaka ny
maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty
tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] »
(Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy
tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
[* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary
raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany
amin'ny farihy afo izy. »
TORITENY SY FAMPIANARANA
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Inona no hitranga
amin'ny olona an-tapitrisany maty izay tsy nahalala
ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Voaheloka ho amin’ny famaizana mandrakizay ve
izy ireo, na dia tsy nahazo anjara famonjena aza? Ny
valin'io andin-tsainamahazatra sy manahirana ankehitriny io dia aharihary ao
amin'ny dikan'ilay Andro Lehibe Farany amin'ilay Planin’Andriamanitra.
Aorian’ny
fanjakan'i Kristy arivo taona eto an-tany, ny "sisa amin’ny maty" –dia ny olona izay
niaina sy maty nandritra ny enina arivo taona tamin’ny tantaran'ny olombelona -
dia hatsangana. Ny bokin'ny Baiboly –izany hoe ny fepetra hitsarana ny
olombelona tsirairay - no hosokafana amin'ny fahalalan’ny rehetra, ary
hosokafana indray ny Bokin'ny fiainana, mba hampidirana ny anarany. Rehefa nanana
fahafahana hanaiky na handà ny famonjena ny olombelona rehetra vao ho tonga ny
fitsarana farany ataon’Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny fandringanana ny ratsy
fanahy tsy nibebaka. Aorian'ity didim-pitsarana ity dia ho avy ny lanitra
vaovao sy ny tany vaovao, izay ho fiafaran'ny fiandohan'ny tantara, ary fidirana
amin'ny mandrakizay!
FITSARAN’ILAY ZEZA FIANDRIANANA FOTSY LEHIBE
1. Inona no hitranga aorian'ny fikomiana farany ataon'i Satana sy fanasasaziana azy? Apok. 20: 11-12. (Fikomian’i Satana farany: Fitarihany ny olombelona manao ny ady lehbe faha-3; Fanasaziana azy: Migadra any amin’ny lavaka tsy hita noanoa: Apo 20:1-3).
(Apokalypsy 20:11) « Ary
hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo
amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany
intsony. » (Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe
na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny
boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny
maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny
asany. »
Iza ireo olona mitsangana eo anoloan'ity SezaFiandrianana Fotsy Lehibe ity? Andininy 12. Jereo koa ny Daniela 7: 9-10.
(Daniela 7:9) « Mbola
nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no
nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny
volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo
mirehitra. » (Daniela 7:10) « Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo
anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo
anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. »
Fanamarihana: Ny maty izay mijoro eo anatrehan'Andriamanitraireto dia tsy ho ireo tena Kristiana ankehitriny, satria izy ireny dia hiseho eo anolohan'i Kristy, ary handray ny valisoany amin'ny fitsanganana voalohany, rehefa hiverina i Kristy. Tsy ireo olona niova fo nandritra ny Fanjakana Arivo Taona koa ireo voalaza ao amin'ireo andininy etsy ambony ireo, satria izy ireny dia efa nandova ny Fanjakan'Andriamanitra nandritra ny 1000 taona, taorian'ny androm-piainany ara-dalana.
Ny Apokalypsy 20: 11-12 dia miresaka momba ny fitsanganana faharoa - fitsanganana amin'ny fiainana mety maty, ho an'ireo rehetra maty tao anatin’ny tsy fahalalana ara-panahy, tamin'ny fotoana taloha. Amin’izao kosa dia tonga ny fotoam-pamonjena azy ireo!
2. Iza no hatsangana amin’ity Fitsarana Lehibe Farany ity? Mat. 11: 21-24.
(Matio 11:21) « Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry
Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo
aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona
ireny. » (Matio 11:22) « Fa lazaiko aminareo fa ho moramora
kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho
aminareo. » (Matio 11:23) « Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra
hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa
raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho
naharitra ambaraka androany izy. » (Matio 11:24) « Fa lazaiko
aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana
noho ny ho aminao. »
Moa ve ireo rehetra ireo
hitsangana amin'ny fotoam-pitsarana? Mat. 12: 41-42.
(Matio 12:41) « Ny olona
tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka
hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro,
misy lehibe noho Jona eto. » (Matio 12:42) « Ny mpanjakavavy avy tany
atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka
hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i
Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto. »
Fanamarihana: Niresaka momba ny fotoam-pitsarana i Jesosy ka homena fotoana hahafantarana ireo zavatra notoriny tamin'ny mponin'i Korazina, Betsaida ary Kapernaomy ireo olona tranainy ireo. Izy ireo koa dia handre ny Filazantsara!
ð Mila vakina indray ny tantaran’i Jona 1 sy 2 ary hazavaina tsara izay niseho tamin’i Jona mpaminany, satria nomen’i Jesosy ho famantarana momba ny Mesia marina izy!
(Apokalypsy 20:13) « Ary
ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany
izy. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:14) « Ary ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana
faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apokalypsy 20:15) « Ary
raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany
amin'ny farihy afo izy. »
3. Moa ve i Ezekiela mpaminany nitantara fitsanganan'ny taranak’Isiraely efa maty ho amin'ny fiainana nofo aman-dra? Ezek. 37: 11-13.
(Ezekiela 37:11) « Dia hoy
Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely
rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay,
fongotra izahay. » (Ezekiela 37:12) « Koa maminania, ka ataovy aminy
hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny
fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any
amin'ny tanin'ny Isiraely; » (Ezekiela 37:13) « ka dia ho fantatrareo
fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra
anareo hiala amin'ny fasanareo. »
Tena fitsanganana amin'ny fiainana ara-batana ve izany: manana nofo, hoditra sy taolana ny vatana, ary mila rivotra? Ezekiela 37:5-9.
(Ezekiela 37:5) « Izao no
lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina
ianareo ka ho velona; » (Ezekiela 37:6) « ary hasiako ozatra ianareo
ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina
ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. » (Ezekiela
37:7) « Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa
naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady
nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. » (Ezekiela
37:8) « Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona
hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. » (Ezekiela 37:9)
« Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry
zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono
ireo, mba ho velona izy. »
4. Hanome ny Fanahiny ho an'ireto olona an-tapitrisany ireto ve Andriamanitra? Ezekiela 37: 14.
(Ezekiela 37:14) « Ary
hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any
amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny
sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. »
Hatsangana amin'ny maty
koa ve ny Jentilisa ary hiverina amin'ny “taniny taloha”? Ezek. 16:55.
(Ezekiela 16:55) « Ary ny
rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary
Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny
zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa. »
Fanamarihana: Isiraely dia ohatra amin’ny firenena rehetra. Ny faminanian'i Ezekiela dia mamaritra fotoana, izay hanomezana anjara famonjena,ho an’ny Isiraely sy ny hafa firenena izay maty tamin’ny tsy fahalalana ara-panahy.
[Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho
ao amin'ny fiangonana]
(Efesiana 2:11) « Koa
tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny
voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - » (Efesiana 2:12)
« eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy
ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo
faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana
an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; »
Moa ve Andriamanitra minia tsy mijery ny otan’ny olona tamin’ny andron’ny tsy fahalalany? Asan’ny Apostoly 17:30.
(Asan'ny Apostoly 17:30)
« Ary
Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao
tontolo izao hibebaka. »
Fa raha vao notorina ho takatra ara-panahy kosa ny Planin’Andriamanitra amin’ny Famonjena, sy ny Fanjakan’Andriamanitra, dia inona no didy ho an’ny olona rehetra? Io andianiny io ihany: « fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka. »
Ny ankamaroan'ny zanak'olombelona dia hatsangana miaraka amin'ny fotoana iray, eto amin'ity tany ity. . . . Samy hitsangana amin'ny maty amin’ny fitsanganana faharoa izy rehetra.