Andro Fanavotana: Fandroahana an'i Azazela

 Sabata mialoha ny Andro Fanavotana

 

ANDRO FANAVOTANA

FANDROAHANA AN’I AZAZELA

 

 TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 28: 11–17

Lioka 8:26-36

Apokalypsy 20: 1-3


 TENIN’ANDRIAMANITRA

Ezekiela 28: 11–19

[Faminaniana ny amin’ny mpanjkan’i Tyro]

(Ezekiela 28:11) « Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: » (Ezekiela 28:12) « Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] » (Ezekiela 28:13) « Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra no eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy] » (Ezekiela 28:14) « Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. » (Ezekiela 28:15) « Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. » (Ezekiela 28:16) « Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra. » (Ezekiela 28:17) « Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka. » (Ezekiela 28:18) « Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao. »

(Ezekiela 28:19) « Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. » 

Lioka 8:26-36

[Ny namoahan’i Jesosy demonia maro tamin’ny lehilahy anakiray tany amin’ny tanin’ny Gerasena]

(Lioka 8:26) « Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena* izay tandrifin'i Galilia izy.[*Na: (Gadarena)] » (Lioka 8:27) « Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana. »(Lioka 8:28) « Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy. »(Lioka 8:29) « Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy. »(Lioka 8:30) « Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny. »(Lioka 8:31) « Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa. »(Lioka 8:32) « Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny. »(Lioka 8:33) « Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty* tany.[*Gr. kenda] »(Lioka 8:34) « Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. »(Lioka 8:35) « Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. »(Lioka 8:36) « Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka. »

Apokalypsy 20: 1-6

[Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona]

(Apokalypsy 20:1) « Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; »(Apokalypsy 20:2) « dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, »(Apokalypsy 20:3) « dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. »(Apokalypsy 20:4) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. »(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona.Izany no fitsanganana voalohany. »(Apokalypsy 20:6) « Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana,fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray

FANAZAVANA

Ny Levitikosy 16 dia mamaritra ny fombafomba manokana izay nandidian'Andriamanitra ny Isiraely hotanterahina isan-taona amin'ny Andro Fanavotana. Ny fanazavana momba io fety io, izay tarihin'ny Mpisoronabe, dia zava-dehibe amin'ny fahatakarantsika ny dikan'io andro masina io.

Betsaka ny Kristiana no mihevitra fa ankehitriny dia misy "fifaninanana lehibe" eo amin'Andriamanitra sy ny devoly. Mihevitra izy ireo fa miady izay hanana ny fanahin'ny olombelona Andriamanitra sy i Satana. Raha izany no izy, dia ambara tsotra izao fa mandresy lavitra i Satana! Tsy misy anefa ny fifaninanana toy izany.Rehefa miverina eto an-tany i Jesosy Kristy, afaka taona vitsy, dia hesoriny i Satana, ary hotereny handeha any amin’ny toerana tsy hahafahany mamitaka ireo firenena intsony. Rehefa vita izany dia hamonjy marina an'izao tontolo izao i Kristy mba. Ny fanilihan'i Kristy an'i Satana, voatantara ao amin'ny Apokalypsy 20: 1-3, dia hazavain’ny tandindona ambaran'ny fandroahana an’i Azazela voalaza ao amin'ny Levitikosy 16.

Ao amin'ny Levitikosy 16, dia nasaina nifidy osy roa i Arona ary hitondra azy ho eo amin'ny vavahadin'ny tranolay amin'ny Andro Fanavotana. Atao ny filokana mba hanendrena osilahy iray ho an'i Jehovah, ary ny iray ho an'i Azazela. Ny osilahy ho an'i Jehovah dia novonoina, ary ny ràny nentin’ny mpisoronabe niditra tao amin'ny Fitoerana Masina, nafafiny teo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana, hanao fanavotana. Avy eo, ny mpisoronabe dia nametraka ny tanany teo amin'ny lohan'ilay osilahy ho an'i Azazel, ary niaiky taminy ny fahotan'ny firenena rehetra. Ary nisy lehilahy iray voatendry handroaka velona io osilahin’iy Azazela io any amin'ny toerana lavitra sy tsy misy olona.

Iza Moa Azazela?

Nylovantsofina jiosy dia manondro an'i Azazel ho ilay anjely lavo - anarana iray hafa ho an'i Satana! Mifanaraka indrindra amin'ny fandroahana an’i Azazela voalaza ao amin'ny Levitikosy 16 izany, izay ambaran'ny fanatanterahana izany ao amin'ny Apokalypsy 20. Ny osy voafidy ho an'i Jehovah dia maneho an'i Jesosy Kristy, izay nandatsaka ny rany handoavana ny onitra noho ny fahotan'ny olombelona. Ary tahaka ny osy natao sorona maneho an'i Kristy manolotra ny tenany ho antsika, dia toy izany koany mpisoronabe mitondra ra eo alohan'ny rakotra fanaovam-panazavana maneho i Jesosy Kristynitsangana tamin’ny maty, mitsangana eo anatrehan'ny Ray, mba hankasitrahana ny sorona nataony.Fa tsy mijanona hatreo ny tantara. Satria nandoa onitra i Jesosy Kristy noho ny fahotan'ny olombelona voafitaka, ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra dia mitaky ny tompon'andraikitra amin'ny ota handray ny vokatry ny andraikiny. Amin'ny fametrahan’ny mpisoronabe ny tanany amin'ny lohahn’ny osy velona, sy ny fiekeny ny fahotan'ny firenena eo amboniny, ny mpisoronabe dia tandindon'ny famindrana ny andraikitra amin'ny ota ho amin’ny lohan'i Satana - izay tena tompon’andraikitra.

Ny Soratra Masina dia mampiseho fa Satana dia kerobima lehibe izay nijoro tamin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra tamin'ny voalohany (Isaia 14: 12-15, Ezekiela 28: 11–17).

Isaia 14: 12-15

(Isaia 14:12) « Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena. » (Isaia 14:13) « Ary ianao efa nanao anakampo* hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho; » (Isaia 14:14) « Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra; » (Isaia 14:15) « Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita** ho any ampara-vodilavaka ianao.[*Nanao anakampo = Nitsiriritra]. [Heb. **Sheola] »

Ezekiela 28: 11–19

[Faminaniana ny amin’ny mpanjkan’i Tyro]

(Ezekiela 28:11) « Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: »(Ezekiela 28:12) « Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] »(Ezekiela 28:13) « Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra no eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy] »(Ezekiela 28:14) « Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. »(Ezekiela 28:15) « Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. » (Ezekiela 28:16) « Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra. »(Ezekiela 28:17) « Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka. »(Ezekiela 28:18) « Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao. »

(Ezekiela 28:19) « Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. »

Noforonina tsy manam-paharoa sy feno fahendrena i Losifera; Nitana andraikitra tena lehibe tamin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izy tamin’ny voalohany. Farany anefa dia voaloton'ny fireharehana izy. Io anjely lehibe antsoina hoe Losifera io ("Ilay mitondra ny mazava") dia nitarika ny ampahatelon'ny anjely hikomy, mba handresy izao rehetra izaoary haka ny toeran'Andriamanitra. Nahiboka eto an-tany i Losifera, ary nantsoina hoe Satana ("fahavalo"); ary ireo anjely lavo izay nanaraka azy dia lasa devoly. Noho ny fikomian'i Satana, dia nanjary korontana sy lao ny tany. Tao anatin'ny enina andro Andriamanitra dia nanavao ny tarehin’ny tany, ary namorona ny tontolon'ny olombelona. Rehefa avy nametraka olombelona roa natao tamin'ny endriny tao amin'ny Sahan'i Edena ny Mpamorona, dia nampianatra azy ireo ny fomba fiainan’Andriamanitra. Na izany aza, dia navelany hiditra ao anaty zaridaina i Satana ary hifandray amin'ny olombelona. Resin'ny fakam-panahy nataon'ny devoly i Adama sy Eva, ary nanota tamin'Andriamanitra izy ireo.

Ny olombelona dia noforoninamety matyhianatra lesona, arymisafidy malalakany hanaiky ny Mpamorona azy. Nanomana Sorompanavotana noho ny fahotan’ny olombelona Andriamanitra. Nanana drafitra hatrany am-piandohana Andriamanitra.

Hebreo 10:7-14

(Hebreo 10:7) « Dia hoy Izaho (Jesosy): Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8). »(Hebreo 10:8) « Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", »(Hebreo 10:9) « dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. »(Hebreo 10:10) « Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. »(Hebreo 10:11) « Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; »(Hebreo 10:12) « fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] »(Hebreo 10:13) « ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. »(Hebreo 10:14) « Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. »

Tsy tokony hohamaivanintsika kosa anefa ny zavatra ratsy ataon'i Satana. Amin'ny farany, dia ho tompon'andraikitra amin'ny fanaintainana rehetra sy ny fijaliana ateraky ny ota i Satana. Ny fikomiany tamin'Andriamanitra, natosiky ny avonavona, no fototry ny olana rehetra eo amin'izao tontolo izao. Izany no ambaran’nyApokalypsy 20, fa aorian'ny fiverenan'i Kristy sy ny fifehezany ny fikomian'ny olona, dia hisy anjely mahery izay hampihiboka an'i Satana ao amin'ny lavaka lehibe. Toerana tsy misy na inona na inona izany, izay tsy hahafahan’i Satana mamitaka ny zanak'olombelona mandritry ny arivo taona hanjakan'i Kristy.

Ity fety amin'ny Andro Fanavotana ity dia manambara tranga lehibe manan-danja amin'ny Planin’Andriamanitra, satria manomana ny zavatra hiseho amin’ny Milenioma izay tandindon'ny Fetin’ny Tabernakely. Ho vita hatramin’ny farany ny famelana ny heloky ny olombelona rehefa ahataka tanteraka ilay mpamorona ny ota sy mpamitaka an'izao tontolo izao. Ity fisehoan-javatra lehibe ity dia mampiseho ny fahasamihafana misy eo amin'nyenina arivo taonamaha-olombelona, feno korontana, tarihin'i Satana, sy ny arivo taona manaraka anjakan'i Kristy - afaka tamin'ny herin'i Satana.