Fitsaran'Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe: Inona no atao hoe "Fitsarana"?

  FITSARAN’ILAY SEZA FIANDRIANANA FOTSY LEHIBE

INONA NO ATAO HOE FITSARANA?

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Daniela 7:2-18

Jaona5:17-29

Romana 2: 1-11

 

TENIN’ANDRIAMANITRA

Daniela 7: 7-18

[Fahitana niseho tamin’i Daniela ny  fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran’Andriamanitra ireo]

(Daniela 7:7) « Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo. » (Daniela 7:8) « Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy. » (Daniela 7:9) « Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teony fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra» (Daniela 7:10) « Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehanynipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. » (Daniela 7:11) « Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy. » (Daniela 7:12) « Ary ny amin'ny biby sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana. » (Daniela 7:13) « Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra,ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. » (Daniela 7:14) « Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azyny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka,ary ny fanjakany tsy ho rava. » (Daniela 7:15) « Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy. » (Daniela 7:16) « Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra. »(Daniela 7:17) « Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. »(Daniela 7:18) « Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana, ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. »

Jaona 5:17-29

[Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema, sy ny nahasitranany ilay narary teo anilan’ny farihy Betesda, ary ny teny navalin’ny Jiosy izay nanome tsiny Azy]

(Jaona 5:17) « Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa. » (Jaona 5:18) « Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainyka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy. » (Jaona 5:19) « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray;fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. » (Jaona 5:20) « Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. » (Jaona 5:21) « Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. »(Jaona 5:22) « Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, »(Jaona 5:23) « mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray.Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy. »(Jaona 5:24) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.[*Gr.hotsaraina] »(Jaona 5:25) « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro* ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. [*Gr. ora] »(Jaona 5:26) « Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; »(Jaona 5:27) « ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. »(Jaona 5:28) « Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; [*Gr. ora] »(Jaona 5:29) « dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana,fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'fitsanganana ho fahamelohana*. [*Gr. ho fitsarana] »

Romana 2: 1-11

[Ny amin’ny tsi-fahamarinanan’ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin’ny lalàna]

(Romana 2:1) « Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona] »(Romana 2:2) « Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany. »(Romana 2:3) « Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr. olona] »(Romana 2:4) « Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? »(Romana 2:5) « Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra, »(Romana 2:6) « Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: »(Romana 2:7) « ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; »(Romana 2:8) « fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, »(Romana 2:9) « eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; »(Romana 2:10) « fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] »(Romana 2:11) « Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra. »

 

TORITENY

Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray


1Iza no ho Filohan’ny Fitsarana ao amin'ny Fitsarana Lehibe Farany? Dan. 7: 9-10; Sal. 9: 7; Joda 14b-15; Jaona 5: 21-22; Asan’ny Apostoly 10:42.

(Daniela 7:9) « Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. » (Daniela 7:10) « Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany;nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. »

(Salamo 9:7) « Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, »

(Jaona 5:21) « Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. »(Jaona 5:22) « Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, »

(Joda 14) « … "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina »(Joda 15) « hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." »

(Asan'ny Apostoly 10:42) « Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. »

Hiaraka hitsara Aminy ve ny olo-masina? I Kor. 6: 2.

(1 Korintiana 6:2) « Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? »

2Ahoana no hanatanterahana ny fitsarana an'ireo vahoaka be ireo? Rom. 2: 6-11; Mpito. 12: 13-14; II Kor. 5:10.

(Romana 2:6) « Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: » (Romana 2:7) « ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; »(Romana 2:8) « fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, » (Romana 2:9) « eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa; »(Romana 2:10) « fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika] » (Romana 2:11) « Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra. »

(Mpitoriteny 12:13) « Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. » (Mpitoriteny 12:14) « Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny* zava-miafina rehetra, na soa na ratsy. [Na: mbamin'ny] »

(2 Korintiana 5:10) « Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. »

Hotsarain'ny Tenin'Andriamanitra ve izy ireo, izany hoe ny Baiboly - araka ny hataony rehefa hatsangana amin'ny maty izy ireo? Dan. 7:10; Apok. 20:12.

(Daniela 7:10) « Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany;nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. »

(Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »

Fanamarihana: Ny teny hebreo nadika hoe boky ao amin'ny Daniela 7:10 dia mifanandrify amin'ny teny grika nadika tamin'ny Apokalypsy 20:12Io teny grika io dia biblia, ary avy amin’io teny io ny teny anglisy hoe "bible".

Ireo boky hosokafana ireo dia ny boky ao amin'ny Baiboly!Hosokafana izy ireo ho azon’ny olona an'arivo tapitrisany -izay tsy afaka nahalala sy nahatakatra ny fikasan'Andriamanitra sy ny drafitra ho azy ireo mandritry ny androm-piainany teo aloha, satria tsy nantsoin'ny Ray izy ireo tamin’izany,fa ankehitriny kosa nomen'ny Fanahiny fahalalana.

Ny "fitsarana farany", ampiharina amin’ireo olona mandalo fitsanganana faharoa izany dia tsy midika hoe fanonona fehezanteny iray mifototra amin'ny fitondran-tenan’izy ireo taloha fotsiny. Raha izany mantsy,na dia mibebaka aza izy ireo, dia tsy nahavita nanova ny fiafarany.Soa ihany fa mamindra fo Andriamanitra, vonona foana ny hamela heloka raha mibebaka marina ny olona.Andao hodinihintsika tsara kokoa ny hevitry ny Baiboly rehefa mampiasa ny teny hoe fitsarana izy.

 

3. Moa ve efa vita ny fitsaran'Andriamanitra ny tena Kristianina ankehitriny? I Pet. 4:17.

(1 Petera 4:17) « Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony] »

Moa ve io fitsarana io nataohahafahan'izy ireo misoroka ny fanamelohana? I Kor. 11:32.

(1 Korintiana 11:32) « Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao. »

Fanamarihana: Andriamanitra dia mitsara ny zanany ankehitriny amin'ny alàlan'ny fanombanana ny fomba fiainany amin'ny alàlan'ny Teniny voasoratra. Ny valisoan'izy ireo amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia miankina amin'ny fivoaran'ny toetrany mandritry ny fiainany eto an-tany. Izy io dia dingana mitaky fotoana,izay ahafahana mianatra sy mitombo.

Ireo hatsangana amin'ny maty aorian'ny Arivotaona dia hotsaraina toy izany koa. Izy ireo, tahaka ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy ankehitriny, dia homena fotoana ampy hanaporofoana fa vonona ny hiaina ny làlan'Andriamanitra amin'ny fiainana mandresy sy mankatò an'Andriamanitra.

Amin'ity vanim-potoanan'ny fitsarana aorian'ny 1000 taona ity,dia tsy vitan'ny hoe hosokafana ny Baiboly, fa hosokafana koa ny bokin'ny fiainanaIreo olona ireo dia homena fotoana hahazoana fiainana mandrakizay! Andriamanitra, ao anatin'ny fahitsiana tonga lafatradia hanome azy ireo anjara famonjena, sahala amin'ny omeny ireo izay antsoiny ankehitriny.

Nefa amin'ity fotoam-pitsarana lehibe farany ity dia tsy hiharan’ny fahefan'i Satana tahaka ny ankehitriny ny olona, satria nesorina i Satana (Apok. 20:10).

(Apokalypsy 20:10) « Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »

Rehefa malalaka ny fahazoana ny Fanahin'Andriamanitra, ary afaka amin'ny fitaoman-dratsin'i Satana izy ireo, dia homena ny fotoana tokana ihany hahazoany famonjena, amin'ny alàlan'ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahin'Andriamanitra ary ny fitomboan'ny toetra araka an'Andriamanitra, mandritry ny fiainana faharoa. Izy ireo, toy ny Kristiana ankehitriny, dia asaina mihetsika amin'ny fahalalana izay homen'Andriamanitra azy ireo, hisafidy ny fahamarinana araka ny voafaritry ny lalàn'i Jehovah ara-panahy, hialana amin'ny fandikana izany lalàna izany.

Ireo izay manohy ny fomba fiainan'Andriamanitra dia hovaina amin'ny fiainana an-tany, ho amin'ny tsi-fahafatesana, amin'ny fiafaran'ny fotoan'ny fitsarana. Ireo olona izay nateraka tamin'ny fiainana ara-batana aloha - maro amin’izy ireo no talohan'ny Fiavian'i Jesosy Kristy 

Voalohany, toy ireo izay teraka talohan'ny Safo-drano, dia mbola tsy nanana fotoana hahafantarana ny drafitr'Andriamanitra (Famonjena sy Fanjakan’Andriamanitra). Ho tonga ny anjara fotoanan'izy ireo, nefa any am-parany izy ireo vao hantsoina - amin'ny Fitsarana Lehibe Farany.

Ireo izay antsoina ho ao amin’ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny, na dia teraka taty aoriana aza, dia omena fotoana ho voaloham-bokatra: (Jak. 1:18) « Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. » Na ny olona teraka nandritra ny Arivotaona aza dia hantsoina handray anjara amin'ny drafitr'Andriamanitra alohan'ny ankamaroan'ny olombelona izay niaina tamin'ity 6000 taona voalohany ity. Niresaka momba izao fiainana izao i Jesosy nilaza hoe: (Matio 20:16) « Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany. » (Matio 22:14) « Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. »

Ny Andro Lehibe Farany dia manome sary an-tsaina ny fahatanterahan'ny Drafitra Lehiben’Andriamanitra - ny Fitsaran’ilaySeza Fiandrianana Fotsy Lehibeaorian'ny Milenioma. Ny Apokalypsy 20: 5 dia mampiseho fa ny fitsanganana faharoa dia hitranga aorian'ny Fanjakana Arivo Taona, ary ny andininy 11-12 dia manambara fa ireo ao amin'ity fitsanganana ity, izay maty tsy nantsoina handray anjara amin'ny drafitry ny famonjen'Andriamanitra, dia homena anjara ho tonga mpikambana amin’ny Fianakavian'Andriamanitra.

(Apokalypsy 20:5) « Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. » (Apokalypsy 20:11) « Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. »(Apokalypsy 20:12) « Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. »