NY MPITAINGIN-TSOAVALY EFATRA AO AMIN'NY
APOKALYPSY
Tahaka ny matoatoa mampatahotra, dia niseho
tamin'ny Apostoly Jaona tamin'ny fahitana, tamin'ny faran'ny taonjato
voalohany, ireo mpitaingi-tsoavaly efatra. Inona no asehon'ireo
mpitaingin-tsoavaly efatra ireo? Naneho nofy ratsy manaitra ny sain'ity
lehilahy antitra ity fotsiny ve izy ireo? Sa naneho faminaniana velona
hotanterahina amin'izao androntsika izao?
Toy izao no fomba nanehoan'i Jesosy Kristy ny tena dikan’ireo
mpitaingin-tsoavaly mahagaga ireo, ho an'ny androntsika ankehitriny.
TENIN’ANDRIAMANITRA
Ezekiela 5:12-17
Matio 24:4-14
Apokalypsy 6:1-11
TENIN’ANDRIAMANITRA
Ezekiela 5:12-17
[Faminaniana
ny amin’ny hanjo an’i Jerosalema]
(Ezekiela
5:12) « Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho
ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra
manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra,
ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho. »(Ezekiela 5:13)
« Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny
fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny
izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako. »(Ezekiela
5:14) « Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina
anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo. »(Ezekiela 5:15) « Ka dia
hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa
manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny
fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny
izany »(Ezekiela 5:16) « raha alefako ho fandringanana azy ny mosary
dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko
ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay
tohan'aina. »(Ezekiela 5:17) « Dia haterako mosary sy biby masiaka eo
aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny
areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra.
Izaho Jehovah no niteny izany »
Matio 24:4-14
[Ny
nanambaran’i Jesosy ny handravana an’i Jerosalema sy ny hihaviany indray]
(Matio 24:4)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka
anareo. »(Matio 24:5) « Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe:
Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. »(Matio 24:6) « Ary handre
ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho
tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. »(Matio 24:7) « Fa hisy
firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely
fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy
hafa. »(Matio 24:8) « Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny
fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana; izahao 19. 28] »(Matio 24:9)
« Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho
halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. »(Matio 24:10)
« Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga
sy hifankahala izy. »(Matio 24:11) « Ary hisy mpaminany sandoka maro
hitsangana ka hamitaka ny maro. » (Matio 24:12) « Ary noho ny
haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny
maro. »(Matio 24:13) « Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. »(Matio
24:14) « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny
fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny
farany. »
Apokalypsy 6:1-11
[Ny namahana ny tombokase
enina]
(Apokalypsy
6:1) « Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny
tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka
ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)] »(Apokalypsy
6:2) « Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy
dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka
naharesy sady mbola haharesy. »(Apokalypsy 6:3) « Ary rehefa novahany
ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia*. [*
Ampio hoe: (ka izahao)] »(Apokalypsy 6:4) « Dia nisy soavaly hafa
mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana
amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy. »(Apokalypsy
6:5) « Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny
zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia*. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly
mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. [* Ampio hoe:
(ka izahao)] »(Apokalypsy 6:6) « Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo
afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty* ny vary tritika eran'ny
fatam-bary kely**, ary venty* koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary**; ary
aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. [* Gr. denaria] [** Gr.
koiniksa] »(Apokalypsy 6:7) « Ary rehefa novahany ny tombo-kase
fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia*. [*
Ampio hoe: (ka izahao)] »(Apokalypsy 6:8) « Ary hitako fa, indro,
nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana,
ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry
ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny
bibi-dia ety an-tany. [* Gr. Hadesy] »(Apokalypsy 6:9) « Ary rehefa
novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny
fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay
nohazoniny. »(Apokalypsy 6:10) « Ary niantso tamin'ny feo mahery izy
nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy
hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? »(Apokalypsy
6:11) « Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala
sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny,
izay efa hovonoina tahaka azy koa. »
Toriteny
Dr. Daniel Rakotondravony,
Fiangonan'Andriamanitra Miray
TOKO 1
KRISTY NO MANAMBARA
Ny Teny Efatra Voalohany ao amin'ny
Apokalypsy dia manome fanalahidy
manan-danja roa amin'ny fahazoana azy: Voalohany, asehon'izy ireo amintsika fa i Jesosy Kristy no manambara ny dikany.Faharoa,
lazain'izy ireo fa fanambarana ny
Apokalypsy. Satria ny
olona tsy niraharaha ireo fanalahidy fototra roa izay hitany tao
amin'io fanambarana io,koa dia ny
mifanohitra amin'izay zava-misy no hitany. Ary satria izy
ireo nanao tsinontsinona izay zavatra hitany tao amin'ity boky ity, antontan-taratasy miafina, izay tsiambaratelo, nasiana
tombo-kase, noforonina tamin'ny
alalàn'ny fanahim-pahanterana feno fahatezeran’ny Apostoly Jaona, nogadraina tao
amin'ny nosy Patmo.
Raha mieritreritra izanyny olona,
dia satriatsy mamela ny Baiboly handika ny
tenany. Vakio fotsiny ny lohateny sy sora-mandry amin’ny
ankamaroan'ny dikan-tenin'ny Baiboly hahitanao ny fahamarinan’izany. Izao no
vakiny: "Apokalipsin'i MD Joany". Ny teny hoe "an’i
Jaona" anefa dia ny olona no nanampy azy ireo. Ny
tenin’Andriamanitra dia manomboka io boky io amin’ny fandavana ny lohateny
nomen'ny olona azy. Raha tsy afaka nanome lohateny marina amin'ity boky ity
ny olona, maninona no dia mahagaga ny haverezan-tsainy miatrika ny votoatiny?
Noho izany fisafotofotoana izany eo amin'ireo manam-pahaizana ara-baiboly, dia
maro ny mpino no nihevitra – amim-pahadisoana – fa milaza hafatra
tsiambaratelo, mistery ary tsy hay fantarina ny Apokalypsy, momba ny
fiafaran'izao tontolo izao. Ny teny grika hoe
"Apokalypsy" anefa dia midika hoe fanambarana. Araka ny
voalazan'ny diksionera, "manambara"
dia midika hoe maneho, mampahafantatra,
mampahalala izay tsy fantatra sy miafina.
Ny Baiboly dia adika amin'ny fomba
maro. Nandritry ny taonjato sivy ambin'ny folo lasa izay, dia an-tapitrisany ny
teny nosoratana momba ny Apokalypsy. Ny ankamaroan'ireo andrana fanazavana ireo dia nivadika ho tsy marina.
I Jesosy Kristy irery no olona mendrika
"handika ny bokin'ny Apokalypsy(Apok. 5: 2-5). Amin’izany, taiza no nanambaran'i Kristy ny dikan'ny bokin'ny
Apokalypsy? Taiza no nanazavany hoe inona ireo "mpitaingin-tsoavaly
efatra" izay maneho ny efatra voalohany amin'ireo hafatra fito voaisy
tombokase? Inona no andikan'ny Baiboly azy?
Adikany amin’ny faminaniana mitovy aminy izany. Koa satria i Kristy no manambara, dia tsy maintsy
mitodika amin'ny teniny manokana isika, araka ny voatahiry ao
amin'ny Soratra Masina. Koa satria ny Apokalypsy dia maminany
ny ho avy (ny "zavatra tsy maintsy ho tonga faingana" - Apok. 1: 1),
dia tokony hitodika amin’ireo faminaniana
nataon’i Jesosy Kristy isika – izany hoe ireo faminaniana momba ny ho avy.
Ny "Faminanana teo
an-Tendrombohitra Oliva" dia maneho ny faminaniana farany
lava indrindra nataon'i Kristy fony Izy teto an-tany. Nihaino azy manokana ny
Apostoly Jaona teo amin'ny Tendrombohitra Oliva, akaikin'i Jerosalema,
enim-polo taona teo ho eo talohan'ny niainany tany Patmo. Tamin’izany fotoana
izany no nampahafantaran'i Kristy, tamin’ireo izay nihaino Azy, ny famantarana ny fahatomoran'ny Fiaviany Fanindroany, sy ny
fiafaran'ny taonjato ratsy ankehitriny. Ny fifandimbiasan’ny zavatra hitranga ao amin'ny
"Faminaniana teo an-Tendrombohitra Oliva" dia mitovy amin'izay
ambaran’ny Apokalypsy.
Ny Apokalypsy dia manolotra fanazavana lava
momba ireo andian-java-miseho izay nambaran'i Jesosy ao amin'ny Matio 24. Ao
amin'ity toko amin’ny Filazantsara ity, dia nambaran’i Kristy amin'ny fomban’ny
haino aman-jery ireo "lohateny lehibe" amin'ny
"filazam-baovao". Ambarany
amin'ny fiteniny manokana ny zavatra tantaraina ao amin’ny boky Apokalypsy.
Ny teny manodidina ny Matio 24, dia manondro
ihany koa, fa ny fahatanterahan'ireo faminaniana ireo dia mbola ho avy,
fa tsy manambara ny taloha na ankehitriny. Jesosy dia nanambara fa ho tanteraka
ny hafany amin'ny fotoana mety hisehoan’ny
fandringanana ny mponina eran'izao tontolo izao (Mat. 24:
21-22). Nanomboka tamin'ny famoronana ny fitaovampiadiana niokleary izany
vanim-potoana izany. Vao tamin’ny taona
1950 no niaina tamin'ny baomba niokleary misy fihemoram-pipoahana ny
olombelona. Noho izany, tamin'izao
vanim-potoana niokleary izao vao miantsampy amin’ny soavaliny, ho any amin’ny
fampiriotrany farany, ireo mpitaingi-tsoavaly efatry ny Apokalypsy ireo.
Ny ilaina ho fantatra – amin’ny maha tena zava-dehibe azy - dia ny
fahatanterahan’ny faminaniana araka ny foto-kevitra iray fantatra amin'ny hoe "verindroa". Ny tenin'i Kristy ao amin'ny
Matio 24 dia mihatra: 1)amin'ny
fahatanterahany voalohany, izay nitranga tamin'ny sehatra voafetra, tamin'ny
taona AD 70;2)eo ambanin'ny fepetra izay tsy
mbola nitsahatra nihatra, nanomboka tamin'ny taona 70 ka mandraka androany;3)fahatanterahany farany, amin’ny fotoana izay mbola ho
avy.Ny mpitaingin-tsoavaly efatra,
amin'ny fampiriotran'izy ireo, dia manambara ny dingana
farany ihany, amin'ireo sehatra telo nolazaina ireo. Izy ireo
dia maneho hamafy mihoatra ny fetrany marina, raha ampitahaina ireo sehatra
rehetra ireo, momba ny ady, sy ny mosary,
ary ny areti-mifindra izay mitranga miverimberina amin’ny
olombelona.
Ny mpitaingin-tsoavaly efatra dia mitondra fanehoana ny fepetra faratampony
amin’ny atambo entiny, amin’izao andro farany izao, sady manokatra ny
vanim-potoanan'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny “firidanany” dia mbola tsy
nanomboka. Tsy mbola fantatra mazava kosa hoe rahoviana izany no hanomboka. Na
izany aza, ny toe-javatra eran-tany dia manondro fa hanomboka tsy ho ela izany,
amin'ny fotoantsika!
Toko 2
KRISTY SANDOKA
Ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany ao amin'ny
Apokalypsy dia tantarain'ny Apostoly Jaona amin'ireto teny ireto: (Apokalypsy 6:2) « Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay
nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena
satro-boninahitra izy; dia nivoaka
izy ka naharesy sady mbola haharesy. »
Inona no
ambarany? Ity mpitaingin-tsoavaly voalohany ity dia namafy korontana sy
fifanjevoana teo amin'ireo mpandinika Baiboly, mihoatra noho ny
mpitaingin-tsoavaly telo hafa. Ny ankamaroan'ny mpandinika Baiboly, amin'ny
ankapobeny, dia nahazo ny hevitry ny soavaly hafa: mena, sy mainty, ary
hatsatra.
Ny toko fahenina
amin'ny Apokalypsy dia mamaritra amin'ny teny mazava tsara izay asehon'ny
mpitaingin-tsaoavaly telo farany. Mifanohitra amin'izany kosa, amin'ny
ankapobeny, diso hevitra ny olona amin'ny mpitaingin-tsoavaly voalohany, satria
ny manam-pahaizana tsy nihevitra fa ilaina ny manazava ny tenin'i Kristy
mpanambara hafatra, ny amin'izay voarakitra ao amin'ny Matio 24: 4-5.
(Matio 24:4)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka
anareo. » (Matio 24:5) « Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe:
Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. »
Betsaka ny olona,
miankina amin'ny fandikan-tenin'olombelona, no nampitaha an'io andalan-teny io
tamin'ilay toko faha-19 amin'ny Apokalypsy, izay ahitana ny fiavian'i Kristy
fanindroany be voninahitra, mitaingina soavaly fotsy. Diso izy ireo satria nino
fa ny soavaly fotsy ao amin'ny toko 6 dia mitovy amin'ny an’ny tena Kristy ao
amin’ny toko faha-19.
Ity fandikana
diso ity dia miseho amin'ny endrika maro. Lazaina, ohatra, fa ny soavaly fotsy
ao amin'ny Apokalypsy 6 dia maneho ny fitoriana ny filazantsara manerana
an'izao tontolo izao, mba "handresy lahatra" ny sain'ny olona.
Na koa, lazaina amintsika fa anjely manomana ny fiavian'i Kristy. Lazaina koa
fa izy io dia manambara governemanta kristiana mandresy amin'ny anaran'i Kristy
ireo firenena mpanompo sampy. Misy milaza fa ny Fiangonana io. Ny hafa manao azy
hoe "Elia", manomana ny fiavian'i Kristy. Misy ireo milaza fa maneho
ny fiavian'i Kristy fanindroany, ary farany, ireo izay milaza fa manambara ny
fiavian'ny Mesia voalohany io.
Amin'ny
ankamaroan'ny tranga, io mpitaingin-tsoavaly fotsy io dia inoana fa i Jesosy
Kristy, na ny asany eto an-tany, amin'ny endrika iray na hafa koa. Nefa inona
no nohamafisin'i Kristy momba an'io mpitaingin-tsoavaly voalohany io? Mety tsy
mampino ny heviny, fa naminany Izy ny amin’ny fitaka hatao amin’izao tontolo
izao, ary ho diso hevitra ny mpino ny amin’izay ambaran’io tandindona
mpitaingin-tsoavaly io.
Fitaka Miafina
Ao amin'ny Matio
24, nampitandrina antsika i Jesosy fa ny zavatra hitranga voalohany amin'ny
sehatra manerantany dia ny fisehoan'ny mpaminany sandoka marobe, izay misoloky
sy mamitaka olona marobe, fa tsy vitsy (and. 4-5). Ireo mpaminany sandoka ireo
dia nanomboka nitsangana avy hatrany taorian'ny nanomboana an'i Jesosy sy
nitsanganany tamin'ny maty. Raha nanoratra ny taratasiny faharoa ho an'ny
Tesaloniana ny Apostoly Paoly, dia efa teo am-piasana ny "misterin'ny tsy
fahamarinana".
Joda, zandrin'i
Jesosy Kristy, dia nanentana ny Kristiana tany am-boalohany mba (Joda 3-4) « … hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray
mandeha monja ho an'ny olona masina. » « Fa misy olona sasany efa
niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany,
dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho
fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika*. [*
Na: mandà ny Andrian-tokana sy Jesosy Kristy Tompontsika] »
Tamin'ny taonjato
voalohany, ny tena kristiana dia nanatri-maso ny fitsofohan’ny Kristianisma
sandoka antsokosoko, izay namitaka olona maro be. Efa tafakatra avolenta be io
fisandohana ara-pivavahana io ankehitriny, koa dia voafitaka izao tontolo izao
momba ny tena hafatr’i Kristy.
Ny Baiboly milaza
fa amin'ny andro farany dia hahomby amin'ny famitahana “ny tany rehetra” i
Satana (Apok. 12: 9).
(Apokalypsy
12:9) « Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe
devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy,
ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. »
Tsy misy zavatra
manaporofo ny haavon'ny tsy fahalalàn'ny olona momba an'Andriamanitra afa-tsy
ny fahadisoan’ny fiheverany mombamomba ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany ao
amin'ny Apokalypsy 6.
"Kristy Hafa"
Marina fa ny
fitaingenana soavaly fotsy dia mampiseho Kristy. Nefa izay hita eto dia Kristy
sandoka. Marina fa ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany dia maneho filazantsara
sy Fiangonana, saingy filazantsara sandoka sy Fiangonana sandoka ireo. Mampiasa
ny anaran'i Jesosy Kristy daholo izy ireo, fa raha ny marina dia soloky sy
fitaka. Izany no nolazain'i Kristy tenany ao amin'ny Matio 24, ary koa
nosoratan'ny Apostoly Paoly ao amin'ny 2Korintiana 11:3-4, 13-15.
(2
Korintiana 11:3-4) « Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala
amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny
menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. » « Fa raha misy tonga
ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy
hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany! »
(2
Korintiana 11:13-15) « Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa
mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. »
« Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny
anjelin'ny mazava. » « Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha
ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny
fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany. »
Milaza ny Baiboly
fa ny minisitr'i Satana dia miseho ho kristiana. Mazava ho azy fa tsy miseho
toy ny irak’i Satana izy ireo, fa mampiova ny endriny ho tahaka ny “anjelin’ny
mazava”. Toy ny soavaly fotsy mampiseho ny fiverenan'i Kristy izy ireo, fa raha
ny marina dia sandoka tsara voatra!
Ny Apostoly Paoly
tsy mampitandrina antsika amin'ny fivavahana - toy ny animisma, ny sekta
miafina any Atsinanana, ny fanompoana an'i Satana, na ny sekta kristiana
tapany, izay fantatra avy hatrany fa diso. Mampahatsiahy ny sandoka mifono
hafetsena kosa izy. Ny sandoka, toy ny vola sandoka, dia toy ny tena izy,
saingy manana lesoka tsy misy dikany izay hitan'ny manampahaizana ihany izy.
Toy izany koa ny Kristianisma sandoka. Mety manana endrika toa
kristiana, na avy amin'ny Baiboly izy, nefa tsy lavorary ao amin'ny zavatra
inoany.
Ny mpitaingin-tsoavaly
fotsy ao amin'ny Apokalypsy toko faha-6 dia mampiseho sandoka miharo hafetsena
toy izany.
Ny Tsy Fitovian'ny Soavaly Fotsy Roa
Raha mamaky
amim-pitandremana ny Apokalypsy 6: 1-2 ianao,
ary mampitaha azy amin'ny andalana 19: 11-15, dia ho hitanao fa ny mpitaingin-tsoavaly voalohany dia tsy inona akory
fa Kristy sandoka, izay mitovy be amin'ny tena izy mba hamitahana ny
ankamaroan'ny olona, fa tsy tena
marina hamitaka ny olom-boafidy.
Ao amin'ny Apokalypsy 19 dia ho hitanao, vao manomboka,
fa Kristy amin'ny fiverenany,
dia manana sabatra izay mivoaka avy amin'ny
vavany. Nefa kosa ilay mpitaingin-tsoavaly
amin'ny Apokalypsy 6 dia mitazona tsipìka eo an-tanany. Ny sabatry ny mpitaingin-tsoavaly amin'ny Apokalypsy 19
dia ny tenin'i Kristy - ny Baiboly. Ny tenin'Andriamanitra dia ampitahaina amin'ny tandindona sabatra roa lela (Heb. 4:12). Hiverina hanitsy
ny firenena amin'ny teniny i Kristy, fa ilay
mpitaingin-tsoavaly sandoka eo amin'ny Apokalypsy
6 kosa dia manana loharanom-pahefana hafa.
Ny "tsipìka", izay tandindona dia tsy
maneho ny tenin'Andriamanitra – tsy
maneho sabatra roa lela!
Amin'ny lafiny
iray, tsy mitovy mihitsy ny vanim-potoana voatondro amin'ny toko faha-6 sy ny
toko faha-19 ; noho izany dia tsy tokony ho Kristy mitovy ireo. Nefa
ankoatr'izay, tsy mifanalavitra ireo vanim-potoana roa ireo amin'ny fisehoan’ny
zava-mitranga ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy. Ny mpitaingina
soavaly fotsy amin'ny Apokalypsy 6 dia mampiseho ny fisokafan'ilay tombo-kase voalohany, izay tranga voalohany
amin'ny fikorontanana mitohitohy amin'ny andro farany.
Mifanohitra
amin’izay, ny Fiavian'i Kristy faharoa dia
manamarika ny fiafaran'ny fikorontanana. Ity no ampahany farany amin'ny tombo-kase farany,
izay mialoha ny fanjakan'ny
olo-masin'Andriamanitra eto an-tany mandritry ny arivo taona. Mielanelana taona maro ny fitrangan’ireo hetsika roa ireo.
Noho izany, ny soavaly roa, miaraka amin'ireo mpitaingina azy,
dia tsy afaka hifangaro mihitsy, noho ny elanelam-potoana manasaraka
azy ireo.
Amin'ny lafiny
iray koa, araka ny Matio 24, amin'ireo
vanim-potoana resahina ireo, ny Kristy sandoka
dia miseho voalohany, fa ny Fiavian'i Kristy fanindroany, ankoatry
ny fisehoany any aorian'ny famantarana maro
hafa, dia izy no hetsika farany hiseho.
Nipoitra voalohany ny fivavahan-diso, taorian'ny nahafatesan'i Kristy (eny fa talohan'ny ady, sy ny pesta, ary ny mosary
tamin'ny taona 70 aza), ary tsy
nitsahatra nitombo izy nandritry ny 1900 taona mahery. Tsarovy anefa
fa ny teny faminaniana nataon'i Kristy dia mifandraika amin'ny toe-javatra iray
"maharitra", sy ny tranga manokana tsy maintsy hiseho amin'ny
vanim-potoana farany.
Ny toe-javatra
mandritry ny fotoana maharitra dia ny fiparitahan'ny fivavahan-diso, izay hahatratra ny faratampony amin'ny vanim-potoan’ilay mpitaingin-tsoavaly fotsy ao
amin’ny Apokalypsy 6, izany hoe amin'ny
fisehoan'ny mpaminany sandoka lehibe.
Ity fitaovana
mahery ataon'i Satana ity dia hanana fahefana mahasarika sy hery miavaka.
Hahatalanjona an'izao tontolo izao amin'ny fahagagana izy, ary hanetsiketsika
azy ho amin’ny asa fanompoana ratsy ataon’ny tafika lehibe itambaran'ny
"kristiana" izay matimaty eo am-boalohany. Io “amboadia miafina ho
zanak'ondry io”, dia hiseho tsy manan-tsiny, tsotra sy marina eo imason'ny
olona. Ny "olom-boafidy" ihany - izay tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra sy mitandrina ny lalàny no afaka hahafantatra ny tena
hery ahafahany manatanteraka izany fahagagana lainga izany (Mat. 24:24).
(Matio
24:24) « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany
sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana,
ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza
dia hofitahiny. »
Mba hialana
amin'ireo mpitaingin-tsoavaly telo manaraka, dia mila
manafaka ny tenany amin'ny herin'ny mpitaingin-tsoavaly voalohany izao tontolo
izao, izany hoe amin'ny fivavahan-diso,
izay fototry ny ady, sy ny mosary, ary ny areti-mifindra izay hamelezana ny
zanak'olombelona rehetra, araka ny
voalazan'ny faminaniana.
Toko 3
TONTOLO AO ANATIN’NY ADY
Raha mbola mitohy
ilay fahitana mahatalanjona hitan'i Jaona, dia nosokafan'i Jesosy ny tombo-kase faharoa, ary nahita soavaly mena i Jaona: (Apokalypsy 6:4) « Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia
navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tanymba hifamonoan'ny olona;
ary nomena sabatra lehibe izy. »
Ity
mpitaingin-tsoavaly ity dia nomena hery hanaisotra ny fandriam-pahalemana
amin'ny tany. Ny tsy fisian'ny fandriampahalemana dia ady. Ny
mpitaingina miaraka amin’ny soavaly mena dia maneho ny lozan'ny ady.
Na dia tsy
isalasalana aza ny dikan’ny andalan-teny ao amin'ny Apokalypsy6:
4, dia manamarina izany koa ny faminaniana mitovy aminy, dia ny Matio 24: 6-7. Amin'ny tenin'i Kristy
manokana, ny mpitaingin-tsoavaly faharoa dia miresaka "ady sy tsaho momba
ny ady".
(Matio 24:6)
« Ary handre ady sy filazana ady
ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga
izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. »
(Matio 24:7) « Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy
fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy
mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa. »
Tsy niaina ady
foana ve ny olombelona? Inona no ady resahin'i Kristy? Inona avy ireo ady
asehon'ny mpitaingin-tsoavaly faharoa? Ny ady rehetra, sa ny iray amin'izy ireo
fotsiny?
Hita ao amin'ny
Baiboly ny valin'ireo fanontaniana ireo.
Voalohany, Ady Maro
Ho fanombohana,
Jesosy naminany toe-javatra ankapobeny izay hitranga eto amin'izao tontolo izao
hatramin'ny ora farany amin'ny fitondram-panjakan'olombelona: (Matio 24:6) « Ary handre ady sy filazana ady
ianareo. »(ho hitanao fa
"ady maro" no resaka eto).
Vetivety foana
taorian’ny nanomezany io fampitandremana momba ny ady io, dia nilaza Izy hoe: « koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho
tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. » Noho izany, ireo ady rehetra ireo dia
maneho ny toe-java-misy ankapobeny hiainan'ny olombelona. Nasain'i Kristy tsy
hanahy be loatra isika. Nandritry ny enina arivo taona izay, ny taranaka
mifandimby dia efa nahalala mitsitapitapy fotoanan'ny fandriampahalemana, sy
ady lehibe, sy ady kely, sy ady an-trano, ary hafa koa.
Na izany aza,
ireo andininy hafa ao amin'ny Matio 24 - sy ny mpitaingin-tsoavaly faharoa ao
amin'ny Apokalypsy - dia mampahafantatra zavatra hafa noho ny fifanolanana
mahazatra. Vanim-potoana voafaritra manokana no resahina eto: ny fotoana
farany, miaraka amin'ny ady ao anatin’ny tena halehibeazany. Ity fotoan'ny
krizy ity dia hifarana amin'ny ady izay ho voalohany amin'ny karazany (ary koa
ho farany), ary ny heriny dia ho tena atambo.
Faharoa: Ady Maneran-Tany
Ho fanampin'ireo
ady voalaza ao amin'ny Matio 24: 7, dia voasoratra hoe koa: "Hisy firenena
hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana." Ady
maneran-tany no ambara eto; izany hoe: andiana firenena mpiara-dia hanafika
vondrona firenena hafa. Io andininy io dia midika fa mihoatra ny
"ady" sy "filazana ady" fotsiny ny zava-miseho.
Efa niaritra ny
fihodinana roa voalohany amin'ny ady maneran-tany izao izao tontolo izao, nefa
tsy mbola nisy ny fanapotehana niokleary maneran-tany, toy izay lazaina ao
amin'ny Matio 24:22, manao hoe: « Ary
raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa
noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. » [na "tsy hisy ho velona"]. Ady
tanteraka izany ambara izany, – koa raha tsy miditra an-tsehatra Andriamanitra,
dia ho tonga amin'ny famongorana tanteraka ny taranak’olombelona.
Ady Lehibe Maneran-Tany Fahatelo
Raha mampiriotra
mba ho "mpandresy sy handresy", ilay mpitaingin-tsoavaly voalohany,
amin'ny alalan'ny fivavahan-diso, ny mpitaingin-tsoavaly faharoa kosa, izay manambara
ady, dia mandroso haingana mba hanafika. Ny faminaniana dia nilaza ny fitaovana
ara-politika farany hoe "bibidia", izay fivondronam-pirenena folo
hitsangana ao afovoan'i Eropa.
Anisan'ireo
mizaka ny vokatr'ity mpitaingin-tsoavaly faharoa ity, (araka ny voalazan'ny
faminaniana ao amin'ny Baiboly), ny taranaky ny firenena folo tamin'ny Israely
fahiny. Ireo dia firenena fotsy miteny anglisy izay mpikambana ao amin'ny
“Commonwealth Britannique”, sy Etazonia Amerikana, ary firenena demokratika
sasany any Eropa Andrefana.
Hatraiza ny
halehiben'io fandringanana io? Tanan-dehibe maro no hanjavona noho ny
fanafihana niokleary, ary olona an-tapitrisany maro no maty eo noho eo. “… Ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony” (Jer. 4:
7).
Firifiry
ny olona no ho faty? Ny manam-pahaizana momba ny tafika dia nanombatombana fa
amin'ny firenen-dehibe iray, saika ny ampahatelon'ny mponina no hovonoin'ny
fanafihana nokleary goavana voalohany. Na izany aza, 2 500 taona lasa izay,
izany hoe mbola ela be talohan'ny fanombatomban’ny manam-pahaizana, dia nilaza
ny Baiboly hoe:(Ezekiela 5:12) « Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho
ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony
dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary
hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho. »
Ity dia faminaniana voafaritra manokana, izay mamaritra ny ampahan'ny olombelona ho faty amin'ny
sabatr’ilay mpitaingin-tsoavaly faharoa, ary ny isan'izay ho faty amin'ny mosary sy loza amin'ny mpitaingin-tsoavaly
fahatelosy fahefatra voalaza ao amin'ny toko roa manaraka,
amin’ity boky fianarana ity.
Mampatahotra ireo
fanambarana ireo. Na izany aza, tsy tokony hatahotra ny “olom-boafidin'Andriamanitra”.
Hoy i Kristy tamin'ny mpianany marina: (Matio 24:6) "Mitandrema,
aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. " Raha ny marina, raha toa ka miala amin'ny
lalan-dratsiny ny olombelona rehetra - tsy miady intsony, mitsahatra amin’ny
tsy fankatoavana an'Andriamanitra, miala amin'ny fivavahan-diso, sy ny
avonavona, sy ny fitsiriritana, ary tsy manao zavatra mahatonga ady, ary raha
mibebaka amin’ny fahotany amim-pahatsorana eo anatrehan' Andriamanitra, dia tsy
tokony hiainga ilay mpitaingin-tsoavaly mena. Mampalahelo anefa fa tsy
mampiseho ny famantarana kely indrindra amin’ny fibebahana akory izy ireo.
Toko 4
MOSARY MAMELY NY TANY
Hoy ny Apostoly
Jaona: (Apokalypsy 6:5-6)
« Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny
zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia*. Ary
hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra
mizàna teny an-tànany. [* Ampio hoe: (ka izahao)] » (Apokalypsy 6:6)
« Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra
nanao hoe: venty* ny vary tritika eran'ny fatam-bary kely**, ary venty*
koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary**; ary aza manimba ny diloilo na
ny divay ianao. [* Gr. denaria] [** Gr. koiniksa] »
Araka ny efa nampoizina,
ny mpitaingin-tsoavaly fahatelo niseho taorian'ny faharoa, ary ny mosary dia
manaraka ny ady, sy ny ady atao amin'ny revolisiona sy fanoherana
revolisiona. Ny mosary sy tsy fahampiana dia vokatra lojika sy eo noho
eo avy amin’ny fahasimban'ny fambolena sy ny zava-maniry, ny fandotoana
ny tahirin-drano, sy ny fiparitahan'ny an-diam-biby fiompy, ary ny filana
tsy mahazatra tahirin-tsakafo homena ny tafika - izay antony ateraky ny
ady daholo.
Ao amin'ny Matio 24,
Kristy dia niresaka an'io toe-javatra ankapobeny io - ny mosary
- ao anatin'ny trangan’"ady sy filazana ady". Teto koa, dia
nampiasa fahamaroan-javatra Izy; Naminany mialoha ny mosary izay hianjady
mandritry ny taonjato maro Izy, ary izany dia hitombo amin'ny vaninandro
alohan'ny hiverenany.
Ny Mosary Taloha
Ny mosary manerana ny
tantara, dia miverimberina, araka ny famaritana azy, satria toe-javatra tsy
mahazatra no miteraka azy, toy toetr'andro, ny loza, ny fibosesehan’ny biby, ny
bibikely, na ny katsetsitra, na fahatapahan’ny tsingerin-javatra hafa
mahazatra. Ireo mosary "mitsingeringerina" ireo dia tsy mitovy
amin'ny mosary ateraky ny rafitra iainan'ny ankamaroan'ny olombelona
ankehitriny.
Na i Abrahama, izay
lehilahy marina aza, dia nijaly nandritry ny fotoana fohy, vokatry ny mosary
mitsingeringerina iray (Gen. 12:10). Rehefa tsy nilatsaka tao amin'ny tany
Kanana ny orana, dia nankany Egypta izy hitady sakafo. Tamin'ny andron'i Josefa
zafikeliny, dia tsy nilatsaka ny orana, ary ritra nandritry ny fito taona ny
renirano, ary mafy ny mosary tamin'ny tany rehetra (Gen. 41:57).
Ny boky milaza tantara
ao amin'ny Baiboly dia miresaka momba ny mosary izay naharitra telo taona
tamin'ny andron'i Davida (2 Sam. 21: 1), mosary lehibe tany Samaria (1 Mpanjaka
18: 2), ary mosary mafy tami’ny tany rehetra tamin'ny andron'i Elia (Lio.
4:25). Azontsika vakiana koa ao amin'ny 2 Mpanjaka 6: 25-29:
(2 Mpanjaka
6:25-29) « Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa ny loham-boriky dia lafo
sekely valo-polo [manodidina ny US $ 50], ary ny taim-boromailala
ampahefatry ny kaba dia sekely dimy [manodidina ny US $ 3]. » (2 Mpanjaka 6:26)
« Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny
Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka
tompoko. » (2 Mpanjaka 6:27) « Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy
vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa
amin'ny famiazam-boaloboka? » (2 Mpanjaka 6:28) « Ary hoy koa ny
mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity
vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa
hohanintsika rahampitso. » (2 Mpanjaka 6:29) « Ka dia nandrahoinay ny
zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny
zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany. »
Teo anelanelan'ny
taona 1050 sy 1350, nisy mosary mafy nanerana ny fierenena mandroso eran-tany.
Ny tena nahafaty olona betsaka indrindra dia tany Egypta tamin'ny taona 1065 sy
1200; tany Angletera tamin'ny 1314, ary nanerana an'i Eropa nandritry ny pesta
tamin'ny taona 1350.
Tamin'ny taona
1845, lò ny vokatra ovy rehetra tany Irlandy, noho ny aretina tsy nampoizina.
Ity firenena ity dia niantehitra tamin'ny ovy, toy ny fiankinan’ny firenena any
Azia ankehitriny amin'ny vary, ho foto-sakafony. Noho ny hamafin’ny mosary, dia betsaka no maty, fa teo anelanelan'ny
200000 sy 300000. Betsaka ireo nifindra monina tany Angletera sy Amerika, ary
an'arivony no maty nandritry ny fiampitana.
I Sina koa dia iray
amin'ireo firenena izay nitokonan'ny mosary mahatsiravina tsindraindray.
Tamin'ny 1906 sy 1911, ny tondra-drano ny lemaka Yang-Tseu-Kiang dia niteraka
mosary mafy.
Ny lalana izoran'ny
fivavahan-diso matetika, izay mitarika ady sy tolona revolisionera - sy
miteraka mosary koa - dia mampiseho am-pahan-tantara maharikoriko momba ny
lasa, izay miverimberina matetika eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Ny ady nifanaovan'i India sy Pakistan,
tamin'ny Desambra 1971, dia ohatra iray manaitra. Ny mpivavaka mifandrafy, noho
ny fitakiana ara-politika sy ara-tsosialy mifanipaka, dia nitarika ady,
narahin'ny mosary sy areti-mifindra, saika manerana ny faritra rehetra, izay
nanampy ny loza voajanahary mahatsiravina - tamin'ity taona ity, rivo-doza
nahafaty olona 500000.
Vao tsy ela akory
izay, dia nisy sehon-javatra hafa nanampy ireo fahoriana ireo, tany Kambodza,
Etiopia, Mozambika ary Soudan atsimo, izay nisy mosary nahafaty olona
an-tapitrisany noho ny ady.
Ity fitsipiky ny
mosary vokatry ny ady ity dia voatantara amin'ny antsipiriany, miaraka amin’ny
fahafatesana nentiny, ao amin'ny toko roa mirazotra ao amin'ny Testamenta
Taloha: Deotoronomia 28 sy Levitikosy 26. Nampitandremana ny firenen'Israely fa
raha tsy mankatò an'Andriamanitra (izany hoe, raha mivavaka amin'ny
andriamani-tsi-izy, sy tsy miraharaha ny didin'Andrimanitra), dia hozonina,
izay hiafara amin’ny ady.
(Levitikosy
26:23-26) « Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany ianareo, fa
mbola manohitra Ahy ihany, » (Levitikosy 26:24) « Izaho dia Izaho
kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny
fahotanareo. » (Levitikosy 26:25) « Dia hampiditra sabatra aminareo
Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny
tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra
eo an-tànan'ny fahavalo ianareo. » (Levitikosy 26:26) « Raha tapahiko
ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny
vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana
ianareo, fa tsy ho voky. »
(Levitikosy
26:27-29) « Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray ianareo,
fa mbola manohitra Ahy ihany, » (Levitikosy 26:28) « dia hamely
anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo
impito indray noho ny fahotanareo. » (Levitikosy 26:29) « Dia
hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo. »
Ireo tsy fananana
sy fandroronan'ny firenena ireo dia efa niverimberina imbetsaka tamin'ny
tantara, ary mbola hiverina indray. Tsy ampy 40 taona taorian'ny nanaovan'i Kristy
an'io faminaniana momba ny mosary io, ny fahirano nataon'ny Romana tany
Jerosalema dia niteraka mosary lehibe, nitarika fihinanan’olona tao amin'ny
"tanàna masina" (vakio ny "Adin'ny jiosy manohitra ny
Romana", nataon'i Flavius Josephus).
Mosary Ho Avy Tsy Ho Ela
Na eo aza ny
mosary indraindray noho ny ady, olona maro no miaina karazana mosary hafa, hita
teo amin'ny fiarahamonina izay misy azy hatramin'ny fahazazany. Ity karazana
mosary ity dia vokatry ny fitomboan'ny mponina sy ny tsy fahampian-tsakafo any
amin'ny tany mahantra.
Amin’izao andro
izao, raha mamaky ireo andalana ireo ianao, ary isaky ny andro mandalo, dia
ankizy an'hetsiny maro no teraka eto an-tany. Ny mampalahelo dia maro amin'izy
ireo no hiaina vetivety fotsiny ao amin'ny firenena tsy manan-kohanina. Isaky
ny 24 ora koa, dia antsasaky ny zaza teraka eo no isan’ny maty. Ny mampalahelo
amin'ity statistika ity, dia mihoatra ny antsasak’ireo ankizy maty ireo no
latsaky ny dimy taona.
Raha ny tena izy,
ny mponin’izao tontolo izao dia mitombo isan’andro, mitovy isa amin’izay misy
amin’ny tanàn-dehibe toa an’i Bâle, any Suisse, na Haïfa, any Israely.
Izany dia manome
antsika vava vaovao an-tapitrisany hovelomina (izay efa ho inefatra ny isan'ny
mponin'i Canada isan-taona), indrindra any amin'ny firenena mahantra. Na dia
mitombo manaraka ny isan’ny mponina aza ny famokarana sakafo eran-tany, ny
fizarana tsy mitovy ny vokatra no olana lehibe atrehin'ny planeta mosarena.
Matetika, ny
faritra famokarana sakafo dia tsy any amin’ny toerana ilana ny vokatra, ary ny
firenena mahantra tsy afaka mividy ny ambim-bava misy any amin'ny firenena
manankarena.
Io no
manelingelina ny fizarana sakafo. Ny mpanankarena mihamanankarena, fa ny
mahantra kosa mihamahantra foana. Ary ny toe-javatra maneso dia ny
fitomboam-pananan’ny mpanankarena vitsy mipetraka any amin'ny firenena
mahantra, fa ny vahoaka mahantra any kosa mikorosy hatrany.
Jesosy Kristy
nanambara mialoha an'io toe-javatra io. Izany no antony nilazany hoe hisy "mosary". Fa mbola hisy ny
ratsy kokoa.
Mosary Manerantany
Miaraka amin'ny
mpitaingin-tsoavaly fahatelo
ao amin'ny Apokalypsy, dia tsy resaka mosary miverimberina toy ny taloha
intsony, na mosary araka ny "rafi-piaraha-monina" toy ny amin'izao
fotoana izao, fa mihoatra noho izany, satria mosary lehibe izay manomboka
mianjady any Afrika, ary hitatra any amin'ny kaontinanta hafa. Vokatry ny
fisafotofotoana lehibe ara-pivavahana sy ny ady, na dia ireo vondrom-pirenena
folo manankarena hamorona ny « Empira Romana tafatsangana amin'ny
maty » any Eropa aza, dia hianjadian'ny mosary sy tsy fahampiana. Tsy
mbola tanteraka ireo faminaniana ireo.
Ity mosary lehibe ity
dia haneran-tany, ary hitohy mandra-pitodiky ny olona amin'Andriamanitra sy
hanaiky tanteraka Azy. Ireo loza mahatsiravina ireo, dia avelan’Andriamanitra
be fitiavana hisy, mba hianaran’ny olombelona mankatò Azy. Ny fahadisoan’ny
olombelona no mahatonga ny vahoaka sy ny firenen'izao tontolo izao hiharan’ny
fijaliana toy izany, noho ny fivavahan-disony sy ny ady aterak’izany. Mamela ny
olona hijinja izay nafafiny Andriamanitra, mba hahafahany mianatra ny lesona
mangidy manao hoe mitondra fijaliana ny ota. Rehefa nianatra ity lesona ity ny olombelona dia
hanorina tontolo feno harena eto an-tany Andriamanitra - ny Tontolo Ho Avy
Mahafinaritra. Izany anefa tsy alohan'ny hahavitan'ny mpitaingin-tsoavaly
fahefatra ny diany!
Toko 5
FAMAKAFAFAKANA: MAHERIN’NY IRAY
MILIARA NO MATY
Rehefa
novahana ilay tombo-kase fahefatra, dia nahita soavaly miloko hatsatra ny
Apostoly Jaona: (Apokalypsy 6:8) « Ary hitako fa, indro, nisy
soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary
ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny
tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia
ety an-tany. [* Gr. Hadesy] » Inona no asehon'ilay mpitaingin-tsoavaly fahefatra amin'ny Apokalypsy 6?
Ny teny hoe
"hatsatra" dia manome hevitra kely antsika. Izy io dia nadika avy
amin'ny teny grika Chloros. Io fototeny io ihany no nihavian’ny hoe
"chlorophylle" (singa manome loko maintso ny zavamaniry). Ao
amin'ny famakafakan-teny ara-baiboly, dia antsoina hoe maintso hatsatra, ilay
loko mavo-maintso vokatry ny aretina.
Jesosy Kristy,
ilay Mpanambara, no manome antsika ny dikan'ity soavaly hatsatra ity marina. Ao
amin'ny Lioka 21, toko iray mifanitsy amin'ny Matio 24, no ahitana ny
fanazavana an'io famantarana io: « Ary
hisy … mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, (andininy
11). Ny loza noresahin'i
Jesosy dia areti-mifindra manerana izao tontolo izao.
Ny Fampiriotran'ny Mpitaingin-Tsoavaly Farany
Ny mpitaingina
fahefatra nandimby ny fahatelo. Ary toy izay tsy azo ovana ihany koa, ny
areti-mifindra dia manaraka ny mosary. Olona an-tapitrisany no maty amin'ity
areti-mandoza ity. Ny vokatry ny fandehanan'io mpitaingin-tsoavaly fahefatra io
dia ny fahafatesan'ny ampahefatry ny mponina rehetra ambonin'ny tany (Apok. 6:
8). Olona maherin’ny iray miliara no isan’izany.
Ny antony
mahatonga ny fandripahan'olona toy izany dia ny tsy hankatoavan'ny olona
an’Andriamanitra. Mariho ny fitsipika ampiharina ao amin’ny faminaniana
mifanitsy aminy, ao amin'ny Deotoronomia 28:15, 21-22, 27-28):
(Deotoronomia
28:15) « Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao
ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao
anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao
: » (Deotoronomia 28:21) « Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny
areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa
hidiranao holovana. » (Deotoronomia 28:22) « Ary areti-mahasahozanina
sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy
vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika
anao ireny mandra-pahalany ritranao. » (Deotoronomia 28:27)
« Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary
ny hazaka (izay tsy azom-panafody); » (Deotoronomia 28:28) « ary
hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny
fahaverezan-kevitra. »
Dia rejistra
ara-pitsaboana iray manontolo momba ny "loza" no
novinanian'Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa. Mampitandrina antsika koa
Andriamanitra hoe: (Levitikosy 26:22)
« Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy
handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny
lalambenareo ho tonga efitra. »
Ny teny farany
nataon’ny Apostoly Jaona, momba ny fahitany ireo mpitaingin-tsoavaly efatra,
dia toy ny akon’io faminaniana amin’ny Testamenta Taloha io, rehefa niresaka ny
hery nomena azy ireo “ handringanana ny olona. . . amin'ny alalan’ny bibidia
eto an-tany ”(Apok. 6: 8). Ny resaka eto dia sady areti-mifindra (izay biby no
mpamindra azy), no famelezan’ny biby ny olona, ho sakafony koa. Raha ny marina, ny teny hoe "pesta",
tany am-boalohany, dia areti-mifindra avy amin'ny biby.
Ny zava-misy tamin'ny
tantara, ny valanaretina ratsy indrindra nanjo ny olombelona dia nafindra avy
tany amin'ny biby. Rehefa tsy ampy ny sakafo, dia tsy manan-kohanina koa ny
biby. Tsy vitan'ny hoe mamono olona izy ireo hohanina, fa mihareraka ny tenany,
ary lasa mitondra otrikaretina; mitondra otrikaretina maharikoriko sy
mahatsiravina izy ireo, toy ny pesta, na raboka.
Na dia any amin'ny
firenena mandroso amin'izao tontolo izao, ny voalavo, ny amboahaolo, ny
ramanavy ary ny biby hafa mitondra haromotana, dia mipetraka akaikin'ny
tanàn-dehibe. Amin'ny ho avy, vokatry ny ady na mosary, raha mifampikasoka
amin'ny biby fiompy an-tapitrisany ireo biby mpitondra aretina ireo, dia ho
tonga vitsy an'isa isika manoloana ireo biby masiaka na romotra.
Amin'izao fotoana
izao, ny aretina toy izany dia mety tsy hitranga, noho ny fepetra fitandremana
ara-pahasalamana sy noho ny siansa ara-pitsaboana, ary koa ny fepetra raisina
ho fiarovana azo antoka amin'ny fisarahan’ny fiainana
mandroso sy ny fiainan’olon-dia. Na izany aza, mbola misy ny loza
mihatra avy amin'ny valanaretina; mbola matory fotsiny izy izao. Ireo loza ireo dia vonona hirongatra foana
amin'ny fiketrahan’ireny fepetra fiarovana ireny.
Ny ohatra
maoderina manamarina an’izany, dia ireo valanaretina namely an'i Kambodza sy
Afrika Atsinanana, vokatry ny ady.
Jesosy Kristy, ilay
Mpanambara, no manome antsika ny dikan'ity soavaly hatsatra ity.
Toko 6
MISY FOMBA AHAFAHANA
Olona an'hetsiny no
tsy afa-nihetsika tao Hiroshima sy Nagasaki rehefa nidoboka ireo baomba atomika
roa, ka nandoro ireo tanàna Japoney ireo tamin'ny 6 sy 9 Aogositra 1945.
Andro maromaro
talohan'izay, ny governemanta amerikana dia nampitandrina ny governemanta
Imperialy japoney ny amin’ny fipoahana baomba, saingy "very" tamin'ny
fampitana ny hafatra. Raha
narahina io fampitandremana io, dia mety ho afa-nandositra izay hanjò azy ny
mponina tao amin'ireo tanàna ireo. Mampalahelo fa tsy misy olona afaka
maminavina izay hitranga - avy tamin'ireo fampitandremana nomena -. Afaka
mianatra avy amin'ny zavatra mampatahotra niainan’izy ireo ve isika?
Jiosy sy
olom-pirenena an-tapitrisany avy amin'ny firenena samihafa no maty teo ambany
jadon’i Hitler. Betsaka ny olona afaka nahafantatra ny fambara sy namonjy ny
tenany, saingy tsy tanteraka izany.
Dia ho toy izany
koa ny ankamaroan'ny olona, izay ho tratry ny tampoka, rehefa miatraika ny
vokatry ny dian’ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy. Afaka handositra
ireo loza rehetra ireo izy, raha azony izay lazain'ny Baiboly, ary raha
refesiny ny dikan'ny fironan’izao tontolo izao. Saingy mafy fo izy ireo, noho
ny fanahy iniana, na noho ny tsy fahalalana.
Olona
an-tapitrisany no hahita ny “famantarana” ny amin'ireo mpaminany sandoka, ny
ady, ny mosary ary ny areti-mandringana, saingy tsy hahalala hoe aiza izy ireo
- na ho amin’iza - no hihodina handositra azy ireo.
Amin'izao
fotoan'ny ady niokleary izao, tsy misy fialofana avy amin’ny olombelona hatao
fiarovana azo antoka. Ny hany fomba ahafahana miala amin'ny zava-misy
mahatsiravina eto an-tany, dia ny fitokisana ilay zava-misy azo antoka
indrindra eto amin'izao rehetra izao: ANDRIAMANITRA!
Noho Ny Olom-Boafidy
Jesosy Kristy dia
nampanantena fiarovana ho an'ny olom-boafidiny. Nampanantenaina izy ireo, fa ho
afaka amin'ny famonoana izay hamely ity tontolo tsy misy dikany ity, araka ny
faminaniana. Ny hany fanantenana ho velona dia ny fidiran'Andriamanitra
an-tsehatra.
Soa ihany ho
an'ny olona, tsy hoe hamonjy ny olom-boafidiny ihany Andriamanitra, fa olona
an'arivo tapitrisany hafa koa no harovana "noho ny olom-boafidy."
Andriamanitra dia hanajanona ny famonoan'ny mpitaingin-tsoavaly fahefatra,
alohan'ny handripahan’io ny olombelona manontolo amin'ity planeta ity. Noho ny
olom-boafidy, ny ampahany amin'ny zanak'olombelona dia ho tafita velona, ary hiaina
ilay Tontolo Mahafinaritra Ho Avy.
Hoy i Kristy
tamin'ny olom-boafidy: (Lioka 12:32)
« Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome
anareo ny fanjakana. »Nampanantena
koa Izy fa ho eto an-tany foana ny "olom-boafidiny". Koa ireo izay
mbola velona amin'ny fotoanan'ny farany dia hanana hery manokana hitory ny
filazantsaran'i Kristy manerana izao tontolo izao, ho vavolombelony (Matio 24:14) « Ary hotorina amin'izao tontolo izao
ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra,
dia vao ho tonga ny farany. »
Zava-dehibe ho
anao ny hahafantatra hoe manao ahoana, sy aiza no atao io Asa io. Nahoana?
Satria raha nantsoina ho anisan'ireo olom-boafidy ireo ianao, dia voantoka ny
fiarovana anao. Ny sasany dia mety hanaraka aorian'ny fampijaliana sy fahoriana
mandritry ny taona maro. Nefa ny lalan'ny "olom-boafidy" dia azo
antoka sy itokisana
Ny olom-boafidy
dia ireo izay nantsoin'Andriamanitra sy nofidiny, ireo izay nibebaka
tamim-pahatsorana ny lalan'ny nofo, ary nanaraka ny lalana masin’Andriamanitra.
Izy ireo dia namboarina ho « rantsam-batan”'i Jesosy Kristy (1 Kor.
12:13), ary manao ny asan'Andriamanitra.
Mba hanomezana
valisoa azy ireo, noho ny fahatokiana nasehony, dia nomen'i Jesosy ireo
Kristiana mendrika ireo ity vaovao mahafinaritra sy mampahery ity, satria izy
ireo nametraka ny asa masin’Andriamanitra mihoatra ny faniriany manokana.
Ny toko iray
manontolo amin'ny Apokalypsy dia natokana ho an'ny fahamendrehana lalina
nasehon'Andriamanitra tamin'ny Fiangonany amin'ny fotoana farany, izany hoe
ireo "olom-boafidy", izay nampitahain'Andriamanitra tamin'ny vehivavy
antsoina hoe: fofombadin’i Kristy. (Apokalypsy
12:14) « Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe
hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy
fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho
hitan'ilay menarana izy. »
Ity faminaniana
ho amin'ny andro farany ity dia milaza ny fiarovana amin'ny ady sy fahoriana
mahatsiravina izay asehon'ny mpitaingin-tsoavaly efatra, sy ny hetsika izay
mampiavaka ny dian’ny tsirairay. Mandritry ny telo taona sy tapany, ny
olom-boafidy dia harovana amin'i Satana (ilay menarana), sy amin’ireo
trangan-javatra mampidi-doza manerana ny tontolo manodidina azy ireo, ao
anatin'ny ady. Andriamanitra nampanantena fialofana mahagaga sy mihoatra ny
herin’olombelona.
Iza Ireo Olom-Boafidy?
Ny olom-boafidy
dia ny mpikamban'ny Fiangonan’Andriamanitra: avy amin'ny asan'ny Tsitoha
amin'ny andro farany. Araka ny voalazan'Andriamanitra, ireo "zanaka
sisa" ireo dia mitandrina ny didiny, ary manana ny
tenivavolombelon'i Jesosy Kristy (Apok. 12:17 ; 14 :12).
(Apokalypsy 12:17)
« Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady
tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny
filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina
izy. » (Apokalypsy 14:12) « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia
izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. »
Ny olom-boafidy
dia mitandrina ny Didy Folo. Manaraka ny sitrapon'Andriamanitra
amin'ny lafiny rehetra izy ireo, ary manana ny fitiavana sy ny finoana
an'i Kristy. Aza manao hadisoana manaraka fivavahan-diso, izay sandoka,
amin'ny fanarahana ireo izay milaza ny tenany ho
"olom-boafidin'Andriamanitra", nefa mandà ny hankatò ny Didy
Folon’Andriamanitra, sady tsy mino ny tena Filazantsaran'ny
Fanjakan'Andriamanitra.
Misy fomba fiaina
ankasitrahan'Andriamanitra, ary hiaro anao Izy amin'ny loza hianjady amin'ny
tany, rehefa manomboka ny fampiriotany ny mpitaingin-tsoavaly efatry ny
Apokalypsy.
Ho an'ireo
nanapa-kevitra ny tsy hankatò an'Andriamanitra, dia tsy fahitana fotsiny ireo
mpitaingin-tsoavaly ireo, fa ny tena zava-misy mampitahotra ihany koa.
Afaka misafidy ny
fiainanao ianao!