SABATA MIALOHA NY FETY FITSOFANA TROMPETRA
FITSOFANA TROMPETRA: FAHATSIAROVANA
TENIN’ANDRIAMANITRA
Nomery 10:1-10
Matio 18:1-10
Apokalypsy 8:1-13
TENIN’ANDRIAMANITRA
Nomery
10:1-10
[Ny trompetra volafotsy]
(Nomery 10:1) « Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Nomery 10:2) « Manaova
trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao
ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. »(Nomery 10:3) « Ary
raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny
trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra. »(Nomery 10:4) « Fa raha
ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny
Isiraely, ihany no hivory eo aminao. »(Nomery 10:5) « Fa raha mitsoka
ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo
atsinanana. »(Nomery 10:6) « Ary raha mitsoka ho fampitairana
fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana
no hatao fiaingany. »(Nomery 10:7) « Fa raha hampivory ny fiangonana
kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana. »(Nomery
10:8) « Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho
lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby
izany. »(Nomery 10:9) « Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka
mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo
trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah
Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo. »(Nomery
10:10) « Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo,
ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny
fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo
izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo. »
Matio
18:1-10
[Ny nampianaran’i Jesosy
ny mpianany hanetry tenasy hamela ny heloky ny namany, sy ny fanoharana ny
amin’ny mpitrosa tsy nanan-kaloa]
(Matio 18:1) « Tamin'izany
ora izany dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe
indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra? »(Matio 18:2) « Ary Jesosy
niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo
afovoany »(Matio 18:3) « ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa:
Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny
fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika] »(Matio 18:4)
« Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no
ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. »(Matio 18:5) « Ary
na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako,
dia mandray Ahy. »(Matio 18:6) « Fa na zovy na zovy no hanafintohina
na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy
raha anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny
ranomasina lalina izy.[*Na: ahodim-boriky] »(Matio 18:7) « Lozan'izao
tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana,
nefa lozan'izay olona mahatonga ny fahatafintohinana. »(Matio 18:8)
« Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka
ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any
amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any
amin'ny afo maharitra mandrakizay. »(Matio 18:9) « Ary raha ny
masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa
tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa,
nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo. »(Matio 18:10)
« Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin'ireny
madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita
mandrakariva ny tavan'ny Raiko Izay any an-danitra*.[*Ampio hoe:] »
Apokalypsy 8:1-13
[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra]
(Apokalypsy 8:1) « Ary
rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora
ny tany an-danitra. »(Apokalypsy 8:2) « Ary hitako ny anjely fito
izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito
ireo. »(Apokalypsy 8:3) « Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka
nitsangana teo ambonin*'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana
ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy
mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana
ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [* Na:
amin'] »(Apokalypsy 8:4) « Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra
mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra. »(Apokalypsy 8:5) « Ary ny anjely nandray ny
lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny
alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra
ary horohorontany. »(Apokalypsy 8:6) « Ary ny anjely fito izay nanana
ny trompetra fito dia niomana hitsoka. »(Apokalypsy 8:7) « Ary ny
voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny
tany izany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary
may koa ny ahi-maitso rehetra. »(Apokalypsy 8:8) « Ary ny anjely
faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany
an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina; »(Apokalypsy
8:9) « ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an-dranomasina; ary
rava ny ampahatelon'ny sambo. »(Apokalypsy 8:10) « Ary ny anjely
fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy
tany an-danitra; nilatsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano
izany; »(Apokalypsy 8:11) « ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe zava-mangidy;
dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano,
satria efa nangidy izany. »(Apokalypsy 8:12) « Ary ny anjely
fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny
volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony,
ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny
alina. »(Apokalypsy 8:13) « Dia nahita sy nahare voromahery anankiray
nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza,
loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny
trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka! »
TORITENY SY FAMPIANARANA
Dr. Daniel Rakotondravony, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Ny Fety
voalohany amin'ny Volana fahafito
dia ny Fetin'ny Trompetra. Ny Levitikosy 23 dia milaza amin'ny vahoakan'Andriamanitra
hahatsiaro azy io "amin'ny fitsofana trompetra". Inona no
asehon'ireo trompetra ireo, ary nahoana isika no tokony hahatsiaro azy ireo
isan-taona? Ity Fety ity dia mamaritra ny fanombohan'ny hetsika lehibe
indrindra eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona.
1. Andriamanitra ve nilaza
tamin'ny Isiraely taloha hitandrina ny andro voalohany amin'ny Volana Fahafito amin'ny kalandrie
masina, fahatsiarovana iray nomarihina tamin'ny fitsofana trompetra?
Levitikosy 23:24.
(Levitikosy 23:24)
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana
fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny
fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. »
2. Andro Sabata isan-taona izany
- fivoriana masina iray izay tsy tokony hanaovana ny asa mahazatra. Levitikosy
23: 24-25.
(Levitikosy 23:24)
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana
fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny
fitsofana trompetra, ho fivoriana masina. » (Levitikosy 23:25) « Aza
manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i
Jehovah. »
3. Tany Isiraely fahiny,
matetika ny feon'ny trompetra no manabara ady? Nomery 31: 6; Mpitsara 7: 19-20.
(Nomery 31:6) « Ary
nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy
Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny
an-tànany, dia ny trompetra avo feo. »
(Mpitsara 7:19) « Dia
nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona
sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka
ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany. » (Mpitsara 7:20)
« Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy,
ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany
ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy
Gideona! »
4. Nampanenoin’ny mpiambina ny
trompetra, mba hisorohana loza mitatao? Ezekiela 33: 1-6.
(Ezekiela 33:1)
« [Fananterana ny nanendrena an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko
ny tenin'i Jehovah nanao hoe: » (Ezekiela 33:2) « Ry zanak'olona,
mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga
sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray
ao aminy ka manendry azy ho mpitily, » (Ezekiela 33:3) « ary
hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara
hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra] » (Ezekiela 33:4) « nefa
tsy mety taitra izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka
mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny. » (Ezekiela 33:5)
« Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy
ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb.
tsy nino anatra] » (Ezekiela 33:6) « Fa raha hitan'ilay mpitily kosa
fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina
ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny
helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily. »
5. Hampahafantarina an'izao
tontolo izao amin'ny feon’anjomara maneno ve ny Andron'ny Tompo? Joela 2: 1.
[Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] (Joela 2:1) « Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary
miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra
amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany. »
6. Ny Andron'ny Tompo ve no
maneho ny fotoana hidiran'Andriamanitra an-tsehatra hanasazyan’izao tontolo
izao mikomy aminy? Joela 1:15.
(Joela 1:15) « Indrisy ny
andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy
amin'ny Tsitoha no fihaviny. »
7. Ny Apokalypsy 5 sy 6 dia manonona horonam-boky iray, misy
tombo-kase fito, izay mirakitra ny tantaran'ny zava-kiseho amin'ny
vanim-potoana farany. Tao amin'ny fahitana iray dia nahita an'i Kristy any
an-danitra ny Apôstôly Jaona, nanokatra ny tombo-kasen'ilay boky. Isaky ny
misokatra ny tombo-kase iray, dia “hitany” nivelatra ireo faminaniana ambarany.
Rehefa hisokatra ny tombo-kase fahenina, dia hisy famantarana lehibe ve eny amin’ny
lanitra? Apokalypsy 6: 12-16. Hanomboka ve ny andro lehiben'ny fahatezeran'Andriamanitra
aorian'ny fisokafan'ity tombo-kase fahenina ity? Apokalypsy 6:17.
(Apokalypsy 6:12) « Ary
nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany
mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary
tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. »(Apokalypsy 6:13) « Ary ny
kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana
ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy. »(Apokalypsy
6:14) « Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny
tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany. »(Apokalypsy
6:15) « Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny
mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo
rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny
an-tendrombohitra; »(Apokalypsy 6:16) « ary hoy izy tamin'ny
tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny
tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny
Zanak'ondry; »(Apokalypsy 6:17) « fa tonga ny andro lehiben'ny
fahatezeran'ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany] »
8. Ho avy ny andro fahatezeran'Andriamanitra, antsoina koa
hoe Andro Tompon'ny Tompo, rehefa hisokatra ny tombo-kase fahafito. Inona no
hitan'i Jaona tamin'ny fahitana rehefa nosokafana ilay tombo-kase fahafito?
Apokalypsy 8: 1-8.
[Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra]
(Apokalypsy 8:1) « Ary
rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora
ny tany an-danitra. »(Apokalypsy 8:2) « Ary hitako ny anjely fito
izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito
ireo. »(Apokalypsy 8:3) « Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka
nitsangana teo ambonin*'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana
ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy
mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena
fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [* Na:
amin'] »(Apokalypsy 8:4) « Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra
mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra. »(Apokalypsy 8:5) « Ary ny anjely nandray ny
lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny
alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra
ary horohorontany. »(Apokalypsy 8:6) « Ary ny anjely fito izay nanana
ny trompetra fito dia niomana hitsoka. »(Apokalypsy 8:7) « Ary ny
voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny
tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary
may koa ny ahi-maitso rehetra. »(Apokalypsy 8:8) « Ary ny anjely
faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany
an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina; »
9. Rehefa nitsoka trompetra ny anjely efatra voalohany,
inona no loza voajanahary nitranga? Apokalypsy 8: 7-12.
(Apokalypsy 8:7) « Ary ny
voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny
tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary
may koa ny ahi-maitso rehetra. »(Apokalypsy 8:8) « Ary ny anjely
faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany
an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina; »(Apokalypsy
8:9) « ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary
rava ny ampahatelon'ny sambo. »(Apokalypsy 8:10) « Ary ny anjely
fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy
tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano
izany; »(Apokalypsy 8:11) « ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe
Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no
matin'ny rano, satria efa nangidy izany. »(Apokalypsy 8:12) « Ary ny
anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny
ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny
ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny
alina. »
10. Rehefa nitsoka trompetra ny anjely fahadimy sy fahenina, dia manambara ny fipoahan'ny ady
mahatsiravina iray ve izany? Apokalypsy 9: 1-21.
[Ny
nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany]
(Apokalypsy 9:1) « Ary ny
anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany
an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny
lavaka tsy hita noanoa. » (Apokalypsy 9:2) « Ary nanokatra ny lavaka
tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny
setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny
habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka. » (Apokalypsy 9:3)
« Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary
nomena hery* ireny, tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny tany. [* Gr.
fahefana] » (Apokalypsy 9:4) « Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny
ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay
tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany. »
(Apokalypsy 9:5) « Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina
ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny
maingoka, raha mamely olona. » (Apokalypsy 9:6) « Ary amin'izany
andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty
izy, fa mandositra ary ny fahafatesana. »
[Ny
nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa]
(Apokalypsy 9:13) « Ary ny
anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara
volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho, »(Apokalypsy 9:14) « nanao
tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra
izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe. »(Apokalypsy 9:15) « Dia
novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana
ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona. »(Apokalypsy 9:16)
« Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany
aho. »(Apokalypsy 9:17) « Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo
amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo
sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny
lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny
vavany. »(Apokalypsy 9:18) « Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy
ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny
ampahatelon'ny olona. »(Apokalypsy 9:19) « Fa ny herin*'ny soavaly
dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady
manan-doha, ka ireny no entiny mampahory. »(Apokalypsy 9:20) « Nefa
ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny
asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy
volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na
afa-mamindra; »(Apokalypsy 9:21) « ary tsy nibebaka tamin'ny
namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny
fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa. »
11. Ny fanenoan’ny trompetra fahafito ve manondro ny
fotoana hampanaiky ny fanjakan'izao tontolo izao ho eo ambanin’ny fanjakan'i
Jesosy Kristy mivantana? Apokalypsy 11: 15-18. Moa ve hitranga eto an-tany ny
loza fito farany aorian'ny fitsofana ny trompetra fahafito? Apokalypsy 15: 1;
16: 1.
[Ny nitsofana ny trompetra fahafito, sy ny nahatongavan'ny Joza fahatelo] (Apokalypsy 11:15) « Ary ny anjely fahafito
nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao
tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka
mandrakizay mandrakizay. » (Apokalypsy 11:16) « Ary ny loholona*
fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo
anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra [*
presbytera] » (Apokalypsy 11:17) « nanao hoe: Misaotra Anao izahay,
Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny
herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao. » (Apokalypsy 11:18) « Ary
tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny
maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary
izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba
ny tany. »
[Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny
anjely fito ka naidiny tamin'ny tany](Apokalypsy
15:1) « Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra,
sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria
ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. »
(Apokalypsy 16:1) « Ary
nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe:
Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny
fahatezeran'Andriamanitra. »
12. Inona no hitranga amin'ny
vahoakan'Andriamanitra rehefa tsofina ny trompetra fahafito sady farany? 1
Korintiana 15: 52-53; 1 Tesaloniana 4: 13-17
(1 Korintiana 15:52) « fa
vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia
hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho
lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:53) « Fa ity mety lò
ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy
hitafy ny tsi-fahafatesana. »
(1 Tesaloniana 4:13) « [Ny
hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy
ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy
hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. » (1
Tesaloniana 4:14) « Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa
nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa
nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i
Jesosy] » (1 Tesaloniana 4:15) « Fa izao no lazainay aminareo amin'ny
tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:16) « Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any
an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny
trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana
aloha; » (1 Tesaloniana 4:17) « ary rehefa afaka izany, dia isika
izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona
hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva
isika. »