FIOMANANA AMIN’NY FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO
FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO : OMEM-BONINAHITRA NY
VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA
Andriamanitra mampahafantatra ny Planin’ny Famonjena amin’ny alalan’ny
hevi-panahiny ambaran’ireo Andro Firavoravoana isan-taona.
Ao anatin’ity Fandalinana Sortra Masina ity no hianaranao
fa ny Planin’Andriamanitra dia manambara fotoana iray izay hahatongavan’ny
olon-drehetra amin’ny fahafantarana ny Fahamarinana, sy hahafahany mandova ny
voninahitr’Andriamanitra. Ny Fety amin’ny volana fahafito dia tena
fotoam-panantenana sy voninahitra tokoa.
TENIN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy 23:23-32
Jaona 7:37-43
1 Korintiana
15:50-58
FETY AMIN’NY VOLANA FAHAFITO : OMEM-BONINAHITRA NY
VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA
Andriamanitra mampahafantatra ny Planin’ny Famonjena
amin’ny alalan’ny hevi-panahiny ambaran’ireo Andro Firavoravoana isan-taona.
TENIN’ANDRIAMANITRA
Levitikosy
23: 23-32
[Lalàna ny amin’ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah]
(Levitikosy 23:23) « Ary
Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy 23:24)
« Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny andro
voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro
fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana
amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana
masina. » (Levitikosy 23:25) « Aza manao tao-zavatra akory
ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy
23:26) « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »(Levitikosy
23:27) « Ary
amin'ny andro fahafolo amin'izany volana
fahafito izany (dia ny andro fanavotana)
hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka
hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. »(Levitikosy 23:28)
« Ary aza manao raharaha akory amin'izany
andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo
anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo. »(Levitikosy 23:29) « Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin'izany
andro izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy
23:30) « Ary ny olona rehetra izay manao
raharaha akory amin'izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin'ny fireneny. »(Levitikosy
23:31) « Aza manao raharaha akory; ho
lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany eny
amin'izay rehetra honenanareo. »(Levitikosy 23:32) « Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary
hampahory ny tenanareo ianareo; amin'ny andro
fahasivy amin'ny volana, rehefa hariva dia hatramin'ny hariva ka hatramin'ny
ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo. »
Jaona 7:37-43
[Ny niakaran’I Jesosy tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana
Tabernakely, sy ny nampianarany teo an-kianjan’ny tempoly, ary ny nitadiavan’ny
lehibe hisambotra Azy]
(Jaona 7:1)
« Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa
nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy. »(Jaona 7:2)
« Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny
Tabernakely, »
(Jaona 7:37) « Ary tamin'ny
andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha
misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. »(Jaona 7:38)
« Izay
mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny
voalazan'ny Soratra Masina. » (Jaona 7:39) « Ary ny Fanahy, Izay efa
horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena,
satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »(Jaona 7:40) « Ary
ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany. »(Jaona
7:41) « Hoy ny sasany: Ity no Kristy.
Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy? »(Jaona
7:42) « Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny
taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5.
1)? »(Jaona 7:43) « Dia nisara-tsaina
ny amin'i Jesosy ny vahoaka. »
1 Korintiana 15:50-58
[Ny amin’ny fitsanganan’ny maty]
(15:50) « Fa
izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny
fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. »
(15:51) « Indro, zava-miafina
no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (15:52) « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso,
rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny
trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (15:53)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety
maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (15:54) « Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lò ity,
ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny
voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (15:55) « Ry fahafatesana ô, aiza
ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14). »
(15:56) « Fa ny ota no
fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota. » (15:57) « Fa isaorana anie
Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika. » (15:58)
« Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary
mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana
tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. »
TORITENY
Dr. Rakotondravony Daniel, Fiangonan'Andriamanitra Miray
Fety amin'ny Volana
Fahafito : Homem-Boninahitra Ny Vahoakan'Andriamanitra!
Ny tontolo izay iainantsika dia feno alahelo sy fijaliana. Na fijalian’olona
iray no miseho, na krizy miantraika manontolo amin'ny firenena maro, dia satria
feno olana ny tontolontsika. Ao amin'ny Romana 8:18-25, ny Apôstôly Paoly dia
mampitaha izao tontolo izao sy ny alahelony amin'ny vehivavy iray mihetsi-jaza.
Nilaza izy fa ny zavaboary manontolo dia "misento sy mijaly amin'ny
fanaintainan'ny fahaterahana", miandry ny fanehoana ny
zanak'Andriamanitra.
(Romana 8:18) « Fa ataoko
fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina
amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. »(Romana 8:19) « Fa izao
zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana
ireo zanak'Andriamanitra; » (Romana 8:20) « fa izao zavatra ary
rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho
Izay nampanaiky azy, » (Romana 8:21) « sady nahazo fanantenana koa
fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana,
dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny
voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] »(Romana 8:22)
« Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy
miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; »(Romana
8:23) « ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny
voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry
ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. »(Romana 8:24)
« Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy
mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa
hitany? »(Romana 8:25) « Fa raha isika manantena izay tsy mbola
hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana. »
Ny Fetin'ny Volana fahafito amin'ny
kalandrie masin'Andriamanitra, dia tandindon'ny teny fikasana
nampanantenain'Andriamanitra ny zanak'olombelona. Ireo fety ireo dia maneho
mialoha ny fotoana hananan'ny vahoakan'Andriamanitra tsi-fahafatesanasy
voninahitra mandrakizay. Ny ankamaroan'ny Kristiana dia tsy mahatakatra ny
tanjona lehibe ataon'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Mihevitra izy ireo fa ankehitriny
ihany no andro famonjena; vokatr'izany dia nanapaka izy ireo fa ny
ankamaroan'ny olombelona dia very mandrakizay. Saingy, raha mandinika ny
drafitr'Andriamanitra isika, araka ny ampahafantarina antsika amin'ny fetin’nyVolana
fahafito, dia hitantsika fa Andriamanitra tsy manandrana fanamby amin'ny
devoly, hiezaka hamonjy an'izao tontolo izao, izay ho very raha tsy manao izany
Izy! Mifanohitra amin'izany kosa, Andriamanitra dia mifehy tanteraka ny
raharaha; hatrany am-piandohana Izy noefa nanambara ny farany, sy ny fomba
hanatanterahany ny drafitra lehibe.
Ilay
Mpamorona antsika dia nampiasa ny fotoam-pijinjana tany amin’ny Isiraely fahiny,
mba hanehoana ny fotoam-pijinjana ara-panahy lehibe amin’ny olombelona.
Nanomboka tamin'ny Volana voalohany
ny taom-pijinjana, izany hoe ny volana
Abiba, izay midika hoe "salohim-bary maitso", mampahatsiahy ny
loko maintso malefaka izay nitombo tamin'ny Volana voalohany. Ny Paska
sy ny fankalazana ny Mofo Tsy Misy
Lalivayno atao amin'io volana io, izay mampahatsiahy ny filàntsika fanombohana vaovao na fanavaozana!
Fito herinandro aty aoriana - aorian'ny faran'ny Volana voalohany, - tonga ny Fetin'ny
Pentekosta izay mankalaza ny fijinjana voamadinika voalohany. Ao amin'ny
Testamenta Taloha dia nantsoina koa hoe Fetin’ny Voaloham-bokatra izy io. Ny
Pentekosta dia mampatsiahy antsika fa io vanim-potoanan'ny Fiangonana
ankehitriny io dia voaloham-bokatra ara-panahy ihany - fa tsy ny
fijinjam-panahin’Andriamanitra manontolo.
Ny Fetin'ny
Volana fahafito dia ahitana ny fetin'ny Trompetra, ny Andro
Fanavotana, ny Fetin’ny Tabernakely ary ny Andro Lehibe Farany.
Ireo fety ireo, izay manomboka amin'ny andro voalohan'ny volana fahafito
"sokafana amin'ny feon'ny trompetra", dia manoro ny filaharan'ny
zava-misy farany,rehefa hiditra amin'ny raharahan'izao tontolo izao
Andriamanitra, amin’ny fahataperan’izao vanimpotoana ankehitrinyizao. Ny
bokin'ny Apokalipsy dia mampiseho fa trompetra fito mahagaga no haneno
manambara ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Ny trompetra fahafito sady
farany no famantarana ny fitsanganan'ny olo-marina, izay homena
tsi-fahafatesana mba hanapaka sy hiara-manjaka amin'i Kristy.
Ny Fety
Lehibe amin'ny Volana Fahafito - ny Firavoravoana Fitoerana Amin'ny Trano
Rantsankazo - dia fantatra koa hoe "Fetin’ny Vokatra"tao amin'ny
Testamenta Taloha. Tonga amin'ny fotoana iray lehibe amin'ny taom-pambolena
izany, rehefa tafangona ao anaty sompitra sy trano fitehirizana ny vokatrarehetra
tamin’ny volana maro, alohan'ny faran'ny Volana fahafito. Eto no famaranana ny
fanangonana izay nanomboka tamin'ny Volana voalohany. Ny fijinjan-panahy lehibe
- izay fotoana hiarahan’ny ankamaroan'ny olombelona ao anatin'ny fianakavian’Andriamanitra
- dia hitranga amin'ny ho avy, araka ny fampirantian’ny Fetin’nyVolana fahafito.
Ny
Apokalypsy 20 dia mamaritra ny "sombin-tantara" izay nasehon'ny
Fetin'ny Volana fahafito. Asehon'io
toko io fa i Satana dia hatsipy any amin'ny "lavaka mangitsokitsoka" alohan'ny
hanombohan'ny hanjakan'i Kristy sy ireo olo-masina tafatsangana, mandritry ny
arivo taona. Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana vetivety i Satana, avy
eo dia hesorina tsy hampidi-doza intsony. Azontsika vakiana fa aorian'izay dia
haverina amin'ny fiainana ny ambiny tamin’ny olona maty rehetra, ary hovelarina
ny bokin'ny fiainana. Midika izay fa hanomboka mahazo voalohany ny bokin'ny
Baiboly izy ireo. Aorian'izay, ny zanak'olombelona dia hotsaraina arakarak’izay
nampiasany ny fahalalana voarainy. Ny tsirairay tokoa, dia hanana fahafahana mianatra
ny fombam-piainan’Andriamanitra, sy ny fomba hahatongavana mpikambana ao
amin’ny Fianakavian'Andriamanitra. Ny Apokalypsy 21 sy 22 dia manasongadina ny
lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hitoeran'ny Ray sy i Kristy miaina
mandrakizay eo anivon'ny Fianakaviany.
Mahatalanjona ny Planin'Andriamanitra;
mikasika ny olombelona tsirairay izany. Ny ankamaroan'ny Kristiana dia mihevitra
fa ny Planin’Andriamanitra ho amin’nyFamonjena dia tsy natao afa-tsy ho an’ireo
izay nitsikian’ny vintana, ka sendra teo amin’ny fotoana sy toerana tokony
handrenesana ny Filazantsara. Hianaranao amin’ity lesona ity fa tsy izany akory
no marina. Ny Planin’Andriamanitra dia manome fotoana hahalalan'ny rehetra ny Fahamarinana,
sy hananany fahafahana mandova ny voninahitr'Andriamanitra. Ny fotoan’ny
Fetin’ny Volana fahafito dia
fotoanan'ny fanantenana sy voninahitra tokoa.